FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/8 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiainana Hoatran’ny Ahoana no Tian’Andriamanitra ho Antsika?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Valin’​ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ahoana no Nisian’ny Zavamananaina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Fanontaniana 1: Fa Maninona àry Aho no Nisy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/8 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Inona no mety hampisy dikany ny fiainantsika?

Lahiantitra sy zazakely mijery eny aloha

Efa nieritreritra ve ianao hoe fohy loatra ny fiainana?

Efa nieritreritra ve ianao hoe ny fiainana ve izany dia tsy misy afa-tsy ny milalao, miasa, manambady, mitaiza, ary mihantitra? (Joba 14:1, 2) Milaza ny Baiboly fa na ny olona tena nahay be aza mba lasa saina ny amin’izany.—Vakio ny Mpitoriteny 2:11.

Mba misy dikany ihany ve ny fiainana? Mila mieritreritra aloha isika hoe ahoana no nampisy ny fiainana. Rehefa avy nandinika ny fomba namoronana ny atidohantsika sy ny vatantsika ny olona, dia betsaka no niaiky hoe misy Mpamorona hendry nanao an’ireny. (Vakio ny Salamo 139:14.) Raha izany àry no izy, dia misy antony matoa izy namorona antsika! Hisy dikany kokoa ny fiainana raha mianatra an’izany antony izany isika.

Inona no antony namoronana ny olombelona?

Nitso-drano ny mpivady voalohany Andriamanitra sady nanome asa tena tsara ho azy ireo. Ny fikasany dia hoe hameno ny tany izy ireo, hanao ny tany ho paradisa, ary hiaina mandrakizay.—Vakio ny Genesisy 1:28, 31.

Tsy tanteraka avy hatrany ilay fikasan’Andriamanitra rehefa nikomy taminy ny olona. Tsy hoe navelan’Andriamanitra tamin’izao anefa isika. Tsy niova koa ny fikasany momba antsika sy ny tany. Milaza ny Baiboly fa hamonjy ny olona tsy mivadika aminy izy, ary ho tanteraka ny fikasany momba ny tany. Tian’Andriamanitra hankafy ny fiainana toy ny nieritreretany azy àry ianao! (Vakio ny Salamo 37:29.) Jereo ao amin’ny Baiboly hoe ahoana no ahazoanao an’izany fiainana izany.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 3 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Azo alaina ao amin’ny www.jw.org/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara