Poizina Manimba ny Saina ny Fitsiriritana
Samy voan’io poizina manimba io, na ilay mpitondra frantsay atao hoe Napoléon Bonaparte, na ilay mpanjaka romanina atao hoe Jules César, na ilay mpitondra grika antsoina hoe Aleksandra Lehibe. Nitsiriritra ny hafa izy ireo, na dia efa nanana fahefana be sy nalaza aza.
Hoy ny filozofa anglisy iray: “Nitsiriritra te hitovy amin’i César i Napoléon. I César indray te hitovy amin’i Aleksandra, ary mino aho fa i Aleksandra te hitovy amin’i Hercule, izay olona tsy tena nisy akory.” Mety hitsiriritra daholo àry ny olona, na efa mpanefohefo izy, na manam-pahaizana be, ary na efa mahomby aza izy amin’izay ataony.
Matetika ny olona no mitsiriritra na mialona ny hafa, noho ny zavatra ananany, na ny harenany, na ny soa hafa azony. Milaza ny boky iray fa ny hoe “mitsiriritra” na “mialona” ao amin’ny Baiboly, dia mety hidika hoe te hahazo izay ananan’ny hafa. Mety hidika koa anefa izy io hoe sady sorena mahita an’ilay olona manana an’ilay zavatra, no te hanaisotra an’ilay izy eny aminy.
Ilaintsika àry ny mandinika hoe inona no mety hahatonga antsika hialona na hitsiriritra, ary inona no vokatr’izany. Tena ilaintsika koa ny mahalala ny fomba hifehezana an’io fihetseham-po io.
INONA NO TENA MAMPIRONGATRA AN’ILAY TOETRA RATSY?
Mora ‘mitsiriritra’ na mialona ny olombelona tsy lavorary. (Jak. 4:5) Misy zavatra maromaro anefa manaitra an’io toetra ratsy io. Nilaza iray amin’izany ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Aoka isika tsy hirehareha ka hampisy fifaninanana sy fifampialonana.” (Gal. 5:26) Mora tonga ao amintsika àry ny fialonana, raha tia mifaninana isika. Nahatsapa an’izany i Cristina,a izay mpisava lalana maharitra.
Hoy izy: “Mitsiriritra izay ananan’ny hafa aho matetika, ka jereko hoe inona no ananany nefa tsy ananako.” Niara-nisakafo tamin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny i Cristina, indray mandeha. Hitany hoe mitovitovy taona amin’io mpivady io izy sy Eric vadiny, ary nitovy ny tombontsoam-panompoan-dry zareo taloha, ka hoy izy: “Samy anti-panahy nitovy ihany ianao sy ny vadiko, nefa nahoana ianareo no lasa mpiandraikitra ny faritra, fa izahay tsisy dikany?” Noho izy tia mifaninana, dia nanjary nitsiriritra, ka tsy hitany intsony ny zavatra tsara vitan’izy mivady, ary lasa tsy afa-po izy.
I José indray naniry ho mpanampy amin’ny fanompoana. Nisy rahalahy maromaro voatendry taorian’izay, nefa tsy voatendry izy. Nanjary nialona an’ireo rahalahy ireo àry izy, ary tsy tia an’ilay anti-panahy mpandrindra. Niaiky izy hoe: “Nanjary nankahala an’ilay anti-panahy aho, ary nieritreritra hoe ratsy saina izy. Tsapako hoe rehefa avela hibahana ao am-po ny fialonana, dia tonga ny fitiavan-tena ka lasa tsy mieritreritra tsara intsony.”
OHATRA AVY AO AMIN’NY BAIBOLY
Misy ohatra maro momba ny fitsiriritana ao amin’ny Baiboly. (1 Kor. 10:11) Hita amin’izy ireny hoe inona no mahatonga ny olona hanana an’io toetra io, ary inona no vokany rehefa avela hibaiko izy io.
Eritrereto i Kaina, lahimatoan’i Adama sy Eva. Tezitra izy satria nankasitrahan’i Jehovah ny fanatitr’i Abela rahalahiny, fa ny azy tsy nankasitrahany. Afaka nanitsy tena izy, nefa tsy nanao izany. Nanjary nirehitra tao anatiny ny fialonana, ka namono ny rahalahiny izy tamin’ny farany. (Gen. 4:4-8) Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe “avy tamin’ilay ratsy [Satana]” i Kaina.—1 Jaona 3:12.
Eritrereto koa ny rahalahin’i Josefa. Nialona an’i Josefa ny folo tamin’izy ireo, satria tena tian’ny rainy izy. Vao mainka nankahala azy izy ireo, rehefa notantarainy ny nofiny, izay faminaniana raha ny marina. Nanjary te hamono an’i Josefa mihitsy aza izy ireo, ka vitany ny nivarotra azy ho andevo, sady namitaka ny rainy hoe maty i Josefa. (Gen. 37:4-11, 23-28, 31-33) Niaiky toy izao izy ireo, taona maro tatỳ aoriana: “Tena meloka tokoa isika noho izay nataontsika tamin’ny rahalahintsika, satria hitantsika ny fahoriany rehefa nitalaho mafy tamintsika izy mba hangoraka azy, nefa tsy nihaino isika.”—Gen. 42:21; 50:15-19.
Andraisantsika lesona koa ny nataon’i Kora sy Datana ary Abirama. Nampitaha ny andraikiny tamin’ny andraikitr’i Mosesy sy Arona izy ireo, ka nanjary nialona. Nilaza ireo mpikomy ireo fa miseho ho ambony i Mosesy, ary ‘manjakazaka toy ny andriana.’ (Nom. 16:13) Diso anefa izany. (Nom. 11:14, 15) I Jehovah no nanendry an’i Mosesy. Nialona an’i Mosesy ireo mpikomy ireo ary te hahazo ny andraikiny, ka noringanin’i Jehovah tamin’ny farany.—Sal. 106:16, 17.
Hitan’i Solomona Mpanjaka koa fa mahatonga ny olona hahavita zavatra faran’izay ratsy ny fitsiriritana. Maty ny zanaky ny vehivavy iray vao tera-bao, ka nofitahiny ny vehivavy iray hoe ny zanak’izy io no maty. Vitan’io mpandainga io mihitsy ny nilaza teny amin’ny fitsarana hoe aleo hovonoina ilay zaza velona. Tsy nanaiky anefa i Solomona, fa nomeny an’ilay tena reniny ilay zaza.—1 Mpanj. 3:16-27.
Mety ho loza tokoa ny vokatry ny fitsiriritana. Hitantsika amin’ireo ohatra ireo, fa mety hahatonga antsika hankahala olona ilay izy, na hahatonga antsika hanao ny tsy rariny, na hamono olona mihitsy. Mariho koa fa tsy manan-tsiny ny olona niharan’ilay izy. Inona àry no azontsika atao mba tsy hahatonga antsika hobaikoin’ny fitsiriritana? Inona no fanafodin’io poizina manimba io?
FANAFODY TENA MAHERY
Ampitomboy ny fitiavanao an’ireo rahalahy sy anabavy. Hoy ny apostoly Petera: “Nanadio ny fiainanareo ianareo rehefa nankatò ny fahamarinana, ka ny vokatr’izany, dia fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy, ary koa fifankatiavana fatratra amin’ny fo.” (1 Pet. 1:22) Fa inona tokoa moa no atao hoe fitiavana? Hoy ny apostoly Paoly: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany.” (1 Kor. 13:4, 5) Ho voafehintsika ny fialonana ao am-pontsika, raha manana an’io fitiavana io isika. (1 Pet. 2:1) ‘Tia an’i Davida toy ny tenany’ i Jonatana, ka tsy nialona azy.—1 Sam. 18:1.
Miaraha amin’ny mpanompon’i Jehovah. Nitsiriritra ny fiainan’ny mpanao ratsy ny mpanoratra ny Salamo faha-73, satria hoatran’ny hoe niadana sy tsy nanana olana izy ireo. Vitany anefa ny nifehy an’izany fihetseham-po ratsy izany, rehefa nandeha tany amin’ny “toerana masin’Andriamanitra” izy. (Sal. 73:3-5, 17) Nanjary tsapany ireo fitahiana azony amin’ny fifandraisany akaiky tamin’i Jehovah, rehefa niaraka tamin’ny mpiray finoana izy. (Sal. 73:28) Ho tsapantsika koa izany, rehefa miaraka tsy tapaka amin’ireo mpiray finoana, any am-pivoriana, isika.
Manaova ny tsara. Rehefa hitan’i Jehovah hoe nialona sy nankahala ny rahalahiny i Kaina, dia hoy izy: ‘Miovà ka manaova ny tsara.’ (Gen. 4:7) Inona no atao hoe “manao ny tsara” amin’ny Kristianina? Hoy i Jesosy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo”, sy hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Mat. 22:37-39) Mahatsiaro ho afa-po isika, rehefa mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah sy manampy olona. Manampy antsika hiady amin’ny fialonana izany. Mahazo “ny fitahian’i Jehovah” koa isika rehefa miezaka mafy mitory sy mampianatra.—Ohab. 10:22.
“Miaraha mifaly amin’izay mifaly.” (Rom. 12:15) Faly i Jesosy rehefa nahita vokatra tsara ny mpianany teny amin’ny fanompoana. Nilaza koa izy hoe hahavita asa lehibe noho izy izy ireo, eo amin’ny fitoriana. (Lioka 10:17, 21; Jaona 14:12) Vahoaka tafaray ny mpanompon’i Jehovah, ka faly isika rehetra rehefa mahavita asa tsara ny iray amintsika. (1 Kor. 12:25, 26) Tsy tokony ho faly àry ve isika, rehefa misy mahazo andraikitra bebe kokoa? Izany no tokony hataontsika, fa tsy hialona.
TSY MORA ILAY ADY!
Mila miady mafy foana isika, mba handresy ny fitsiriritana. Hoy i Cristina: “Mbola mora mitsiriritra aho hatramin’izao. Tena tsy tiako ilay izy, nefa mitranga foana. Mila miady amin’izy io foana aho.” Toy izany koa no tsapan’i José, ka hoy izy: “Nanampy ahy i Jehovah mba hahita ny toetra tsaran’ilay anti-panahy mpandrindra. Tena nanampy ahy ny fifandraisana tsara tamin’i Jehovah.”
Anisan’ny “asan’ny nofo” ny fitsiriritana, ary mila miady amin’izy io ny Kristianina rehetra. (Gal. 5:19-21) Ho sambatra kokoa isika, sady hampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra, raha tsy mamela an’io toetra io hibaiko antsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ireo anarana.
[Teny notsongaina, pejy 17]
“Miaraha mifaly amin’izay mifaly”