FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 1/11 p. 6-7
  • Fanontaniana 2: Hanao Ahoana Aho Rehefa Maty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontaniana 2: Hanao Ahoana Aho Rehefa Maty?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Mankaiza ny Olona Rehefa Maty?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • “Ho Foana Mandrakizay ny Fahafatesana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Manantena inona ny olon-tiana nodimandry?
    Manantena inona ny olon-tiana nodimandry?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 1/11 p. 6-7

Fanontaniana 2: Hanao Ahoana Aho Rehefa Maty?

MATY tamin’ny lozam-pifamoivoizana ny naman’i Roman tamin’izy ireo samy mbola kely. Hoy izy: “Nisy vokany be tamiko ny nahafatesan’ilay namako. Nieritreritra foana aho, nandritra ny taona maro, hoe hanao ahoana isika rehefa maty.”

Nahoana ny olona no manontany an’izany?

Tsy natao ho faty isika. Tsy te ho faty isika na firy taona na firy taona. Be dia be no matahotra hoe hanao ahoana izy rehefa maty.

Inona no lazain’ny olona sasany?

Maro no mino fa mbola velona ny fanahy rehefa maty ny olona. Hankany an-danitra, hono, ny tsara fanahy, fa hosazina mandrakizay kosa ny ratsy fanahy. Misy kosa mieritreritra hoe tsy hisy intsony ny olona rehefa maty, ary ho hadino hatreo ny aminy.

Inona no dikan’izany?

Raha ilay hevitra voalohany no jerena, dia hoatran’ny hoe tsy tena maty ny olona maty. Raha ilay faharoa kosa, dia toa hoe tsy misy dikany ny fiainana. Mety ho izao ny toe-tsain’ny olona mieritreritra toy izany: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.”—1 Korintianina 15:32.

Inona no lazain’ny Baiboly?

Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe misy fanahy mbola velona ao amin’ny olona rehefa maty izy. Izao kosa no nasain’Andriamanitra nosoratan’i Solomona Mpanjaka: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5) Tsy mahalala izay mitranga manodidina azy ny maty. Tsy mahatsapa na inona na inona izy sady tsy afaka manao zavatra. Tsy afaka manampy na mampijaly ny velona àry ny maty.

Tsy noforonin’Andriamanitra mba ho faty ny olombelona. Nataony ho afaka hiaina mandrakizay teto an-tany i Adama, ilay lehilahy voalohany. Tsy niresaka momba ny fahafatesana mihitsy izy raha tsy tamin’izy nilaza izay ho sazin’i Adama raha tsy mankatò. Nisy voankazo tsy navelany nohaniny mantsy tamin’izay, fa raha mihinana izy dia “ho faty.” (Genesisy 2:17) Raha nankatò an’Andriamanitra foana i Adama sy Eva, dia ho afaka niaina mandrakizay teto an-tany izy sy izay taranany nankatò.

Tsy niraharaha ny tenin’Andriamanitra i Adama. Nanota izy rehefa tsy nankatò ka maty. (Romanina 6:23) Tsy hoe mbola velona akory ny fanahiny rehefa maty izy. Tsy nisy intsony kosa izy. Hoy Andriamanitra taminy: “Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina, mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.” (Genesisy 3:19) Taranak’i Adama isika rehetra ka lasa mpanota sy maty koa.—Romanina 5:12.

Tian’Andriamanitra hameno ny tany anefa ny taranak’i Adama, ka tsy maintsy hotanterahiny izany na nanota aza i Adama. (Genesisy 1:28; Isaia 55:11) Kely sisa dia hatsangan’i Jehovah ny ankamaroan’ny maty. Hoy ny apostoly Paoly: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly 24:15.

Nianatra Baiboly i Roman, ilay noresahina teny am-piandohana. Lasa fantany izao ny marina momba ny fahafatesana sy momba an’i Jehovah Andriamanitra. Nisy vokany taminy izany. Ao amin’ny pejy 11 amin’ity gazety ity ny tantarany.

Manazava bebe kokoa hoe manao ahoana ny olona rehefa maty, ny toko 6 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Azo alaina koa izany amin’ny www.jw.org/mg

Inona no Nolazain’i Jesosy Momba ny Fahafatesana?

Nilaza ny mpitondra fivavahana sasany tamin’ny andron’i Jesosy fa tsy hitsangana ny maty. (Lioka 20:27) Tsy nitovy hevitra tamin’izy ireo i Jesosy, sady tsy nampianatra hoe manana fanahy mbola velona ny olona rehefa maty. Izao kosa no nampianariny:

Toy ny torimaso ny fahafatesana. Hoy i Jesosy rehefa maty i Lazarosy: “Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.” Tsy azon’ny mpianany izay tiany holazaina, ka hoy izy ireo: “Tompo ô, ho sitrana izy raha matory.” Hoy ny Baiboly: “Ny fahafatesany anefa no nolazain’i Jesosy, fa ireo kosa nihevitra hoe ny fialan-tsasatra amin’ny torimaso. Tamin’izay, dia notsorin’i Jesosy hoe: ‘Maty i Lazarosy.’ ”—Jaona 11:11-14.

Hatsangana ny maty. Nankany an-tanànan’i Lazarosy i Jesosy ary nampahery an’i Marta, hoe: “Hitsangana ny anadahinao.” Hoy i Jesosy avy eo: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” Tsy fampanantenana poakaty fotsiny izany. Natsangan’i Jesosy i Lazarosy na dia efa maty efatra andro aza. Maro ny olona nanatri-maso izany.—Jaona 11:23, 25, 38-45.

Niteny tamin’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana koa i Jesosy fa hitsangana ny maty. Nilaza izy fa hafahany izay maty nogejain’ny fahafatesana.—Apokalypsy 20:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara