FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/9 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Efa Mitondra Ilay Fanjakana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Mianara avy Amin’ny Faminanian’ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 7
    Mifohaza!—2012
  • Faminaniana Izay Tanteraka
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/9 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Nahoana no misy faminaniana ao amin’ny Baiboly?

Jesosy miresaka amin’ny apostoliny vitsivitsy, eo amin’ny Tendrombohitra Oliva

Nahoana ny Baiboly no Nilaza Mialoha izay Hitranga Amin’ny Androntsika?—Lioka 21:10, 11.

Tsy misy olona mahavita milaza ny hoavy amin’ny an-tsipiriany izany mihitsy. Ao amin’ny Baiboly anefa misy faminaniana be dia be, ary amin’ny an-tsipiriany izy ireny sady efa tanteraka ny sasany aminy. Porofo izany fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.—Vakio ny Josoa 23:14; 2 Petera 1:20, 21.

Vao mainka isika lasa mino an’Andriamanitra, rehefa mahita hoe tanteraka ireny faminaniana ao amin’ny Baiboly ireny. (Hebreo 11:1) Manome toky antsika koa izy ireny fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra hoe ho tsara be ny hoavy. Mahatonga antsika hanana fanantenana àry ny faminaniana ao amin’ny Baiboly.—Vakio ny Salamo 37:29; Romanina 15:4.

Nahoana no ilaintsika ny faminaniana ao amin’ny Baiboly?

Manampy ny mpanompon’Andriamanitra ho mailo ny faminaniana sasany ao amin’ny Baiboly, ka mampirisika azy ireo hanao zavatra. Rehefa hitan’ny Kristianina voalohany, ohatra, fa tanteraka ny faminaniana sasany, dia niala tao Jerosalema izy ireo. Noravana io tanàna io tatỳ aoriana, satria tsy nino an’i Jesosy ny ankamaroan’ny olona tao. Efa nifindra tany amin’ny toerana lavitra be ireo Kristianina tamin’izay, ka voavonjy.—Vakio ny Lioka 21:20-22.

Misy faminaniana efa tanteraka koa amin’izao, ary manaporofo izy ireny fa kely sisa ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanafoana ny fanjakan’olombelona. (Daniela 2:44; Lioka 21:31) I Jesosy Kristy no notendren’Andriamanitra ho Mpanjakan’izy io. Mila manao zavatra haingana àry isika tsirairay dieny izao, raha te hahazo sitraka amin’i Jesosy.—Vakio ny Lioka 21:34-36.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 4 amin’ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Misy azy io koa ao amin’ny www.pr2711.com/mg.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara