FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/10 p. 16
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Mitovitovy Aminy
  • Voagadran’ny Fahantrana
    Mifohaza!—1998
  • Ezaka Natao Hanafoanana ny Fahantrana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Akaiky ny Faran’ny Fahantrana
    Mifohaza!—1998
  • Vaovao Tsara ho An’ny Mahantra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/10 p. 16

VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY

Tsy hisy intsony ve ny fahantrana indray andro any?

Vehivavy mitazona vilia baolina tsy misy na inona na inona, sady mamihina ankizivavikely iray

Inona no Hataon’Andriamanitra mba Hanafoanana ny Fahantrana? —Matio 6:9, 10.

An-tapitrisany isan-taona ny olona maty satria mahantra loatra. Marary mantsy izy ireo na tsy ampy sakafo. Marina fa manankarena ny tany sasany. Mbola mahantra be anefa ny ankamaroan’ny olona. Milaza ny Baiboly fa efa olana hatramin’izay ny fahantrana ary tsy mety voavaha.—Vakio ny Jaona 12:8.

Ho foana ny fahantrana raha fanjakana iray ihany no mitondra an’izao tontolo izao, sady zarainy tsara ny harena eto an-tany. Tokony hofoanany koa ny ady, satria izany no tena mahatonga ny fahantrana. Nampanantena Andriamanitra fa hanorina fanjakana toy izany izy.—Vakio ny Daniela 2:44.

Iza no afaka manafoana ny fahantrana?

Efa nanendry an’i Jesosy Zanany Andriamanitra mba hitondra ny olombelona rehetra. (Salamo 2:4-8) Hanavotra ny mahantra izy, ary hanafoana ny fijaliana sy ny herisetra.—Vakio ny Salamo 72:8, 12-14.

Hampisy fiadanana sy fandriampahalemana eran-tany i Jesosy, satria “Andrianan’ny Fiadanana” izy. Samy hanana ny tranony daholo ny olona amin’izany fa tsy hanofa. Ho tiany be koa ny asany, ary ho betsaka ny sakafo.—Vakio ny Isaia 9:6, 7; 65:21-23.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ny toko 8 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Azo alaina ao amin’ny www.pr2711.com/mg io boky io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara