FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 15/4 p. 32
  • Fantatrao Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantatrao Ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Mandrovitra Akanjo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Akanjo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Akanjon’ny Mpisorona?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Fitafiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 15/4 p. 32

FANTATRAO VE?

Nanao fanahy iniana nandrovitra ny akanjony ny olona fahiny. Inona no dikan’izany?

MISY olona maromaro resahin’ny Baiboly hoe nandrovitra ny akanjony, ary samihafa ny antony nanaovany an’izany. Mety ho hafahafa amin’ny mpamaky Baiboly ankehitriny io fanao io. Nanao izany anefa ny Jiosy rehefa te hampiseho ny fihetseham-pony, ohatra hoe kivy be, na malahelo, na afa-baraka, na tezitra, na nidonam-pahoriana.

“Nandrovitra ny akanjony”, ohatra, i Robena rehefa fantany fa namidy ho andevo i Josefa rahalahiny ka tsy voavonjiny intsony. “Nandrovitra ny lamba fitafiny” i Jakoba rainy, rehefa nino hoe lanin’ny bibidia i Josefa. (Gen. 37:18-35) ‘Nandrovitra ny akanjony’ koa i Joba rehefa nilazana fa maty daholo ny zanany. (Joba 1:18-20) ‘Rovitra ny akanjo’ nanaovan’ilay iraka nilaza tamin’i Ely Mpisoronabe hoe resy ny Israelita, maty ny zanak’i Ely roa lahy, ary lasa babo ny Vata misy ny fifanekena. (1 Sam. 4:12-17) “Nandrovitra ny akanjony” koa i Josia, rehefa novakina ny Lalàna ka tsapany hoe nanota ny vahoakany.—2 Mpanj. 22:8-13.

“Nandrovitra ny akanjony ivelany” i Kaiafa Mpisoronabe nandritra ny fitsarana an’i Jesosy, satria nieritreritra hoe nanevateva an’Andriamanitra i Jesosy. (Mat. 26:59-66) Nampianarin’ny mpitondra fivavahana jiosy fahiny mantsy fa tsy maintsy mandrovitra ny akanjony ny olona iray, raha vao mandre olona manevateva ny anaran’Andriamanitra. Taorian’ny nandravana ny tempolin’i Jerosalema anefa, dia lasa nieritreritra ny mpitondra fivavahana jiosy fa ‘tsy voatery mandrovitra ny akanjony izay mandre olona manevateva ny Anaran’Andriamanitra, raha tsy izany dia hitafy voro-kitsay izy amin’ny farany.’

Mazava ho azy fa tsy nisy dikany tamin’i Jehovah ny nandrovitan’ny olona iray ny akanjony, raha tsy tena vokatry ny fo ny alahelony. Izany no nahatonga azy hilaza tamin’ny vahoakany hoe: ‘Ny fonareo no rovito, fa tsy ny akanjonareo. Dia miverena amiko.’​—Joela 2:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara