FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w13 1/4 p. 3
  • Mety Hisy Dikany Ihany ve ny Fiainana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety Hisy Dikany Ihany ve ny Fiainana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Tahafo i Jesosy dia ho Afa-po Amin’ny Fiainana Ianao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Fiainana Misy Dikany Dieny Izao ka ho Mandrakizay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Lalina ve ny vavaka ataonao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mpisava Lalana Be Herim-po
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
w13 1/4 p. 3

MATOAN-DAHATSORATRA: TE HANANA FIAINANA MAHAFA-PO VE IANAO?

Mety Hisy Dikany Ihany ve ny Fiainana?

“Fitopolo taona no androm-piainanay, ary raha tena matanjaka izahay, ka mahatratra valopolo taona, dia indrisy fa feno zava-tsarotra sy fijaliana izany!” —Salamo 90:10.

FENO “zava-tsarotra sy fijaliana” ny fiainana, ka mety hieritreritra ianao hoe: ‘Mety hisy dikany ihany ve ny fiainana?’

Eritrereto i Maria, 84 taona. Navitribitrika foana izy, nefa tsy afaka mandeha irery intsony izy izao rehefa hivoaka ny trano. Mbola te hanao zavatra be dia be izy fa tsy maharaka intsony ny vatany. Ara-dalàna àry raha mieritreritra izy hoe tsy misy dikany ny fiainany.

Ianao koa angamba indraindray mahatsapa hoe tsy misy dikany firy ny fiainanao. Mety ho tsy miova mihitsy, ohatra, ny asanao any am-piasana ka mandreraka sy mankaleo be anao. Tsy misy mahamarika akory aza angamba hoe miasa mafy ianao. Na efa metimety aza anefa izao ny fiainanao, dia mety hanahy ihany ianao hoe hanao ahoana ny hoavinao. Mahatsiaro ho irery na kivy be koa angamba ianao indraindray, na miady lava ianareo ao an-trano. Nisy olona akaiky anao nindaosin’ny fahafatesana koa angamba. Hoatr’izany no nahazo an’i André. Mpinamana be izy sy ny dadany, nefa narary tampoka ilay dadany ka maty. Tena mafy tamin’i André izany satria lasa nisy banga ny fiainany. Nieritreritra izy fa tsy ho zakany mihitsy izany.

Mety hisy dikany ihany àry ve ny fiainana? Na inona na inona manjo anao, dia tena mila fantarinao ny valin’izany. Andeha isika handinika ny fiainan’i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany, 2 000 taona lasa teo ho eo izay. Niatrika zava-tsarotra be dia be izy, nefa tsy nahatsiaro mihitsy hoe tsy nisy dikany ny fiainany. Tsy hahatsapa an’izany koa isika raha manahaka azy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara