Iza no Mahalaza ny Hevitry ny Faminaniana?
Indray andro, hono, nisy lehilahy iray atao hoe Gordias namatotra tady. Io tady io no fatotra saro-bahana indrindra tamin’ny andron’i Aleksandra Lehibe. Nahay izay olona nahavita namaha azy io ary hahazo fandresena lehibe.a I Aleksandra, hono, no nahavaha azy io. Nokapainy indray mandeha fotsiny tamin’ny sabatra ilay izy dia tapaka.
TSY hoe namaha olana saro-bahana fotsiny ny olon-kendry fahiny, fa nanandrana namaly fanontaniana sarotra sy nilaza ny hevitry ny faminaniana koa. Nanandrana nilaza ny hoavy mihitsy aza izy ireo.
Matetika anefa no tsy vitan’izy ireo izany. Nisy sora-tanana nipoitra, ohatra, indray andro teo amin’ny rindrin’ny lapan’i Belsazara Mpanjaka, tamin’izy nanao fanasambe. Tsy nahalaza ny hevitr’io faminaniana voasoratra io anefa ny olon-kendry tany Babylona. I Daniela, izay mpaminanin’i Jehovah Andriamanitra sady nalaza ho “nahavaha olana saro-bahana”, ihany no nahavita izany. (Daniela 5:12) Voalazan’ilay faminaniana fa ho rava ny Fanjakana Babylonianina. Tanteraka ny alin’iny ihany izany.—Daniela 5:1, 4-8, 25-30.
Inona no atao hoe faminaniana?
Ny atao hoe faminaniana dia filazana mialoha ny zavatra hitranga amin’ny fotoana voafaritra iray. Hafatra avy amin’Andriamanitra momba ny sitrapony sy ny fikasany ny tena faminaniana, na soratana izany na lazaina am-bava. Misy faminaniana momba ny fotoana hahatongavan’ny Mesia, ny mombamomba azy, ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, ary ny didim-pitsaran’Andriamanitra, ohatra, ao amin’ny Baiboly.—Matio 24:3; Daniela 9:25.
Manandrana milaza ny hoavy koa ireo “olon-kendry” ankehitriny, izany hoe ireo manam-pahaizana momba ny siansa, toe-karena, fahasalamana, politika, tontolo iainana, sy ny sisa. Marina fa mampiely be an’izay lazain’izy ireny ny fampitam-baovao, ary mino an’izany ny olona. Tombantombana fotsiny avy amin’izay kely fantany anefa ireny sady hevitr’izy ireo manokana. Mifanohitra foana koa ny ankamaroan’ny zavatra lazain’izy ireo. Mila mitandrina tsara àry ireo milaza mialoha ny hoavy, satria tsy misy mahalala izay havoakan’ny ampitso.
Avy aiza ny tena faminaniana?
Hoy ny apostoly Petera: “Tsy misy faminaniana ao amin’ny Soratra Masina avy amin’ny hevitr’olona.” (2 Petera 1:20) Midika hoe “mamaha olana, manambara” ny teny grika nadika hoe ‘milaza hevitra.’ Midika koa izy io hoe “nifatotra ilay zavatra novahana talohan’ny namahana azy.” Izao àry no nandikana an’io tenin’i Petera io ao amin’ny Testamenta Vaovao Nohazavaina (anglisy): ‘Tsy misy faminaniana ao amin’ny Soratra Masina novahan’olona.’
Alao sary an-tsaina hoe nisy tantsambo mahay iray namatotra tady ary nataony fato-maty ilay izy. Misy olon-tsotra hafa avy eo mijery an’ilay tady ka hitany ny fifampidipidiran’ilay izy. Tsy midika anefa izany hoe ho hainy ny hamaha azy io. Toy izany koa fa mahavita mandinika ny zava-misy ny olona ary fantany fa mety hiteraka olana lehibe izy ireny. Tsy midika anefa izany hoe ho vitan’izy ireo ny hilaza izay tena hitranga amin’ny hoavy.
Tsy nanadihady ny zava-nisy tamin’ny androny ireo mpaminany fahiny, toa an’i Daniela, mba haminaniana ny hoavy. Raha nanao an’izany mantsy izy ireo, dia izay tao an-tsainy fotsiny no ho nolazainy. Tsy ho azo antoka ilay faminaniana satria tombantomban’olombelona fotsiny. Hoy anefa i Petera: “Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”—2 Petera 1:21.
“Tsy Andriamanitra ve no mahalaza ny hevitry ny nofy?”
Nisy lehilahy roa nigadra tany Ejipta, 3 700 taona lasa teo ho eo izay. Samy nanonofy izy ireo, ka sahiran-tsaina satria tsy afaka nankany amin’ireo olon-kendry. Hoy izy ireo tamin’i Josefa, ilay niara-nigadra taminy: “Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.” Nasain’i Josefa, mpanompon’Andriamanitra, notantarain’izy ireo taminy ireo nofy, sady nilaza izy hoe: “Tsy Andriamanitra ve no mahalaza ny hevitry ny nofy?” (Genesisy 40:8) Ara-dalàna raha i Jehovah Andriamanitra no nomen’i Josefa voninahitra. Izy irery ihany mantsy no mahalaza ny hevitry ny faminaniana, toy ilay tantsambo mahavaha tady saro-bahana. Izy rahateo no nilaza na namatotra an’ireny faminaniana ireny tamin’ny voalohany. Tokony ho izy àry no antenaintsika hamaha na hilaza ny hevitr’izy ireny.
Nahoana àry Andriamanitra no lazaina fa “mahalaza ny hevitry ny nofy?” Misy antony maro manaporofo an’izany. Voalaza miaraka amin’ny fahatanterahany, ohatra, ny faminaniana sasany ao amin’ny Baiboly. Mazava ho azy fa mora vahana na hazavaina izy ireny, toy ny fatotra izay efa hazavain’ny tantsambo tsara ny fomba hamahana azy.—Genesisy 18:14; 21:2.
Ny teny manodidina azy kosa no hahalalana ny hevitry ny faminaniana sasany. Nahita ‘ondrilahy nanana tandroka roa’, ohatra, i Daniela tao amin’ny fahitana. Namely azy io ny “osilahy” iray izay nanana “tandroka niharihary be teo anelanelan’ny masony.” Asehon’ny teny manodidina fa ny “mpanjakan’i Media sy Persa” ilay ondrilahy, ary ny “mpanjakan’i Gresy” ilay osilahy. (Daniela 8:3-8, 20-22) I Aleksandra Lehibe kosa ilay “tandroka lehibe.” Nandresy an’i Persa mantsy izy, 200 taona mahery tatỳ aoriana. Nilaza i Josèphe, mpahay tantara jiosy, fa tamin’i Aleksandra nanafika teny akaikin’i Jerosalema, dia nisy olona nampiseho azy an’io faminaniana io, ka nino izy fa izy mihitsy no resahin’ilay faminaniana.
Misy antony hafa koa ilazana fa ‘Andriamanitra no mahalaza ny hevitry ny nofy.’ Notarihin’ny fanahy masina, ohatra, i Josefa, ilay mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika, ka nahafantatra ny hevitry ny nofin’ireo niara-nigadra taminy. (Genesisy 41:38) Rehefa misy faminaniana tsy tena azon’ireo mpanompon’Andriamanitra koa ankehitriny, dia mivavaka izy ireo mba hahazoana ny fanahy masin’Andriamanitra. Mazoto mianatra sy manao fikarohana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay avy amin’ny herin’ny fanahy masina, izy ireo avy eo. Lasa tarihin’ny fanahy masina àry izy ireo, ka mahita andinin-teny manazava ny hevitry ny faminaniana sasany. Tsy hoe manana fahaizana manokana mba hilazana ny hevitr’izy ireny akory ny olona. Andriamanitra kosa no mahavita izany, satria ny fanahiny sy ny Teniny no mahatonga azy ireny hazava. Tsy misy olombelona mpilaza ny hoavy mihitsy mahavita milaza ny hevitry ny faminaniana, fa ny Baiboly ihany.—Asan’ny Apostoly 15:12-21.
Andriamanitra koa no “mahalaza ny hevitry ny nofy”, satria izy no mamaritra hoe rahoviana ireo mpanompony no hampahafantariny ny hevitry ny faminaniana iray. Mety ho aloha, na mandritra, na aorian’ny fahatanterahany no fantatra ny hevitry ny faminaniana iray. Koa satria Andriamanitra no namatotra na nanao ny faminaniana, dia azo antoka fa hamaha na hanazava izany izy amin’ny fotoana mety aminy.
Nanazava ny hevitry ny nofin’ireo mpigadra roa, ohatra, i Josefa, telo andro talohan’ny nahatanterahan’izany. (Genesisy 40:13, 19) Rehefa nanonofy koa i Farao tatỳ aoriana, dia nentina tany aminy i Josefa. Nahazo ny fanahin’Andriamanitra izy ka afaka nanazava ny hevitr’ilay izy taloha kelin’ny hahatanterahan’izany. Fantany fa hisy fito taona hisian’ny sakafo tondraka. Afaka nanao fandaharana mialoha àry izy ireo mba hanangonana sakafo.—Genesisy 41:29, 39, 40.
Efa tanteraka kosa ny faminaniana sasany vao tena azon’ny mpanompon’Andriamanitra ny heviny. Taonjato maro talohan’ny nahaterahan’i Jesosy, ohatra, no naminaniana ny ankamaroan’ny zavatra hitranga eo amin’ny fiainany. Efa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty anefa vao tena takatry ny mpianany izy ireny. (Sal. 22:18; 34:20; Jaona 19:24, 36) Milaza koa ny Daniela 12:4 fa ‘asiana tombo-kase’ ny faminaniana sasany “mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany”, rehefa “hitombo be ny tena fahalalana.” Tanteraka amin’izao androntsika izao mihitsy ireny faminaniana ireny.b
Mahakasika anao ve ny faminaniana ao amin’ny Baiboly?
Nilaza faminaniana tamin’ireo mpanjaka tamin’ny androny i Josefa sy Daniela, ka nisy akony tamin’ireo firenena sy fanjakana izany. Nampita ny tenin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny faminaniana, koa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nandray soa be dia be izay nihaino sy nankatò an’izany.
Milaza faminaniana koa ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, rehefa mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Resahin’izy ireo amin’ny olona fa tanteraka amin’izao andro izao ilay faminanian’i Jesosy momba ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 24:3, 14) Fantatrao ve io faminaniana io sy ny mety ho vokatr’izy io aminao? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahatakatra an’io faminaniana lehibe ao amin’ny Baiboly io, mba handraisanao soa amin’izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Araka ny angano grika, dia i Gordias no nanorina an’i Gordion, renivohitr’i Frijia. Nafatony teo amin’ny tsato-kazo iray tao amin’io tanàna io ny kalesiny. Nataony fato-maty izany ka izay handresy an’i Azia ihany no hahavaha azy io.
b Jereo ilay andian-dahatsoratra hoe “Faminaniana Enina efa Tanteraka” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2011.
[Sary, pejy 12, 13]
Andriamanitra no nomen’i Josefa sy Daniela voninahitra rehefa nanazava faminaniana izy ireo