FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w13 15/2 p. 13-16
  • Nandre ny Vaovao Tsara ny Mpiambina ny Mpanjaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nandre ny Vaovao Tsara ny Mpiambina ny Mpanjaka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NITORY “TSY NISY FANAKANTSAKANANA” I PAOLY
  • NITORIAN’I PAOLY NA NY MADINIKA NA NY LEHIBE
  • AZA MATAHOTRA “MITORY NY TENIN’ANDRIAMANITRA”
  • Mpiambina An’i Kaisara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • ‘Nitory Tamin’ny Fomba Feno’ Izy
    ‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
  • Fizarana 6: Roma: Herim-panjakana Fahenina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mpiambina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
w13 15/2 p. 13-16

Nandre ny Vaovao Tsara ny Mpiambina ny Mpanjaka

Taona 59 tamin’izay. Tonga tao Roma ny voafonja maromaro nentin’ilay manamboninahitra atao hoe Jolio sy ireo miaramilany efa trotraky ny dia. Teo amin’ny vavahady antsoina hoe Porta Capena izy ireo no niditra, ary nahatazana ny Havoanan’i Palatin. Teo amin’io havoana io no nisy ny lapan’i Néron Mpanjaka, izay ambenan’ny miaramila manokana, manana sabatra miafina any anaty akanjony.a Nandalo ny Tsenan’i Roma ireo gadra avy eo, ary nianika ny Havoanan’i Viminal. Nandalo teo amin’ny zaridaina iray feno alitaran’ireo andriamanitra romanina izy ireo taorian’izay, ary nandalo tamin’ny toerana fanaovan’ny miaramila matso.

Sary sokitra mampiseho ny Mpiambina ny Mpanjaka. Angamba io sary io eo amin’ny Andohalambon’i Klaodio, naorina tamin’ny taona 51

Anisan’ireo voafonja ny apostoly Paoly. Tratran’ny tafio-drivotra teny ambony sambo izy volana vitsivitsy talohan’izay, ary nisy anjely nilaza taminy hoe: “Tsy maintsy mijoro eo anatrehan’i Kaisara ianao.” (Asa. 27:24) Hijoro eo anatrehan’i Kaisara tokoa ve izy? Nitazana ny manodidina izy rehefa tonga tao Roma. Angamba tsaroany tamin’izay ny tenin’i Jesosy taminy tao amin’ny Tilikambon’i Antonia, tao Jerosalema hoe: “Mahereza! Fa toy ny nanazavanao tsara ny momba ahy teto Jerosalema no tsy maintsy hitorianao ny teny any Roma koa.”—Asa. 23:10, 11.

Mety ho nijanona kely i Paoly mba hijery an’ilay toby miaramila nantsoina hoe Castra Praetoria, izay toerana ngezabe voahodidina manda misy tilikambo. Tao no nisy an’ireo miaramila mpiambina ny mpanjaka sy ireo miaramila mpitandro ny filaminana. An’arivony maro izy ireo no nipetraka tao, satria nisy andianab miaramila mpiambina 12 tao, sady nisy andiana miaramila mpitandro ny filaminana maromaro, anisan’izany ny mpitaingin-tsoavaly. Hita amin’io toby miaramila io fa tena natanjaka ny fanjakana romanina. Ny mpiambina ny mpanjaka no niandraikitra ny voafonja avy any amin’ny faritany, ka nentin’i Jolio nankany amin’io toby io ry Paoly. Tongan’i Jolio tany Roma ihany izy ireo, rehefa avy nanao dia sarotra nandritra ny volana maromaro.—Asa. 27:1-3, 43, 44.

NITORY “TSY NISY FANAKANTSAKANANA” I PAOLY

Nisy zavatra nahatalanjona nandritra ilay dia sarotra. Nahazo fahitana avy tamin’Andriamanitra i Paoly hoe tsy ho faty izy sy ireo iray sambo taminy, na dia vaky aza ny sambon’izy ireo. Tsy nahafaty an’i Paoly koa ny kaikitry ny bibilava iray. Nihevitra azy ho andriamanitra koa ny mponina tao amin’ny nosy Malta, satria nositraniny izay olona narary tao. Mety ho niely be ireo vaovao ireo teo amin’ireo mpiambina ny mpanjaka, izay ninonino foana.

Nisy rahalahy avy any Roma tonga ‘nitsena an’i Paoly tany amin’ny Tsenan’i Apio sy ny Tranombahiny Telo’, ka vao mainka izy vonona hitory tany Roma. (Asa. 28:15; Rom. 1:14, 15) Ahoana anefa no hataony satria gadra izy? Misy mihevitra fa nentina tany amin’ny kapitenin’ny miaramila mpiambina aloha ireo voafonja. Raha izany no izy, dia mety ho nentina tany amin’i Afranius Burrus, Mpiadidy ny Mpiambina, i Paoly. Izy io angamba no nanana fahefana nanarakaraka ny mpanjaka.c Na ahoana na ahoana, dia tsy manamboninahitra no niambina an’i Paoly fa miaramila mpiambina tsotra. Navela hanofa trano i Paoly, ary navela hisy hitsidika izy, ka afaka nitory “tsy nisy fanakantsakanana.”—Asa. 28:16, 30, 31.

Ny Mpiambina ny Mpanjaka Tamin’ny Andron’i Néron

Vola tamin’ny taonjato voalohany, mampiseho ny tobin’ireo miaramila mpiambina ny mpanjaka

Nanao voady ny Mpiambina ny Mpanjaka hoe hiaro ny mpanjaka sy ny fianakaviany. Nitondra saina misy ny mariky ny mpanjaka izy ireo rehefa nandeha niady, sady nitondra ampinga misy sarina maingoka famantarana ny tononandron’i Tiberio Kaisara. Nanampy ny mpamono afo koa izy ireo, ary nitandro ny filaminana tany amin’ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena sy teatra. Nisy andiany maromaro ireo miaramila ireo, ary manamboninahitra no nifehy azy. Niasa 16 taona izy ireo, fa tsy 25 taona toy ny miaramila tsotra. Intelon’ny karaman’ny miaramila tsotra anefa ny karamany, nahazo tombontsoa maro izy ireo, ary nahazo vola be rehefa nisotro ronono. Ireo miaramila ireo no nasaina nampijaly sy namono ny voafonja, ka ireo ihany angamba no namono an’i Paoly tamin’izy nigadra fanindroany, na dia niezaka mafy aza i Paoly mba hahatonga azy ireo ho voavonjy.—2 Tim. 4:16, 17.

Courtesy Classical Numismatic Group, Inc./cngcoins.com

NITORIAN’I PAOLY NA NY MADINIKA NA NY LEHIBE

Rindrin’ny Castra Praetoria ankehitriny

Mety ho namotopototra an’i Paoly i Burrus, talohan’ny hitondrana azy teo anoloan’i Néron. Tao an-dapan’ny mpanjaka angamba izy no nanao izany, na tany amin’ny toby miaramila. Nanararaotra nitory tamin’io manam-pahefana io i Paoly tamin’izay. (Asa. 26:19-23) Tsy fantatra na nihevitra an’i Paoly ho meloka i Burrus na tsia, fa ny azo antoka dia hoe tsy nogadrainy tao amin’ilay fonja tao amin’ny toby izy.d

Lehibe ilay trano nohofain’i Paoly, ka afaka nandray an’ireo “lohandohan’ny Jiosy” sy ny olona maro hafa izy, ary nitory tamin’izy ireo. Azo inoana koa fa ren’ireo miaramila mpiambina ny tenin’i Paoly, rehefa “nanazava tsara” tamin’ny Jiosy ny momba an’i Jesosy sy ilay Fanjakana izy, ‘nanomboka maraina ka hatramin’ny hariva.’—Asa. 28:17, 23.

Henon’ny miaramila niambina azy ny teny nasain’i Paoly nosoratana

Niova isan’andro ny andiana miaramila mpiambina tao amin’ny lapan’ny mpanjaka. Niova isan’andro koa ny mpiambina an’i Paoly, nandritra ireo roa taona nigadrany. Miaramila maro àry no nandre azy nanonona an’ireo taratasiny ho an’ny Efesianina, Filipianina, Kolosianina, ary Hebreo. Hitan’izy ireo koa ny nanoratan’i Paoly ho an’ny Kristianina iray atao hoe Filemona. Hitan’i Paoly tao am-pigadrana ny andevon’izy io atao hoe Onesimosy. Nitsoaka izy io ary nentin’i Paoly toy ny ‘zanany naterany’, ary nasainy niverina any amin’i Filemona. (Filem. 10) Azo inoana koa hoe niahy an’ireo niambina azy i Paoly. (1 Kor. 9:22) Mety ho nanontany azy ireo izy hoe inona no ilana ny fitaovana tsirairay teny amin’izy ireo, ary nampiasainy tamin’ny fanoharana izany avy eo.—Efes. 6:13-17.

AZA MATAHOTRA “MITORY NY TENIN’ANDRIAMANITRA”

Nifandray tamin’ny mpanjaka sy ny olona nanerana ny Fanjakana Romanina ireo miaramila mpiambina ny mpanjaka. Nifandray tamin’ny ankohonan’ny mpanjaka koa izy ireo, izany hoe tamin’ny fianakaviany sy ny mpanompony ary ny andevony. Tsy ireo miaramila irery àry no afaka nandre ny fahamarinana, fa olona maro hafa koa. Nisy tamin’izy ireny aza lasa Kristianina. (Fil. 4:22) “Nampandroso ny vaovao tsara” tokoa ny fanagadrana an’i Paoly. (Fil. 1:12, 13) Nanampy an’ireo rahalahy tao Roma koa ny fahasahian’i Paoly, mba tsy hatahotra ‘hitory ny tenin’Andriamanitra.’—Fil. 1:14.

Mety hihaino antsika ireo olona mifanerasera amintsika, na inona na inona toe-javatra misy antsika

Mampahery antsika koa ny fitorian’i Paoly tany Roma, satria mitory isika “na amin’ny mora na amin’ny sarotra.” (2 Tim. 4:2) Misy amintsika tsy afaka mivoaka ny trano, satria mipetraka any amin’ny trano fitaizana be antitra, na niditra hopitaly, na migadra mihitsy aza noho ny finoantsika. Afaka mitory amin’ireo olona tonga ao amintsika anefa isika, angamba amin’ireo mitsidika antsika na mikarakara antsika. Raha be herim-po isika ka mitory foana isaky ny mahita hirika, dia hasehontsika amin’izany fa ‘tsy voafatotra ny tenin’Andriamanitra.’—2 Tim. 2:8, 9.

Sextus Afranius Burrus

Takela-bato misy ny anaran’i Sextus Afranius Burrus

Tany Vaison-la-Romaine, faritra atsimon’i Frantsa, angamba i Burrus no teraka, satria misy takela-bato misy ny anarany hita tany tamin’ny 1884. Tamin’ny taona 51 izy no lasa Mpiadidy ny Mpiambina ny Mpanjaka. Ny vadin’i Klaodio Kaisara no nanendry azy, izay antsoina hoe Agrippine Zandriny. Sady vadin’i Klaodio izy io, no zanaky ny iray tam-po aminy. Nampian’i Agrippine i Néron zanany mba hahay ny asan’ny mpanjaka, ka i Burrus sy Sénèque no nasainy nampianatra azy. Miaramila nohajaina i Burrus, ary nampianatra an’i Néron hiady. Filozofa kosa i Sénèque, ary izy no nanampy an’i Néron mba hitombo fahalalana. Nasain’i Agrippine nopoizinina i Klaodio vadiny, tatỳ aoriana. Mbola tsy voalaza akory hoe maty i Klaodio, dia efa nentin’i Burrus tany amin’ny Castra Praetoria i Néron, ary nasainy nambaran’ireo miaramila mpiambina fa izy no mpanjaka. Tsy maintsy nanaiky àry ny Antenimieran-doholona. Nasain’i Néron novonoina ny reniny tamin’ny taona 59, ka i Burrus no nanarontsarona an’ilay izy. Nilaza i Suétone sy Cassius Dion, mpahay tantara romanina, fa nopoizinin’i Néron i Burrus, tamin’ny taona 62.

Musée Calvet Avigno

a Jereo ilay efajoro hoe “Ny Mpiambina ny Mpanjaka Tamin’ny Andron’i Néron.”

b Mety hahatratra 1 000 ny isan’ny miaramila ao anatin’ny andiany iray.

c Jereo ilay efajoro hoe “Sextus Afranius Burrus.”

d Nogadrain’i Tiberio Kaisara tao i Heroda Agripa tamin’ny taona 36 na 37, satria nilaza i Heroda fa tiany raha lasa mpanjaka i Caligula. Nataon’i Caligula mpanjakan’i Jodia i Heroda rehefa lasa mpanjaka izy.—Asa. 12:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara