FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w14 1/12 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana?
    Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana?
  • Fanazavana Fanampiny
    Mifohaza!—2018
  • Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?
    Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
w14 1/12 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Ahoana no hahatonga ny ankizy ho tia an’Andriamanitra?

Ray mampiasa ny zavaboary mba hampianarana ny zanany

Ampiasao ny zavaboary mba hanampiana ny zanakao hahalala sy ho tia an’Andriamanitra

Tsy ho tia an’Andriamanitra ny zanakao raha tsy manana porofo hoe misy izy sady tia azy ireo. Mila mahafantatra an’Andriamanitra izy ireo mba ho tia azy. (1 Jaona 4:8) Mila fantany, ohatra, hoe: Nahoana Andriamanitra no namorona ny olona? Nahoana isika no avelany hijaly? Inona no hataony ho an’ny olona amin’ny hoavy?—Vakio ny Filipianina 1:9.

Mila asehonao amin’ny zanakao koa hoe tia an’Andriamanitra ianao. Azo inoana fa hanahaka anao ny zanakao rehefa mahita an’izany, ka ho tia azy.—Vakio ny Deoteronomia 6:5-7; Ohabolana 22:6.

Ahoana no hampianaranao ny zanakao?

Mahery ny Tenin’Andriamanitra. (Hebreo 4:12) Ampio àry ny zanakao hahafantatra an’izay voalaza ao. Tahafo ny fomba fampianatr’i Jesosy raha tianao hilentika any am-pony izay ampianarinao. Nametraka fanontaniana i Jesosy, nihaino ny valiny, ary nanazava ny Soratra Masina rehefa nisy zavatra tiany hilentika any am-pon’ny olona.—Vakio ny Lioka 24:15-19, 27, 32.

Tantaraina ao amin’ny Baiboly koa hoe ahoana no nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olona taloha. Hahalala sy ho tia an’Andriamanitra ny ankizy raha hainy ireny tantara ireny. Misy zavatra maro natao hanampiana azy amin’izany ao amin’ny www.pr2711.com/mg.—Vakio ny 2 Timoty 3:16.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 14 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah

Azonao alaina ao amin’ny www.pr2711.com/mg io boky io, na angataho any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 2

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara