FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w13 1/4 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Baiboly — Boky Iray Natao ho Azo ny Heviny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ahoana no Ihainoantsika An’Andriamanitra?
    Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
  • Tsy Maninona ve Raha Diso Fandray Hevitra Isika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Nahoana Isika no Mila Mihaino Izay Lazain’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
w13 1/4 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Sarotra be ve ny mahazo izay lazain’ny Baiboly?

Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Toy ny taratasy avy amin’ny ray be fitiavana izy io. (2 Timoty 3:16) Lazain’Andriamanitra ao hoe inona no azontsika atao mba hampifaliana azy, nahoana no avelany hisy ny fijaliana, ary inona no hataony ho antsika amin’ny hoavy. Nandika vilana ny Baiboly anefa ny mpitondra fivavahana, ka lasa be dia be no mihevitra fa tsy ho azo mihitsy izay lazain’izy io.—Asan’ny Apostoly 20:29, 30.

Tian’i Jehovah Andriamanitra hahafantatra ny marina momba azy kosa isika, ka nataony mora azo ny Baiboly.—Vakio ny 1 Timoty 2:3, 4.

Inona no hanampy anao hahazo izay lazain’ny Baiboly?

Tsy nanome ny Baiboly fotsiny i Jehovah fa manampy antsika hahazo izay voalaza ao koa. Naniraka an’i Jesosy izy mba hampianatra antsika. (Lioka 4:16-21) Nanonona andinin-teny foana i Jesosy rehefa nampianatra, mba hahazoan’ny olona ny Soratra Masina.—Vakio ny Lioka 24:27, 32, 45.

I Jesosy no nanomboka ny asa fitoriana, ary nanorina ny fiangonana kristianina izy mba hanohy an’io asa io. (Matio 28:19, 20) Manampy ny olona hahazo izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra koa ny tena mpanara-dia an’i Jesosy ankehitriny. Vonona hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah raha te hahazo izay lazain’ny Baiboly ianao.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:30, 31.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara