FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/9 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona ny Anjely?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Misy Heriny eo Amintsika ve ny Anjely?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Manan-kery eo Amin’ny Fiainantsika ny Anjely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • “Fanahy Manao Fanompoana ho An’ny Besinimaro” ny Anjely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/9 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Manampy antsika ve ny anjely?

[Sary, pejy 16]

Nanampy an’i Daniela mpanompon’Andriamanitra ny anjely taloha. Manampy olon-kafa koa ny anjely ankehitriny, ka manao izay handrenesan’izy ireo ny vaovao tsara

Namorona anjely an-tapitrisany i Jehovah Andriamanitra, ela be talohan’ny namoronany ny olona. (Joba 38:4, 7) Zavaboary tsy hita maso sady mahery ny anjely, ary manao an’izay ampanaovin’Andriamanitra azy. Irahiny hanampy sy hiaro ny mpanompony eto an-tany izy ireo indraindray. (Salamo 91:10, 11) Manampy olon-kafa koa ny anjely ankehitriny, ka mitarika ny tena Kristianina mba hitory ny vaovao tsara amin’izy ireo.—Vakio ny Apokalypsy 14:6, 7.

Mahazo mivavaka amin’ny anjely ve isika mba hanampiany antsika? Tsia, satria Andriamanitra irery no tokony hivavahana. (Apokalypsy 19:10) Mpanompon’Andriamanitra ny anjely ka izay asain’Andriamanitra ataony no tanterahiny, fa tsy izay lazain’ny olona aminy. Andriamanitra foana àry no tokony hivavahana, ary tokony hatao amin’ny alalan’i Jesosy izany.—Vakio ny Salamo 103:20, 21; Matio 26:53.

Misy anjely ratsy fanahy ve?

Afaka mifidy ny hanao ny tsara na ny ratsy ny anjely, toy ny olona ihany. Mampalahelo fa betsaka ny anjely nikomy tamin’Andriamanitra. (2 Petera 2:4) I Satana no nikomy voalohany, ary nisy hafa koa nanaraka azy ka lasa demonia. Noroahina avy tany an-danitra i Satana sy ny demoniany, tatỳ aoriana, ary natsipy tetỳ an-tany.—Vakio ny Apokalypsy 12:7-9.

Vao mainka lasa mahery setra sy ratsy toetra ny olona, nanomboka tamin’ny 1914. Porofo izany hoe kely sisa dia tsy havelan’Andriamanitra hanao na inona na inona i Satana sy ny demonia. Haverin’Andriamanitra ho Paradisa araka ny nieritreretany azy tamin’ny voalohany ny tany, aorian’izay.—Vakio ny Apokalypsy 12:12; 21:3, 4.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 10 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Azo alaina ao amin’ny www.jw.org/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara