FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 15/11 p. 3-7
  • Ampio ho Lasa Mpanompon’i Jehovah ny Zanakao, Fizarana 1

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio ho Lasa Mpanompon’i Jehovah ny Zanakao, Fizarana 1
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • TIAVO NY ZANAKAO
  • MIEZAHA HANETRY TENA
  • MIEZAHA HAHAY HANDINIKA
  • HIHAINO ANAO ANDRIAMANITRA
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Ry Ray Aman-dreny, Arovy ny Lovanareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 15/11 p. 3-7
Lehilahy iray manambitamby ny zanany lahikely eo ambony fandriana, mandinika ny andinin-teny ho an’ny andro miaraka amin’ny vadiny sy ilay zanany, ary mampianatra an’ilay zanany hitaingina bisikileta

Ampio ho Lasa Mpanompon’i Jehovah ny Zanakao, Fizarana 1

‘Aoka ilay lehilahin’Andriamanitra hampianatra anay an’izay tokony hataonay amin’ilay zaza ho teraka.’—MPITS. 13:8.

HIRA: 88, 120

AHOANA NO HAMPISEHOANAO FA MANAHAKA AN’I JESOSY IANAO KA...

  • tia ny zanakao?

  • manetry tena?

  • mahay mandinika?

1. Inona no nataon’i Manoa rehefa fantany fa hanan-janaka izy?

NIERITRERITRA i Manoa sy ny vadiny hoe tsy hanan-janaka mihitsy. Momba mantsy ny vadin’i Manoa. Nisy anjelin’i Jehovah niseho taminy anefa, ary nilaza fa hanan-janaka izy mivady. Tena tsy nampino ilay izy! Faly be i Manoa, nefa fantany koa fa misy andraikitra lehibe miandry azy. Ratsy toetra be ny mpiara-monina tamin’izy ireo, ka ho vitan’izy mivady ve ny hanampy ny zanany ho lasa mpanompon’i Jehovah? “Nitalaho tamin’i Jehovah” i Manoa hoe: “Aoka re, azafady, mba hankatỳ aminay indray ilay lehilahin’Andriamanitra [anjely] nirahinao iny e, ka hampianatra anay an’izay tokony hataonay amin’ilay zaza ho teraka.”—Mpits. 13:1-8.

2. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny mba hampianarana ny zanany? (Jereo koa ilay hoe “Iza no Tena Tokony Hampianarinao Baiboly?”)

2 Azonao tsara angamba ny zavatra tsapan’i Manoa, raha ray na reny ianao. Manana andraikitra lehibe ianao satria mila manampy ny zanakao hahalala an’i Jehovah sy ho tia azy.a (Ohab. 1:8) Manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana àry ny ray aman-dreny kristianina sady ataony tsara izany. Mianatra foana momba an’i Jehovah ny zanany amin’izay, ary lasa tia azy kokoa. Tsy ampy anefa ny manao fianaram-pianakaviana isan-kerinandro, raha tianao hilentika ao an-tsain’ny zanakao ny fahamarinana. (Vakio ny Deoteronomia 6:6-9.) Inona no azonao atao mba hanampiana azy ho lasa mpanompon’i Jehovah, na dia sarotra aza izany? Ho hitantsika ato sy ao amin’ilay lahatsoratra manaraka hoe nahoana no mahasoa ny ray aman-dreny ny manahaka an’i Jesosy, na dia tsy nanan-janaka aza i Jesosy. Be fitiavana sy nanetry tena ary nahay nandinika izy, rehefa nampianatra sy nampiofana ny mpianany. Handinika an’ireo toetra ireo isika.

TIAVO NY ZANAKAO

3. Inona no porofo fa tian’i Jesosy ny mpianany?

3 Matetika i Jesosy no niteny tamin’ny mpianany fa tiany izy ireo. (Vakio ny Jaona 15:9.) Niaraka tamin’izy ireo foana koa izy. (Mar. 6:31, 32; Jaona 2:2; 21:12, 13) Tsy mpampianatra azy ireo fotsiny izy fa namany koa. Natoky àry izy ireo fa tena tia azy i Jesosy. Inona no azonao atao mba hanahafana an’i Jesosy?

4. Inona no azonao atao mba hampisehoana amin’ny zanakao fa tia azy ianao? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Lazao amin’ny zanakao hoe tianao izy ary tena sarobidy aminao. (Ohab. 4:3; Tit. 2:4) Hoy i Samuel, any Aostralia: “Namakian’i Dada an’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly aho isan-kariva, tamin’izaho mbola zazakely. Namaly ny fanontaniako foana koa izy, namihina ahy, ary nanoroka ahy rehefa hatory aho. Gaga be aho tatỳ aoriana rehefa nahalala hoe tsy mba natao an’izany izy tamin’ny mbola kely. Niezaka be anefa izy nampiseho hoe tia ahy. Lasa nifandray akaiky izahay ka sambatra erỳ aho sady nilamin-tsaina.” Ampio mba hahatsapa an’izany koa ny zanakao ka ilazao matetika hoe: “Tiako ianao.” Asehoy azy hoe tianao izy ka miresaha aminy, miaraha misakafo aminy, ary miaraha milalao aminy.

5, 6. a) Inona no ataon’i Jesosy amin’ireo olona tiany? b) Ahoana no tokony hananarana ny ankizy, ary inona no ho vokatr’izany eo aminy?

5 Hoy i Jesosy: “Izay rehetra iraiketan’ny foko no anariko sy faiziko.”b (Apok. 3:19) Imbetsaka ny mpianany no niady hevitra hoe iza no lehibe indrindra amin’izy ireo. Tsy kivy anefa izy fa nanoro hevitra azy ireo foana. Tsy navelany tamin’izao fotsiny koa izy ireo rehefa tsy nanaraka ny toroheviny. Tia azy ireo i Jesosy ka nananatra azy ireo moramora. Niandry ny fotoana mety sy nitady toerana mety hanaovana izany izy.—Mar. 9:33-37.

6 Asehoy fa tianao ny zanakao ka anaro. Ampy indraindray ny manazava hoe inona no mampety na tsy mampety ny zavatra iray. Ahoana anefa raha tsy mankatò anao izy? (Ohab. 22:15) Manahafa an’i Jesosy. Mifidiana fotoana sy toerana mety tsara ka anaro ny zanakao. Ampio moramora izy, ampianaro, ary ahitsio. Miezaha ho be fitiavana sy ho tsara fanahy. Hoy i Elaine, anabavy atsy Afrika Atsimo: “Nitana ny teniny foana ny ray aman-dreniko rehefa nananatra ahy. Rehefa nampitandrina ahy ry zareo hoe ho voasazy aho raha tsy mankatò azy, dia tena voasazy tokoa aho. Tsy tezitra mihitsy anefa ry zareo, sady nohazavainy foana hoe nahoana aho no voasazy. Tsapako àry hoe nitady izay hahasoa ahy ry zareo. Azoko mantsy hoe inona no tokony hataoko sy tsy tokony hataoko.”

MIEZAHA HANETRY TENA

7, 8. a) Inona no porofo fa nanetry tena i Jesosy? b) Nahoana ny vavaka ataonao no manampy ny zanakao hiantehitra amin’i Jehovah?

7 Hoy i Jesosy taloha kelin’ny nahafatesany: “Aba, Ray ô, hainao ny zava-drehetra. Esory amiko ity kaopy ity, nefa aoka tsy izay tiako no hatao, fa izay tianao.”c (Mar. 14:36) Eritrereto izay tsapan’ny mpianany rehefa nihaino an’io vavaka io, na nandre momba azy io tatỳ aoriana. Nianaran’izy ireo avy tamin’izy io fa nanetry tena i Jesosy ka niangavy ny Rainy hanampy azy, na dia Zanak’Andriamanitra lavorary aza. Tokony hanahaka azy àry izy ireo.

8 Inona no ianaran’ny zanakao avy amin’ny vavakao? Marina aloha fa tsy hoe mba hampianarana ny zanakao no tena antony ivavahanao. Hianatra hiantehitra amin’i Jehovah anefa izy, raha tsapany hoe manetry tena ianao rehefa mivavaka. Hoy i Ana, any Brezila: “Tonga dia nivavaka tamin’i Jehovah ny ray aman-dreniko rehefa nisy olana, ohatra hoe rehefa narary i Dadabe sy Bebe. Nivavaka izy ireo mba hampiany hahazaka an’ilay olana sy hahay hanapa-kevitra. Nankininy tamin’i Jehovah foana ny olana nahazo azy, na dia niady saina be aza izy ireo. Lasa nianatra niantehitra tamin’i Jehovah àry aho.” Rehefa miara-mivavaka amin’ny zanakao ianao, dia aza mivavaka ho azy fotsiny fa mivavaha ho anao koa. Mivavaha, ohatra, mba hahazoanao andro tsy iasana hanatrehana fivoriambe, na mba hanananao herim-po hitoriana amin’ny mpiara-monina. Miezaha hanetry tena ary miantehera amin’i Jehovah, dia hanao toy izany koa ny zanakao.

9. a) Inona no nataon’i Jesosy mba hampianarana ny mpianany hanompo ny hafa? b) Inona no ho vokany eo amin’ny zanakao raha mahafoy tena ho an’ny hafa ianao?

9 Nanetry tena i Jesosy ka nanompo ny hafa. Nampirisika ny mpianany mba hanao toy izany koa izy. (Vakio ny Lioka 22:27.) Nampianariny hahafoy tena ho an’i Jehovah sy ho an’ny mpiray finoana aminy ny apostoliny. Hampianatra ny zanakao hanetry tena sy hahafoy tena koa ianao raha manao toy izany. Hoy i Debbie, anabavy manan-janaka roa: “Anti-panahy ny vadiko ka betsaka ny fotoana laniny hanampiana olona. Tsy mahasarotiny ahy mihitsy anefa izany. Fantatro mantsy fa ho eo foana izy rehefa mila azy izahay ao an-trano.” (1 Tim. 3:4, 5) Hoy koa i Pranas vadiny: “Lasa nazoto nanao asa an-tsitrapo ny zanakay, rehefa nisy fivoriambe na tetikasan’ny fandaminana. Falifaly izy ireo sady nahazo namana ka satriny foana hiaraka amin’ny mpiara-manompo.” Manompo manontolo andro daholo izao izy mianakavy. Hianatra hanompo ny hafa koa ny zanakao raha manetry tena sy mahafoy tena ianao.

MIEZAHA HAHAY HANDINIKA

10. Ahoana no ahitana fa nahay nandinika i Jesosy rehefa nisy vahoaka nitady azy?

10 Nahay nandinika i Jesosy ka fantany hatramin’ny antony nanaovan’ny olona zavatra iray. Nitady mafy azy, ohatra, ny olona sasany tany Galilia. (Jaona 6:22-24) Nahalala ny tao am-pon’ny olona anefa i Jesosy, ka hainy hoe te hahazo sakafo izy ireo fa tsy tena te hihaino ny fampianarany. (Jaona 2:25) Nanitsy azy ireo moramora àry izy ka nohazavainy izay tokony hataon’izy ireo.—Vakio ny Jaona 6:25-27.

Raim-pianakaviana iray miaraka amin’ny zanany lahikely eny am-pitoriana

Tena tia manompo ve ny zanakao? (Fehintsoratra 11)

11. a) Inona no hanampy anao hahalala raha tia manompo ny zanakao na tsia? b) Inona no azonao atao mba ho tia manompo ny zanakao?

11 Tsy mahita ny ao am-pon’ny zanakao ianao, nefa afaka mandinika tsara hoe tia manompo izy sa tsia. Maro, ohatra, ny ray aman-dreny miato kely rehefa manompo, amin’izay ny zanany afaka maka aina sy misakafo kely. Mandiniha tsara anefa ka eritrereto hoe: ‘Tena tia manompo ve ny zanako sa ilay misakafo fotsiny no tena tiany?’ Ampio hanana tanjona izy raha hitanao hoe mbola mila miezaka ho tia manompo. Ampanaovy zavatra izy eny amin’ny fanompoana, mba hahatsapany hoe ilaina izy.

12. a) Inona no nampitandreman’i Jesosy ny mpianany, noho izy nahay nandinika? b) Nahoana no tena nilain’ny mpianany ilay fampitandremany?

12 Nahay nandinika koa i Jesosy ka nahalala ny antony mahatonga ny olona hanota. Efa fantatry ny mpianany, ohatra, fa ratsy ny mijangajanga. Nohazavain’i Jesosy tamin’izy ireo anefa fa misy zavatra mety hahatonga ny olona hijangajanga. Hoy izy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady. Raha ny masonao havanana àry no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao.” (Mat. 5:27-29) Ny Romanina no nifehy ny Jiosy tamin’izany, ary tia zavatra vetaveta izy ireo. Hoy ny mpahay tantara iray: “Nahita sy nahare zavatra vetaveta ny olona rehefa nijery tantara an-tsehatra, ary izay mamoafady indrindra no tena be mpitia.” Tena nilain’ny Kristianina tamin’izany àry ilay fampitandreman’i Jesosy. Tena nahay nandinika sy be fitiavana izy matoa nampitandrina azy ireo mba tsy hijery zavatra mety hahatonga azy ireo hijangajanga.

13, 14. Inona no azonao atao mba hiarovana ny zanakao tsy hanao fialam-boly ratsy?

13 Mila mahay mandinika koa ianao raha te hiaro ny zanakao mba tsy hanao zavatra mampalahelo an’i Jehovah. Mbola tena kely izao ny ankizy dia efa afaka mahita sary vetaveta sy zava-dratsy hafa. Azo antoka fa mampianatra an-janany ny ray aman-dreny kristianina hoe ratsy ny fialam-boly toy ireny. Raha mahay mandinika anefa ianao, dia hiezaka hahalala hoe inona no mety hahatonga ny zanakao hijery sary vetaveta. Eritrereto izao: ‘Inona no mety hahatonga ny zanako hijery sary vetaveta? Fantany ve hoe nahoana no tena ratsy ilay izy? Mora hatonina ve aho ka ho sahy hangataka torohevitra amiko izy raha vao mitady hijery sary vetaveta?’ Mety ho mbola kely ny zanakao nefa azonao ilazana hoe: “Raha sendra mahita zavatra misy sary vetaveta ianao ka te hijery an’ilay izy, dia aza misalasala miresaka amiko. Aza menamenatra fa te hanampy anao aho.”

14 Hifidy tsara ny fialam-boly hataonao koa ianao raha mahay mandinika. Hoy ihany i Pranas, ilay voaresaka terỳ aloha: “Izay mozika na filma na boky tian’ny ray aman-dreny ihany no henoin’ny ankizy na vakiny na jereny. Na inona na inona teneninao aminy, dia izay ataonao ihany no hitany ka tahafiny.” Azo antoka fa hahay hifidy fialam-boly ny zanakao, raha hitany fa mifidy tsara ny fialam-boly hataonao ianao.—Rom. 2:21-24.

HIHAINO ANAO ANDRIAMANITRA

15, 16. a) Nahoana ianao no afaka matoky fa hanampy anao hampianatra ny zanakao i Jehovah? b) Inona no horesahin’ny lahatsoratra manaraka?

15 Inona no nitranga rehefa niangavy an’i Jehovah i Manoa mba hanampy azy hitaiza ny zanany? Hoy ny Mpitsara 13:9: “Nohenoin’Andriamanitra ny fangatahan’i Manoa.” Hihaino anareo ray aman-dreny koa i Jehovah. Hamaly ny vavakareo izy ka hanampy anareo hampianatra ny zanakareo. Ho vitanareo izany raha be fitiavana sy manetry tena ary mahay mandinika ianareo.

16 Tsy ny ray aman-dreny manan-janaka kely ihany no ampian’i Jehovah fa izay manana zanaka tanora koa. Tianao ve ny ho be fitiavana sy hanetry tena ary hahay handinika toa an’i Jesosy, rehefa mampianatra ny tanora hanompo an’i Jehovah? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

a Ny zaza vao teraka ka hatramin’ny ankizy 12 taona no resahina ato amin’ity lahatsoratra ity.

b Ampianarin’ny Baiboly fa ny hoe mananatra dia midika hoe manome tari-dalana, mampiofana, manitsy, ary indraindray manasazy. Tsy tokony ho tezitra mihitsy anefa ilay olona rehefa mananatra.

c Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy): ‘Fomban’ny ankizy tamin’ny andron’i Jesosy ny niantso ny rainy hoe Aba. Teny maneho fanajana sy fitiavana izy io.’

Iza no Tena Tokony Hampianarinao Baiboly?

Raim-pianakaviana miara-mianatra amin’ny zanany lahikely, ka mampiasa ny boky Ampianarina sy ilay fanitaram-pahalalana ao amin’ny jw.org

NY BOKY Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? no tena ampiasaintsika mba hanampiana ny olona hahalala an’i Jehovah sy ny fahamarinana. Mampiasa ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra” koa isika mba hanampiana ny olona ho tia an’i Jehovah sy ny fitsipiny.

Ny zanakao no tena tokony hampianarinao Baiboly. Mila mianatra momba an’i Jehovah izy ireo, ary mila miezaka ho tia azy sy ny fitsipiny. Mampirisika anao àry izahay mba hampianatra ny zanakao amin’ny boky Ampianarina sy ny boky “Fitiavan’Andriamanitra”, na dia mety ho ianao irery aza no Vavolombelona aminareo mivady. (Ohab. 6:20) Azonao ampiasaina ilay fanitaram-pahalalana ao amin’ny jw.org mba hanampiana ny zanakao hisaintsaina an’izay nianarany tao amin’ny boky Ampianarina. Hanohina ny fony ilay lesona amin’izay.—Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANORA > INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?d

d Tsy voatery ho ny mpivady no miara-mampianatra an’ilay ankizy fa ny iray ihany, ary tsy amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana no anaovana azy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara