FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w11 1/12 p. 16-17
  • Ahoana no Hahaizana Mifidy Namana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hahaizana Mifidy Namana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no irinao mba ho sakaiza?
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
  • Fidio Tsara ny Namanao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Afaka ny ho Naman’i Jehovah Ianao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Tiavo ny Olona Tian’Andriamanitra
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
w11 1/12 p. 16-17

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra:

Ahoana no Hahaizana Mifidy Namana?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Nahoana isika no mila mifidy tsara izay ho namantsika?

Te hana-namana ny ankamaroantsika ka matetika izany no mahatonga antsika hanahaka ny olona mifanerasera amintsika. Tena misy vokany lehibe amin’ny fontsika ny namantsika. Arakarak’izay namana fidintsika àry no hahatonga antsika ho tsara na ho ratsy toetra.—Vakio ny Ohabolana 4:23; 13:20.

Nifidy tsara ny namany i Davida, mpanoratra Baiboly. Izay nanampy azy hanompo an’Andriamanitra foana no nataony namana. (Salamo 26:4, 5, 11, 12) Ninamana tamin’i Jonatana, ohatra, i Davida satria nampirisika azy hatoky an’i Jehovah izy.—Vakio ny 1 Samoela 23:16-18.

2. Inona no tokony hataonao raha te ho lasa naman’Andriamanitra ianao?

Afaka minamana amin’i Jehovah isika na dia izy aza no Mahery Indrindra. Lasa naman’Andriamanitra, ohatra, i Abrahama. Nataon’i Jehovah namana izy satria natoky sy nankatò azy. (Genesisy 22:2, 9-12; Jakoba 2:21-23) Ho lasa naman’i Jehovah koa isika, raha matoky azy sy manao izay asainy atao.—Vakio ny Salamo 15:1, 2.

3. Inona no soa horaisinao raha mana-namana tsara ianao?

Tsy mivadika ny tena namana sady manampy anao hanao ny tsara. (Ohabolana 17:17; 18:24) Tsy nivadika tamin’i Davida, ohatra, i Jonatana fa nanohana azy rehefa nofidin’Andriamanitra ho mpanjaka izy. Toa zokin’i Davida 30 taona anefa izy, sady izy no tokony handimby ny mpanjakan’ny Israely. Sahy manitsy anao koa ny tena namana raha hitany fa tsy mety ny ataonao. (Salamo 141:5) Hanampy anao hanana toetra tsara ny namana tia an’Andriamanitra.—Vakio ny 1 Korintianina 15:33.

Hahita olona tia ny tsara toa anao ianao any amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hahita namana hanampy anao hampifaly an’Andriamanitra koa ianao any.—Vakio ny Hebreo 10:24, 25.

Mety handiso fanantenana antsika anefa indraindray na dia ny namana tia an’Andriamanitra aza. Aza mora tezitra amin’izany anefa. (Mpitoriteny 7:9, 20-22) Tadidio fa mpanota daholo ny olona ary tena sarobidy ny namana tia an’Andriamanitra. Mampirisika antsika ny Baiboly mba hamela ny fahadisoan’ny Kristianina namantsika.—Vakio ny Kolosianina 3:13.

4. Ahoana raha misakana anao tsy hianatra Baiboly ny olona milaza fa namanao?

Olona maro no lasa toherin’ny namany, rehefa nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra. Tsy takatr’izy ireny angamba fa mahasoa ny torohevitry ny Baiboly ary azo antoka ny fampanantenana ao. Mety ho afaka hanampy azy ireny ianao.—Vakio ny Kolosianina 4:6.

Mety hanao tsinontsinona ny vaovao tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra koa ny olona milaza fa namanao. (2 Petera 3:3, 4) Mety haneso anao ny sasany noho ianao miezaka manao ny tsara. (1 Petera 4:4) Mety tsy maintsy hifidy àry ianao hoe ho naman’izy ireny sa ho naman’Andriamanitra. Mifidy ny namana tsara indrindra ianao raha Andriamanitra no ataonao namana.—Vakio ny Jakoba 4:4, 8.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 12, 19, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara