FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w13 1/8 p. 3-7
  • Tena Manimba ve ny Sary Vetaveta?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Manimba ve ny Sary Vetaveta?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no vokatry ny sary vetaveta eo amin’ny olona?
  • Inona no vokatry ny sary vetaveta eo amin’ny fianakaviana?
  • Inona no hevitr’Andriamanitra momba ny sary vetaveta?
  • Inona no Hanampy Ahy Tsy Hijery Sary Vetaveta?
    Mifohaza!—2007
  • Ny Loza Ateraky ny Boky sy Sary Vetaveta
    Mifohaza!—2003
  • Nahoana Aho no Tsy Tokony Hijery Sary Vetaveta?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Nahoana Aho no Tsy Tokony Hijery Sary Vetaveta?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
w13 1/8 p. 3-7

MATOAN-DAHATSORATRA

Tena Manimba ve ny Sary Vetaveta?

Miely patrana izao ny sary vetaveta.a Mety hahitana azy ireny ny dokam-barotra, boky misy lamaody, filma, hirahira, gazetiboky, tele, lalao video, Internet, ary finday sy fitaovana elektronika hafa. Toa tsy mampaninona ny olona ny mijery sary vetaveta. Betsaka noho ny hatramin’izay izao ny sary vetaveta miely sy ny olona mijery azy ireny.—Jereo ny efajoro “Antontan’isa Momba ny Sary Vetaveta.”

Miova koa ny fiheveran’ny olona ny sary vetaveta. Hoy ny profesora Gail Dines: “Efa tena mihoa-pampana ny sary vetaveta mivoaka. Ireo noheverin’ny olona taloha hoe tena mamoafady izao no lazaina fa ara-dalàna.”

Ary ahoana ny hevitrao? Tsy mampaninona ve ny mijery sary vetaveta sa tena manimba? Hoy i Jesosy: “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy.” (Matio 7:17) Mamoa voa tsara sa voa ratsy ny sary vetaveta? Andeha isika handinika hevitra vitsivitsy, mba hamaliana izany.

Inona no vokatry ny sary vetaveta eo amin’ny olona?

INONA NO LAZAIN’NY MANAM-PAHAIZANA? Tena manandevo ny sary vetaveta. Misy manam-pahaizana mampitovy azy io amin’ny zava-mahadomelina.

Hoy i Rivo,b izay mpijery sary vetaveta tao amin’ny Internet: “Tsy nisy nahasakana ahy tsy hijery an’ilay izy mihitsy. Hoatran’ireny nentin-javatra ireny aho. Nangovitra aho rehefa avy nijery an’ilay izy, ary lasa narary andoha. Niezaka niala tamin’ilay fahazaran-dratsy aho, nefa mbola nandevoziny ihany taona maro tatỳ aoriana.”

Manafina ny fahazarany ny olona andevozin’ny sary vetaveta. Manafin-toetra sy mamitaka ny hafa izy. Tsy mahagaga raha lasa mitokantokana izy, mahatsiaro ho menatra, miady saina, kivy be, ary tezi-dava. Misy aza te hamono tena. Hoy i Benja, izay nampiditra sary vetaveta tao amin’ny findainy, saika isan’andro: “Tsy nieritreritra afa-tsy ny tenako aho ary lasa namoy fo. Nanamelo-tena aho, nahatsiaro ho tsy nisy dikany sy nanirery ary voafandrika. Menatra loatra aho ka natahotra ny hitady fanampiana.”

Misy vokany ratsy ny sary vetaveta, na sendra nahita izany ilay olona na nijery vetivety fotsiny. Niresaka tamin’ny Antenimieran-doholona tany Etazonia ny Pr. Judith Reisman, izay nikaroka momba ny sary vetaveta. Hoy izy: “Miraikitra ao an-doha ny sary vetaveta sady manimba saina. Vetivety eo ny atidoha dia mamoaka zavatra simika, izay mahatonga an’ilay sary ho sarotra hadinoina na tsy hiala ao an-tsaina.” Hoy i Landy, 19 taona, izay sendra nahita sary vetaveta tao amin’ny Internet: “Miraikitra be ao an-dohako ilay sary. Miverina tampoka ao an-tsaiko ilay izy. Hoatran’ny tsy ho afaka hanala an’ilay izy ao mihitsy aho.”

FEHINY: Manandevo ny sary vetaveta ary manimba ny fiainan’izay mijery azy.—2 Petera 2:19.

Inona no vokatry ny sary vetaveta eo amin’ny fianakaviana?

INONA NO LAZAIN’NY MANAM-PAHAIZANA? “Mampisaraka ny mpivady sy mampisara-bazana ny fianakaviana ny sary vetaveta.”—Ny Fandriky ny Sary Vetaveta (anglisy), nosoratan’i Wendy sy Larry Maltz.

Manimba tokantrano ny sary vetaveta, satria:

  • Mihena ny fifampitokisana sy ny fifankatiavan’ny mpivady.—Ohabolana 2:12-17.

  • Mahatonga an’ilay olona ho tia tena, tsy hiraiki-po amin’ny vadiny, ary tsy ho afa-po aminy intsony.—Efesianina 5:28, 29.

  • Mahatonga an’ilay olona hanonofinofy manao firaisana mamoafady sy haniry mafy hanao izany.—2 Petera 2:14.

  • Lasa te hanery ny vadiny hanao firaisana mamoafady ilay olona.—Efesianina 5:3, 4.

  • Mahatonga an’ilay olona haniry hanao firaisana amin’ny olona tsy vadiny sy hanitsakitsa-bady.—Matio 5:28.

Milaza ny Baiboly fa tsy tokony ‘hivadika’ amin’ny vadiny ny mpivady. (Malakia 2:16) Mivadika amin’ny vadiny ny olona iray rehefa manitsakitsaka azy. Manimba tokantrano izany, ka mety hahatonga ny mpivady hifampisintaka sy hisaraka. Misy vokany ratsy eo amin’ny ankizy koa anefa izany.

Tena manimba ny ankizy ny sary vetaveta. Hoy i Rivo, ilay voaresaka tany aloha: “Nanao an-kiafina aho, indray mandeha, tamin’izaho folo taona teo ho eo, ka hitako tampoka ny bokin’i Dada, izay nisy sary vetaveta. Nangalatra nijery azy ireny aho nanomboka teo, na dia tsy fantatro aza izay nitiavako azy. Lasa zatra nijery azy ireny aho mandra-pahalehibeko.” Nasehon’ny fikarohana fa mahatonga ny ankizy ho tia manao firaisana ny sary vetaveta. Lasa mpanao firaisana amin’ny olona maro samihafa izy, mahery setra rehefa manao izany, ary mikorontana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po.

FEHINY: Mahatonga ny olona tsy hifankatia intsony ny sary vetaveta, ary miteraka ratram-po sy alahelo.—Ohabolana 6:27.

Inona no hevitr’Andriamanitra momba ny sary vetaveta?

HOY NY BAIBOLY: “Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.”—Kolosianina 3:5.

Halan’i Jehovahc Andriamanitra àry ny sary vetaveta. Tsy hoe mora tafintohina amin’ny resaka firaisana akory izy. Izy aza no namorona ny taovam-pananahana. Nataony afaka manao firaisana ny mpivady, satria tiany hahita fahafinaretana sy hifankatia kokoa ary hiteraka izy ireo.—Jakoba 1:17.

Nahoana àry isika no milaza fa tena halan’i Jehovah ny sary vetaveta? Ireto misy antony vitsivitsy:

  • Fantany hoe manimba ny sary vetaveta.—Efesianina 4:17-19.

  • Tiany isika ka tiany harovana.—Isaia 48:17, 18.

  • Te hiaro ny mpivady sy ny fianakaviana i Jehovah.—Matio 19:4-6.

  • Tiany hadio fitondran-tena sy hanaja ny zon’ny hafa isika.—1 Tesalonianina 4:3-6.

  • Tiany hampiasa ny taovam-pananahana amin’ny fomba mendri-kaja isika.—Hebreo 13:4.

  • Fantatr’i Jehovah fa mampiharihary ny hevitra diso sy feno fitiavan-tena momba ny firaisana ny sary vetaveta, ary ahitana taratra ny hevitr’i Satana momba ny firaisana.—Genesisy 6:2; Joda 6, 7.

FEHINY: Manimba ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra ny sary vetaveta.—Romanina 1:24.

Na izany aza, dia tena mamindra fo amin’ireo tsy te handevozin’ny sary vetaveta intsony i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Mamindra fo sy tsara fanahy i Jehovah, tsy mora tezitra sady be hatsaram-panahy feno fitiavana. Fa fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Salamo 103:8, 14) Asainy hanatona azy ny olona manetry tena. Amin’izay izy dia “hahazo famindram-po” sy “hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” ary ‘hahazo fanampiana amin’ny fotoana mety.’—Hebreo 4:16; jereo ilay hoe: “Ahoana no Hialana Amin’ilay Fahazaran-dratsy?”

Olona maro no nanaiky hampian’Andriamanitra, ka afaka tamin’ny fahazaran-dratsy. Hoy ny Baiboly momba azy ireo: “Efa voasasa madio tsara ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nambara ho marina ianareo tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika sy tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.” (1 Korintianina 6:11) Afaka milaza toy ny apostoly Paoly izy ireo hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:13.

Resin’i Landy ny fahazaran-dratsiny. Hoy izy: “I Jehovah ihany no afaka manampy anao tsy handevozin’ny sary vetaveta intsony. Raha mangataka ny fanampiany sy ny tari-dalany ianao, dia hadio eo anatrehany. Tsy hanary anao izy.”

Ahoana no Hialana Amin’ilay Fahazaran-dratsy?

Ianao ve mahalala olona zatra mijery sary vetaveta, nefa te hiala amin’io fahazaran-dratsy io? Ampirisiho izy hanaraka an’ireto soso-kevitra ireto, izay efa nanampy olon-kafa koa:

1. Mivavaha amin’Andriamanitra.

“Tena ilaina ny mangataka fanampiana amin’i Jehovah, raha tsy te hijery sary vetaveta intsony ianao.”—Franz.

Afaka manome fanahy masina an’ilay olona i Jehovah, amin’izay izy ‘sady maniry no manatanteraka.’ (Filipianina 2:13) Hanampy azy handresy ny “filan-dratsiny sy ny faniriany” ny fanahy masina, raha manaiky hotarihin’izy io izy.—Galatianina 5:16, 24.

2. Mitadiava fanampiana amin’olona.

“Zavatra afenimpenina sy mahamenatra ny mijery sary vetaveta, ka mihevitra ianao fa tsy ho vitanao mihitsy ny hitady fanampiana. Mieritreritra ianao hoe ho vitanao samirery ny hiala amin’ilay izy. Tsy hahavita izany anefa ianao raha tsy misy manampy. Nampandeferiko àry ny hambom-poko, ka nitsotra tamin’ny vadiko aho. Nitady fanampiana tamin’ny namana natokisako koa aho. Izany no mafy indrindra tamiko, nefa tena nanampy ahy.—Yoshi.

Tsy mora ny mamboraka an’ilay izy amin’ny hafa, ka mila tapa-kevitra sy misikina herim-po ianao. Tokony hanao izany anefa ianao raha te handresy an’ilay fahazaran-dratsy sy hifandray tsara indray amin’ireo olona akaiky anao. Hoy i Landy, ilay voaresaka tany aloha: “Tena maivamaivana aho taorian’izay. Mafy aloha ilay izy, kanefa lasa nilamin-tsaina aho.”—Jakoba 5:16.

3. Ialao ireo zavatra mahatonga an’ilay fanirian-dratsy.

Rehefa mieritreritra inona izy no te hijery sary vetaveta? Inona ny toe-javatra na fihetseham-po mahatonga azy hanao izany? Mijery Internet ve? Sa mijery filma amin’ny alina be? Sa mamaky boky? Sa mankeny amoron-dranomasina? Sa rehefa noana, tezitra, irery, na vizana? Hoy i Sven: “Fantaro ireo zavatra mahatonga an’ilay fanirian-dratsy, ary halaviro hoatran’ny areti-mifindra.” Hoy i Jesosy: “Raha ny masonao havanana àry no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao.”—Matio 5:29.

Hoy i Franz: “Raha mijery vehivavy aho ka te hanao firaisana aminy, dia mivavaka amin’i Jehovah haingana aho ary tonga dia aviliko ny masoko.” Hoy i Joba, lehilahy nanam-pinoana fahiny: “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho, koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?”—Joba 31:1.

4. Miezaha mifandray tsara amin’Andriamanitra.

Hoy ihany i Franz: “Zavatra tsara amenoana ny saina, ary manaova zavatra ara-panahy be dia be.”

Hoy ny Baiboly: “Na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina. ... Ary ho aminareo ilay Andriamanitry ny fiadanana!”—Filipianina 4:8, 9.

a Ny “sary vetaveta” dia fampisehoana an-karihary olona manao firaisana, na sarin’olona miboridana. Mety ho sary izany, na soratra, na feo, ary natao hanairana ny fanirian’ny olona hanao firaisana.

b Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

c Resahin’ny Baiboly fa Jehovah no anaran’Andriamanitra.

ANTONTAN’ISA MOMBA NY SARY VETAVETA

ISAN-TSEGONDRA: Efa ho 30 000 ny olona mijery sary vetaveta ao amin’ny Internet.

ISA-MINITRA: E-mail misy sary vetaveta 1,7 TAPITRISA mahery no alefan’ireo mpampiasa Internet.

ISAN’ORA: ROA eo ho eo ny filma misy sary vetaveta tena mamoafady mivoaka, any Etazonia.

ISAN’ANDRO: ROA TAPITRISA mahery ny filma vetaveta hofan’ny olona, any Etazonia fotsiny.

ISAM-BOLANA: Tovolahy 9 isaky ny 10 ary tovovavy 3 isaky ny 10 no mijery sary vetaveta, any Etazonia.

ISAN-TAONA: Mahazo vola IRAY HETSY TAPITRISA dolara ny orinasa mpamokatra sary vetaveta.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara