FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/1 p. 14-15
  • I Jesosy ve no Tokony Hivavahana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • I Jesosy ve no Tokony Hivavahana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • IZA NO NASAIN’I JESOSY HIVAVAHANA?
  • NIVAVAKA TAMIN’IZA NY KRISTIANINA VOALOHANY?
  • Momba ny Vavaka Henoin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mampianatra Antsika Hivavaka i Jesosy
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Tokony Hivavaka Amin’i Jesosy ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mampianatra Antsika Hivavaka i Jesosy
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/1 p. 14-15

I Jesosy ve no Tokony Hivavahana?

NISY fanadihadiana an-tsoratra nataon’ny mpikaroka iray vao haingana. Nanontany tanora 800 mahery avy amin’ny fivavahana maromaro izy hoe mino ve izy ireo fa mamaly vavaka i Jesosy. Maherin’ny 60 isan-jato no namaly hoe tena mino an’izany. Ny tovovavy iray kosa nanipika ny anaran’i Jesosy, ary nanolo izany tamin’ny hoe “Andriamanitra.”

Ahoana ny hevitrao? I Jesosy sa Andriamanitra no tokony hivavahantsika?a Mba hamaliana izany, dia aleo hojerentsika hoe inona no nampianarin’i Jesosy ny mpianany.

IZA NO NASAIN’I JESOSY HIVAVAHANA?

Tsy nampianatra ny olona fotsiny i Jesosy hoe iza no tokony hivavahana fa nanome modely koa izy.

Jesosy nivavaka tamin’ny Rainy[Sary, pejy 14, 15]

Nivavaka tamin’ilay Rainy any an-danitra i Jesosy. Izany koa no tokony hataontsika

INONA NO NAMPIANARINY? Niangavy an’i Jesosy ny mpianany, indray mandeha, hoe: “Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay.” Hoy àry i Jesosy: ‘Izao lazaina rehefa mivavaka ianareo: “Ray ô.” ’ (Lioka 11:1, 2) Rehefa nanao an’ilay toriteny malaza teo an-tendrombohitra koa izy, dia nampirisika ny olona hoe: “Mivavaha amin’ny Rainao.” Nanome toky azy ireo koa izy hoe: “Fantatr’Andriamanitra Rainareo izay ilainareo, raha mbola tsy mangataka aminy akory aza ianareo.” (Matio 6:6, 8) Hoy koa izy tamin’ny mpianany, ny alina talohan’ny nahafatesany: “Na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny anarako izany.” (Jaona 16:23) Nampianatra antsika àry i Jesosy hoe ilay Rainy sady Raintsika no tokony hivavahana. Tsy iza izany fa i Jehovah Andriamanitra.—Jaona 20:17.

INONA NO MODELY NOMENY? Sady nampianatra ny olona hivavaka tamin’ny Rainy i Jesosy no nivavaka hoe: “Midera anao ampahibemaso aho, Ray ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany.” (Lioka 10:21) “Niandrandra ny lanitra” koa izy, indray mandeha, ka nanao hoe: “Misaotra anao aho, Ray ô, fa efa nihaino ahy ianao.” (Jaona 11:41) Rehefa niala aina koa izy, dia nivavaka hoe: “Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny aiko.” (Lioka 23:46) Nataon’i Jesosy mazava tsara hoe iza no tokony hivavahana. Nivavaka tamin’ilay Rainy any an-danitra, “Tompon’ny lanitra sy ny tany”, izy. (Matio 11:25; 26:41, 42; 1 Jaona 2:6) Nazava tamin’ny Kristianina voalohany ve izany toromarika izany?

NIVAVAKA TAMIN’IZA NY KRISTIANINA VOALOHANY?

Vao lasa kelikely tany an-danitra i Jesosy, dia nisy nanenjika sy nandrahona ny mpianany. (Asan’ny Apostoly 4:18) Nivavaka àry izy ireo. Iza anefa no nivavahany? Niara-nanandra-peo “nivavaka tamin’Andriamanitra” izy ireo mba hanampiany azy ireo foana ‘amin’ny anaran’i Jesosy mpanompony masina.’ (Asan’ny Apostoly 4:24, 30) Nampihatra an’izay nampianarin’i Jesosy ny mpianany, ka nivavaka tamin’Andriamanitra fa tsy tamin’i Jesosy.

Nanoratra ho an’ny Kristianina ny apostoly Paoly, tatỳ aoriana, ary noresahiny hoe nivavaka tamin’iza izy sy ny mpiara-miasa taminy. Hoy izy: “Isaoranay mandrakariva Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, rehefa mivavaka ho anareo izahay.” (Kolosianina 1:3) Nanoratra ho azy ireo koa izy hoe ilaina ny ‘misaotra mandrakariva an’Andriamanitra Raintsika amin’ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.’ (Efesianina 5:20) Nampirisika ny olona àry i Paoly mba hivavaka amin’ilay ‘Andriamanitra Ray amin’ny zavatra rehetra.’ Mazava ho azy fa tokony hatao amin’ny anaran’i Jesosy izany.—Kolosianina 3:17.

Tia an’i Jesosy toa an’ireo Kristianina voalohany isika, raha manaraka an’izay nampianariny momba ny vavaka. (Jaona 14:15) Ilay Raintsika any an-danitra ihany no tokony hivavahantsika. Raha manao izany isika, dia hohenoiny ny vavaka ataontsika, ka hiteny toy ny mpanao salamo isika hoe: ‘Feno fitiavana aho, satria nohenoin’i Jehovah ny feoko. Hiantso azy aho mandritra ny androm-piainako.’—Salamo 116:1, 2.b

a Milaza ny Soratra Masina fa tsy mitovy Andriamanitra sy Jesosy. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 4 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

b Tsy maintsy mankatò an’izay lazain’Andriamanitra isika, raha tiantsika hohenoiny ny vavaka ataontsika. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 17 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Nivavaka Tamin’i Jesosy ve Izy Ireo?

Mitantara ny Baiboly hoe nisy mpanompon’Andriamanitra niresaka tamin’i Jesosy, taorian’ny niakarany tany an-danitra, ary nisy koa niresaka tamin’ny anjely. (Asan’ny Apostoly 9:4, 5, 10-16; 10:3, 4; Apokalypsy 10:8, 9; 22:20) Midika ve izany fa nivavaka tamin’i Jesosy sy tamin’ny anjely izy ireo? Tsia. Tsy izy ireo mantsy no nanomboka an’ilay resaka, fa i Jesosy na ireo anjely. Andriamanitra irery no nivavahan’ny mpanompony tsy nivadika.—Filipianina 4:6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara