FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w13 1/11 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no mankany an-danitra, ary nahoana?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Valin’​ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mankany An-danitra Daholo ve ny Kristianina Tsy Mivadika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mankany An-danitra Daholo ve ny Tsara Fanahy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
w13 1/11 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Iza no ho any an-danitra ary nahoana?

Olona an-tapitrisany no te ho any an-danitra. Nilaza i Jesosy fa ho any ny apostoliny tsy mivadika. Nampanantena izy, talohan’ny nahafatesany, fa hanomana toerana ho azy ireo any amin’ilay Rainy any an-danitra.—Vakio ny Jaona 14:2.

Nahoana no hisy olona hatsangana amin’ny maty mba ho any an-danitra? Hanao inona any izy ireo? Nilaza tamin’ny apostoliny i Jesosy fa ho mpanjaka hitondra ny tany izy ireo.—Vakio ny Lioka 22:28-30; Apokalypsy 5:10.

Ho any an-danitra ve ny tsara fanahy rehetra?

Olona vitsivitsy ihany no mpitondra, any amin’ny tany maro. Nilaza i Jesosy fa hitondra ny tany ireo hatsangana ho any an-danitra. Midika izany fa ho vitsivitsy koa izy ireo. (Lioka 12:32) Lazain’ny Baiboly mazava tsara ny isan’ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy.—Vakio ny Apokalypsy 14:1.

Nanomana toerana any an-danitra ho an’ny mpanara-dia azy vitsivitsy i Jesosy. Fantatrao ve izay hataon’izy ireo any?

Tsy hoe izay ho any an-danitra ihany akory no hahazo valisoa. Hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo olom-pehezin’ny Fanjakan’i Jesosy. (Jaona 3:16) Ahoana no hahatongavan’izy ireo ao? Ho tafavoaka velona amin’ny fandringanana an’ity tontolo ratsy ity ny sasany. Ny hafa kosa hatsangana amin’ny maty.—Vakio ny Salamo 37:29; Jaona 5:28, 29.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 8, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Azo alaina ao amin’ny www.jw.org/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara