FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w13 1/5 p. 15
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Hamela ny Heloko ve Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Andriamanitra “Vonona Hamela Heloka” Izy
    Manatòna An’i Jehovah
  • Manadino ny Heloka Navelany ve Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Jehovah, Andriamanitra “Vonona Hamela Heloka”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
w13 1/5 p. 15

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Afaka mahazo famelan-keloka ve isika?

Tsy hoe sarotra loatra ny miezaka hahazo sitraka amin’Andriamanitra

Milaza ny Baiboly fa mpanota daholo ny olona rehetra. Nandova ota avy tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany, isika ka mora manota. Lasa manao ratsy isika indraindray ary manenina avy eo. Maty ho antsika anefa i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, mba hanonerana ny fahotantsika. Afaka mahazo famelan-keloka àry isika noho io sorom-panavotana io. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.—Vakio ny Romanina 3:23, 24.

Nanao fahotana lehibe ny olona sasany ka lasa misalasala raha hamela azy ihany Andriamanitra. Soa ihany fa milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.” (1 Jaona 1:7) Avelan’i Jehovah foana na dia ny fahotana lehibe aza raha tena mibebaka ilay nanao ratsy.—Vakio ny Isaia 1:18.

Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ho voavela ny helotsika?

Raha tiantsika havelan’i Jehovah Andriamanitra ny helotsika, dia tokony hianatra momba azy isika. Mila mahafantatra ny fomba fanaovany zavatra isika, ny toroheviny, ary ny zavatra takiny amintsika. (Jaona 17:3) Vonona hamela ny helok’izay tena mibebaka sy miezaka miova i Jehovah.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:19.

Tsy hoe sarotra loatra ny miezaka hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Fantatr’i Jehovah tsara ny fahalementsika. Tsara fanahy sy mamindra fo koa izy. Tsy tianao àry ve ny hianatra bebe kokoa hoe ahoana no hampifaliana azy?—Vakio ny Salamo 103:13, 14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara