FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w13 1/11 p. 4
  • Lainga 1: Tsy Manana Anarana Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lainga 1: Tsy Manana Anarana Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
  • Anaran’​Andriamanitra
    Mifohaza!—2017
  • Iza no Anaran’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Fantatrao Tsara ve Andriamanitra?
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
w13 1/11 p. 4

MATOAN-DAHATSORATRA: INONA AVY IREO LAINGA MOMBA AN’ANDRIAMANITRA?

Lainga 1: Tsy Manana Anarana Andriamanitra

INONA NO INOAN’NY OLONA?

“Mbola tsy mitovy hevitra mihitsy izahay raha manana anarana Andriamanitra na tsia, ary raha manana izy dia hoe iza no anarany.”—Profesora David Cunningham, Fianarana Momba ny Teolojia (anglisy).

NY MARINA LAZAIN’NY BAIBOLY

Hoy Andriamanitra: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako.” (Isaia 42:8) Ny hoe Jehovah dia avy amin’ny teny hebreo midika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.”

Tian’i Jehovah hampiasa ny anarany isika. Hoy ny Baiboly: “Miantsoa ny anarany. Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony. Ambarao fa misandratra ny anarany.”—Isaia 12:4.

Nampiasa ny anaran’Andriamanitra i Jesosy. Nivavaka tamin’i Jehovah izy, ka nilaza hoe: “Efa nampahafantariko [ny mpianatro] ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany.” Nahoana izy no nanao izany? Hoy izy: “Mba ho ao aminy ilay fitiavana izay nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.”—Jaona 17:26.

NAHOANA IZANY NO ILAINA FANTARINA?

Hoy i Walter Lowrie, teolojianina: “Tsy tena mahafantatra an’Andriamanitra ny olona iray, raha tsy mahafantatra ny anarany ... Tsy ho tia azy koa izy, raha mihevitra azy ho hery fotsiny.”

Toy ny hoe nendahana tao anaty Baiboly ny anaran’Andriamanitra rehefa nosoloana anaram-boninahitra

Niangona isan-kerinandro i Victor, kanefa tsy nihevitra izy hoe tena nahalala an’Andriamanitra. Hoy izy: “Fantatro, tatỳ aoriana, hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Toy ny hoe nampihaonina tamin’ny olona iray mbola tsy hitako mihitsy aho. Lasa tena nisy izy tamiko, ary niezaka nifandray akaiky taminy aho.”

Mifandray akaiky amin’izay mampiasa ny anarany i Jehovah. Nampanantena an’ireo “misaintsaina ny anarany” izy hoe: “Hangoraka azy ireo aho, toy ny olona mangoraka ny zanany manompo azy.” (Malakia 3:16, 17) Mamaly soa an’izay rehetra miantso ny anarany Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”—Romanina 10:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara