FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/2 p. 26-27
  • Nahoana ny Vahoakan’Andriamanitra no Milamina Tsara?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana ny Vahoakan’Andriamanitra no Milamina Tsara?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no Voalamina Tsara ny Vahoakan’Andriamanitra?
    Vaovao Tsara Natao ho Anao!
  • Voalamina mba hanompo an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ny fandaminan’Andriamanitra hita maso
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Manana Fandaminana ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/2 p. 26-27

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Nahoana ny Vahoakan’Andriamanitra no Milamina Tsara?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Ahoana no nandaminan’Andriamanitra ny Israelita?

Nalamin’Andriamanitra ho firenena iray ny taranak’i Abrahama ary nomeny fehezan-dalàna. Nantsoiny hoe Israely ilay firenena ary izy io no nasainy niaro ny fivavahana marina sy ny Teniny, dia ny Soratra Masina. (Salamo 147:19, 20) Nandray soa tamin’izany ny firenena rehetra tatỳ aoriana.—Vakio ny Genesisy 22:18.

Ny Israelita no nofidin’Andriamanitra ho vavolombelony. Nandray soa izy ireo rehefa nankatò ny lalàny. (Deoteronomia 4:6) Hahafantatra bebe kokoa an’Andriamanitra isika, raha mianatra ny tantaran’ny Israelita.—Vakio ny Isaia 43:10, 12.

2. Nahoana koa ny tena Kristianina ankehitriny no nalamina tsara?

Tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony tatỳ aoriana ny Israelita, ka ny fiangonana kristianina indray no nataony solony. (Matio 21:43; 23:37, 38) Ny Israelita no vavolombelon’i Jehovah taloha. Ny tena Kristianina kosa no vavolombelony amin’izao.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:14, 17.

Nalamin’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hitory momba an’i Jehovah sy hanao mpianatra ny firenena rehetra. (Matio 10:7, 11; 24:14; 28:19, 20) Efa kely sisa dia hifarana io asa io. Izay i Jehovah vao nampiray olona an-tapitrisany avy amin’ny firenena rehetra ho ao amin’ny fivavahana marina. (Apokalypsy 7:9, 10) Miara-miasa koa ny tena Kristianina ka mifampahery sy mifanampy. Mahazo fampianarana ara-baiboly mitovy izy ireo eran-tany any am-pivoriany.—Vakio ny Hebreo 10:24, 25.

3. Ahoana no nisian’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?

Tamin’ny taona 1870 mahery tany ho any no nanomboka nisy ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa ela talohan’io no tsy nisy nahalala ny fahamarinana resahin’ny Baiboly. Nisy antokon’olona vitsivitsy indray anefa nianatra Baiboly tamin’io ka lasa nahafantatra ny tena marina. Fantatr’izy ireo hoe nasain’i Jesosy hitory ny fiangonana kristianina. Niezaka àry izy ireo mba hitory ny Fanjakan’Andriamanitra eran-tany. Nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, tamin’ny 1931.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:8; 2:1, 4; 5:42.

4. Ahoana no fomba andaminana ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny?

Ny apostoly sy lehilahy matotra vitsivitsy atao hoe anti-panahy no nanome tari-dalana ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Filan-kevi-pitantanana no niantsoana azy ireo. Nanaiky an’i Jesosy ho Lohan’ny fiangonana izy ireo, ary nandray soa avy tamin’ny tari-dalany ny fiangonana. (Asan’ny Apostoly 16:4, 5) Misy Filan-kevi-pitantanana koa ankehitriny manome toromarika sy fanampiana avy ao amin’ny Baiboly, ary anti-panahy za-draharaha maromaro no anisan’izy io. Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny fiangonana maherin’ny 100 000 no mandray soa avy amin’izany. Manaiky an’i Jesosy ho Mpitarika ihany koa izy ireo. (Matio 23:9, 10) Misy anti-panahy na mpiandraikitra, eo anivon’ny fiangonana tsirairay, mikarakara amim-pitiavana ny vahoakan’Andriamanitra.—Vakio ny 1 Petera 5:2, 3.

Miara-miasa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitory ny vaovao tsara sy hanao mpianatra. Mandika sy manao pirinty ary mizara boky sy gazety ara-baiboly amin’ny fiteny 500 mahery izy ireo, mba hanampiana ny olona eran-tany. Mitory isan-trano toy ny nataon’ny apostoly izy ireo, ary mampianatra Baiboly an’ireo tena tia ny fahamarinana. (Asan’ny Apostoly 20:20) Miezaka mampifaly an’Andriamanitra sy manampy ny hafa izy ireo, ka lasa vahoaka milamina sy sambatra.—Vakio ny Salamo 33:12; Asan’ny Apostoly 20:35.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 19, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara