FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/1 p. 6-7
  • Mbola Misy ny Fanantenana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mbola Misy ny Fanantenana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • HO VELONA INDRAY VE NY MATY?
  • RAHOVIANA NO HITSANGANA NY MATY?
  • Mbola Hatsangana ny Maty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Fanantenana Azo Antoka Momba An’ireo Havanao Efa Maty
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Ilay Lehilahy Maty Nandritra ny Efatra Andro
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Hanao Ahoana Isika Rehefa Maty?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/1 p. 6-7
[Sary, pejy 6]

MATOAN-DAHATSORATRA: MBOLA HO VELONA INDRAY VE NY MATY?

Mbola Misy ny Fanantenana

Tanàna kely telo kilaometatra miala an’i Jerosalema i Betania. (Jaona 11:18) Nisy voina nitranga tany, herinandro vitsivitsy talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. Narary be tampoka i Lazarosy naman’i Jesosy, ary maty.

Raha vao nandre an’ilay vaovao i Jesosy, dia nilaza tamin’ny mpianany fa natory i Lazarosy, ary handeha hamoha azy izy. (Jaona 11:11) Tsy azon’ny mpianany ny tiany holazaina, ka notsoriny hoe: “Maty i Lazarosy.”—Jaona 11:14.

Tonga tany Betania i Jesosy, efatra andro taorian’ny fandevenana. Niezaka nampahery an’i Marta, anabavin’i Lazarosy, izy. Hoy i Marta: “Raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” (Jaona 11:17, 21) Namaly azy i Jesosy hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.”—Jaona 11:25.

“Ry Lazarosy, mivoaha!”

Tian’i Jesosy haseho hoe tsy fampanantenana poakaty izany, ka lasa izy nankeny amin’ny fasana ary niteny hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” (Jaona 11:43) Gaga ny rehetra nahita azy nivoaka.

Olona roa, fara fahakeliny, no efa natsangan’i Jesosy, talohan’io. Iray amin’izany ny zanakavavin’i Jairo. Nilaza koa i Jesosy hoe matory io zazavavy kely io, talohan’ny nananganany azy.—Lioka 8:52.

Na tamin’ny nahafatesan’i Lazarosy na ny an’ny zanakavavin’i Jairo, dia samy nilaza i Jesosy hoe “matory” ny maty. Mety tsara ilay fampitahana satria tsy mahatsiaro tena ny olona matory, izany hoe tsy mahatsiaro mijaly na manaintaina. (Mpitoriteny 9:5; jereo ilay efajoro hoe “Toy ny Torimaso Lalina ny Fahafatesana.”) Takatr’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany hoe manao ahoana ny maty. Hoy Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana sy ny Fitsipi-pitondran-tena (anglisy): “Fantatry ny mpanara-dia an’i Jesosy fa toy ny torimaso ny fahafatesana, ary toerana ialana sasatra ny fasana . . . ho an’ireo olona manam-pinoana nodimandry.”a

Mampahery ny mahalala fa matory ao amin’ny fasana ny maty ary tsy mijaly. Lasa mazava amintsika àry ny manjo ny maty ka tsy matahotra intsony isika.

HO VELONA INDRAY VE NY MATY?

Marina fa tiantsika ny mahita tory tsara, kanefa iza no te hatory mandrakizay? Afaka manantena ve isika fa mbola ho velona indray ny maty, toy izay nitranga tamin’i Lazarosy sy ny zanakavavin’i Jairo?

Nanontany an’izany i Joba, loham-pianakaviana fahiny, rehefa nieritreritra izy hoe ho faty. Hoy izy: “Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy?”—Joba 14:14.

I Joba ihany no namaly an’izany. Hoy izy tamin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra: “Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.” (Joba 14:15) Takatr’i Joba fa tsy andrin’i Jehovah ny hananganana an’ireo mpanompony tsy mivadika. Nofinofin’i Joba fotsiny ve izany? Tsia.

Hita tamin’ny nananganan’i Jesosy ny maty fa nomen’Andriamanitra hery handresena ny fahafatesana izy. Milaza aza ny Baiboly fa manana ny “lakilen’ny fahafatesana” izy izao. (Apokalypsy 1:18) Toy ny hoe hovohan’i Jesosy ny varavaran’ny fasana, tahaka ny nibaikoany ny olona mba hanala ny vato teo amin’ny fasan’i Lazarosy.

Averimberin’ny Baiboly foana ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty. Hoy ny anjely iray tamin’i Daniela mpaminany: “Hiala sasatra ianao, nefa hitsangana any am-parany mba hahazo ny anjaranao.” (Daniela 12:13) Hoy i Jesosy tamin’ny Sadoseo, mpitondra fivavahana jiosy, izay tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty: “Diso hevitra ianareo, satria samy tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.” (Matio 22:23, 29) Hoy indray ny apostoly Paoly: “Manantena amin’Andriamanitra aho . . . fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.”—Asan’ny Apostoly 24:15.

RAHOVIANA NO HITSANGANA NY MATY?

Rahoviana no hitsangana ny marina sy ny tsy marina? Nilaza tamin’i Daniela ilay anjely fa hitsangana izy “any am-parany.” Nino koa i Marta fa hitsangana i Lazarosy anadahiny, “amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.”—Jaona 11:24.

Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fitondran’ny Fanjakan’i Kristy io “andro farany” io. Hoy i Paoly: “Fa hanjaka izy [Kristy], mandra-panaon’Andriamanitra ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony. Ary hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.” (1 Korintianina 15:25, 26) Izany no antony iray hangatahantsika ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanaovana ny sitrapony eto an-tany.b

Fantatr’i Joba fa sitrapon’Andriamanitra ny hanangana ny maty. Rehefa tonga izany fotoana izany, dia ho foana tokoa ny fahafatesana. Tsy hanontany intsony isika amin’izay hoe: ‘Mbola ho velona indray ve ny maty?’

a Ilay teny hoe “fasana” dia avy amin’ny teny grika midika hoe “toerana fatoriana.”

b Raha mila fanazavana fanampiny momba ny Fanjakan’Andriamanitra, dia jereo ny toko 8 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Toy ny Torimaso Lalina ny Fahafatesana

  • “Ampamirapirato ny masoko, sao ho renoky ny torimasom-pahafatesana aho.”—Salamo 13:3.

  • “ ‘Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.’ Dia hoy ny mpianany: ‘Tompo ô, ho sitrana izy raha matory.’ Ny fahafatesany anefa no nolazain’i Jesosy.”—Jaona 11:11-13.

  • ‘Nanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra efa voambara mazava i Davida, teo anivon’ny mpiara-belona taminy. Ary nodimandry izy.’—Asan’ny Apostoly 13:36.

  • ‘Efa natsangana tamin’ny maty i Kristy, izay voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry.’—1 Korintianina 15:20.

  • ‘Tsy tianay tsy ho fantatrareo ny amin’ireo nodimandry, mba tsy halahelovanareo tahaka ny hafa izay tsy manana fanantenana.’—1 Tesalonianina 4:13.

Hitsangana ny Maty

  • “Ho velona ny olonao izay efa maty. Hitsangana ny fatinay. Mifohaza ka mihobia!”—Isaia 26:19.

  • “Maro amin’ireo matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha.”—Daniela 12:2.

  • “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara