FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/12 p. 6-7
  • Iza no Afaka Manampy Anao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Afaka Manampy Anao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • IZA NO NANAMPY NY OLONA TALOHA?
  • IZA NO METY HO AFAKA HANAMPY ANAO?
  • Ilay Tranonkala ho An’ny Olon-drehetra!
    Mifohaza!—2014
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2014
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2014
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2014
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/12 p. 6-7

MATOAN-DAHATSORATRA | ILAINA VE NY MAHAZO IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Iza no Afaka Manampy Anao?

Eritrereto hoe mandeha any amin’ny toerana mbola tsy nalehanao mihitsy ianao. Vaovao aminao daholo ny olona any, ny fombany, ny sakafony, ary ny vola ampiasainy. Mety ho sorena ianao, ary ara-dalàna izany.

Mety ho hoatr’izany koa no tsapanao tamin’ianao vao namaky Baiboly. Toy ny hoe niaina tamin’ny andro taloha ianao ary vaovao aminao daholo ny zavatra rehetra. Mahita an’ireo olona atao hoe Filistinina ianao. Hafahafa aminao ilay fombafomba hoe ‘mandrovitra akanjo.’ Tsy mahazatra anao koa ilay sakafo hoe mana sy ilay vola hoe drakma. (Eksodosy 16:31; Josoa 13:2; 2 Samoela 3:31; Lioka 15:8, 9) Mety hanahirana ny sainao izany rehetra izany. Mitovy amin’ilay mankany amin’ny tany mbola tsy nalehanao ihany izany. Tsy ho faly ve ianao raha misy olona afaka manampy anao?

IZA NO NANAMPY NY OLONA TALOHA?

Tamin’ny taona 1500 T.K. tany ho any no nanomboka nosoratana ireo boky lasa anisan’ny Soratra Masina. Efa tamin’izany no nampiana mba hahazo tsara izay voalaza tao ny olona. Niezaka nanazava an’izay voasoratra tao amin’ireny boky ireny, ohatra, i Mosesy, mpitarika voalohany teo amin’ny firenen’Israely.—Deoteronomia 1:5.

Mbola nisy mpampianatra ny Soratra Masina nahay ihany, 1000 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nisy Jiosy maro be nivory, ohatra, teo amin’ny tany malalaka iray tany Jerosalema, tamin’ny 455 T.K. Nisy ankizy be dia be koa nanatrika teo. ‘Namaky mafy’ ny Soratra Masina ireo mpampianatra ny Baiboly tamin’izay. Tsy vitan’izay fa “nataon’izy ireo azon’ny olona tsara izay novakina.”—Nehemia 8:1-8.

Nampianatra koa i Jesosy Kristy, 500 taona tatỳ aoriana. Mpampianatra mihitsy aza no tena nahalalan’ny olona azy. (Jaona 13:13) Olona be dia be indraindray no nampianariny ary indraindray olona vitsivitsy. Olona maro be, ohatra, no nampianariny tamin’izy nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. ‘Nitolagaga izy ireo noho ny fomba fampianany.’ (Matio 5:1, 2; 7:28) Niresaka tamin’ny mpianany roa koa i Jesosy, tamin’ny lohataonan’ny taona 33. Teny an-dalana ho any amin’ny tanàna kely iray teo akaikin’i Jerosalema izy ireo tamin’izay. “Nanazava tsara ny Soratra Masina” tamin’izy ireo i Jesosy.—Lioka 24:13-15, 27, 32.

Nampianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ny mpianatr’i Jesosy. Namaky andinin-teny tao amin’ny Soratra Masina, ohatra, indray mandeha ny manam-pahefana iray avy any Etiopia. Nanatona azy ny mpianatra atao hoe Filipo ka nanontany hoe: “Tena azonao ve izay vakinao?” Hoy ilay Etiopianina: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy manoro ahy?” Nohazavain’i Filipo taminy àry ny hevitr’ilay andinin-teny.—Asan’ny Apostoly 8:27-35.

IZA NO METY HO AFAKA HANAMPY ANAO?

Manao toa an’ireny mpampianatra Baiboly taloha ireny koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampianatra Baiboly any amin’ny tany 239 izy ireo. (Matio 28:19, 20) Olona sivy tapitrisa mahery isan-kerinandro no ampianarin’izy ireo Baiboly. Maro amin’izy ireny no tsy Kristianina. Maimaim-poana ilay fianarana ary azo atao any an-tranon’ilay olona na any an-toeran-kafa. Atao amin’ny alalan’ny video ny fianaran’ny olona sasany, ka mampiasa ordinatera na fitaovana elektronika hafa izy ireo amin’izany. Misy koa mianatra amin’ny alalan’ny telefaonina.

Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah raha tianao ny hahalala misimisy kokoa momba an’ilay fianarana. Ho hitanao fa tsy sarotra ny mahazo izay lazain’ny Baiboly. “Mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso”, ary “hanafaizana araka ny fahamarinana” izy io. Amin’izay ianao “ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”—2 Timoty 3:16, 17.

Jereo ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? ao amin’ny www.pr2711.com/mg

Jereo ilay video hoe Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly? ao amin’ny www.pr2711.com/mg

Tranonkala Afaka Manampy Anao

Vehivavy any amin’ny fisotroana kafe, ary mijery ny tranonkala jw.org ao amin’ny tablette-ny

Te hahafantatra izay voalazan’ny Baiboly ve ianao? Midira àry ao amin’ny tranonkala jw.org/mg. Maimaim-poana ilay izy sady misy amin’ny fiteny 700 mahery. Mety hahaliana anao ireto:

Fanontaniana fametraky ny olona

  • Inona no antony ahavelomantsika?

  • Nahoana ny olona no maty?

  • Manao ahoana ny olona rehefa maty?

(Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY)

Fomba hamahana olana

  • Afaka manampy ahy ve ny Baiboly raha kivy aho?

  • Afaka manampy ahy ve ny Baiboly raha manana aretina mitaiza aho?

  • Ahoana raha manana olana ara-bola ianao na be trosa?

(Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY)

Torohevitra ho an’ny fianakaviana

  • Miezaha mba tsy hifamaly

  • Ampio ny zanakao ho lasa olon-dehibe matotra

  • Ampianaro hahay hitondra tena tsara ny zanakao

(Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > MPIVADY & RAY AMAN-DRENY)

Torohevitra ho an’ny tanora

  • Inona no azoko atao raha misy manadala ahy?

  • Inona no ataoko fa ampijalin’ny ankizy aho?

  • Ahoana raha tsy mana-namana aho?

(Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANORA)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara