FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/11 p. 16
  • Nanangana ny Maty Tokoa ve i Jesosy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanangana ny Maty Tokoa ve i Jesosy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena Hatsangana ny Maty!
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Fanantenana Azo Antoka Momba An’ireo Havanao Efa Maty
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Mbola ho Velona Indray ny Havanao na ny Namanao Efa Maty!
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Ny fananganana ny maty — hatao ho an’iza, ary ho aiza?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/11 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Nanangana ny maty tokoa ve i Jesosy?

[Sary, pejy 16]

Natsangan’i Jesosy i Lazarosy, na dia efa maty efatra andro aza

Milaza mazava tsara ny Baiboly fa nanangana olona tamin’ny maty i Jesosy. Tsy angano izany satria tena nisy ny toerana nitrangany, ary voalaza mazava tsara ny fotoana nisehoany. Nisy vahoaka niaraka tamin’i Jesosy, ohatra, teo antenatenan’ny taona 31. Avy tany Kapernaomy izy ireo ary ho any Naina. Nifanena tamin’ny mpandevina maromaro izy ireo rehefa ho tonga tany, ary natsangan’i Jesosy ilay olona maty. Tena nitranga izany satria voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, sady hitan’ny olona be dia be.—Vakio ny Lioka 7:11-15.

Natsangan’i Jesosy koa i Lazarosy namany, na dia efa maty efatra andro aza. Tena azo antoka izany satria be dia be koa ny vavolombelona nahita an’ilay izy.—Vakio ny Jaona 11:39-45.

Nahoana i Jesosy no nanangana ny maty?

Nanangana ny maty i Jesosy satria tena nalahelo ny olona izy. Tiany haseho koa hoe nanome azy fahefana hanao izany ny Rainy, izay Mpanome aina.—Vakio ny Jaona 5:21, 28, 29.

Nampanantena i Jesosy fa mbola hanangana ny maty, amin’ny hoavy, ary azontsika antoka izany satria efa nanao izany izy taloha. Hanangana olona maro be izy, anisan’izany ny olona tsy marina, izany hoe izay tsy nahalala mihitsy an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Havela hianatra momba an’i Jehovah sy hampiseho hoe tia azy izy ireo.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Azo alaina ao amin’ny www.jw.org io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara