FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w15 1/12 p. 12-14
  • I Petera ve no Papa Voalohany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • I Petera ve no Papa Voalohany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “EO AMBONIN’IZANY VATOLAMPY IZANY NO HANORENAKO NY EGLIZIKO”
  • “HIANAO NO PIERA”
  • MPANDIMBY AN’I PETERA VE NY PAPA?
  • “Mpandimby An’i Masindahy Piera” ve ny Papa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ny tsy fetezan-ko diso sy ny Kristiana Voalohany
    Mifohaza!—1990
  • Tsy Nivadika na dia teo aza ny Fitsapana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ny tena Fiangonana na Eglizy sy ny fanorenany
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
w15 1/12 p. 12-14
Ny apostoly Petera miresaka amin’i Jesosy

I Petera ve no Papa Voalohany?

‘Ny Kardinaly Jorge Mario Bergoglio no voafidy ho Papa Fara Tampony. Izy no Papa faha-265 nandimby an’i Piera.’—FAMPITAM-BAOVAON’I VATIKANA, ANY VATIKANA, 13 MARTSA 2013.

“Ny evekan’i Roma no ambony indrindra ao amin’ny Eglizy eran-tany, satria izy no mpandimby an’i Masindahy Piera, sady i Jeso Kristy no nanendry azy.”—NY FAHEFANA AMBONY INDRINDRA NANANAN’NY EVEKAN’I ROMA NANDRITRA NY TAONJATO TELO VOALOHANY, 1903, NOSORATAN’I VINCENT ERMONI.

‘Raha misy olona miteny hoe tsy mpandimby an’i Masindahy Piera ny Papa, dia voaozona izany olona izany [izany hoe tokony hoheverina ho mpivadi-pinoana].’—KONSILIN’I VATIKANA VOALOHANY, 18 JOLAY 1870.

KATOLIKA an-tapitrisany eran-tany no mihevitra fa fampianarana tsy azo ovana sady tsy maintsy arahina ilay didy navoakan’ny Konsilin’i Vatikana Voalohany, tamin’ny 1870. Tokony hieritreritra ihany anefa isika hoe: Mifanaraka amin’izay lazain’ny Soratra Masina ve izany fampianarana izany? Tena mpandimby ny apostoly Petera tokoa ve i Papa François? Ary i Petera ve no papa voalohany?

“EO AMBONIN’IZANY VATOLAMPY IZANY NO HANORENAKO NY EGLIZIKO”

Namoaka didy ny Konsilin’i Vatikana, tamin’ny 1870. Nataon’izy ireo nifanaraka tamin’izay fahazoany an’ireo teny ao amin’ny Matio 16:16-19 sy Jaona 21:15-17 izany. Hitantsika amin’ny resak’i Jesosy sy Petera ao amin’ireo andininy ireo sy ny andininy hafa fa nanana andraikitra lehibe teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany ny apostoly Petera. Tamin’i Jesosy sy Petera nihaona voalohany mihitsy aza, dia efa nilaza i Jesosy fa ho toy ny vato i Petera, izany hoe ho azon’ny Kristianina ianteherana tsara any aoriana any. (Jaona 1:42)a Nomen’i Kristy fahefana ambony indrindra ve anefa izy?

Hoy i Jesosy tamin’i Petera: “Izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko.” (Matio 16:17, 18) Te hilaza ve i Jesosy fa haoriny eo ambonin’i Petera ny ‘Egliziny’ na ny fiangonany, nefa i Petera olombelona ihany? I Petera ve no lehiben’ny mpanara-dia an’i Jesosy rehetra? Nisy apostoly hafa koa naheno an’ireo tenin’i Jesosy ireo. Ahoana no fahazoan’izy ireo an’ilay izy? Milaza ny Filazantsara fa imbetsaka izy ireo taorian’izay no niady hoe iza no lehibe indrindra tamin’izy ireo. (Matio 20:20-27; Marka 9:33-35; Lioka 22:24-26) Raha efa nilaza àry i Jesosy fa i Petera no lehibe indrindra amin’ny apostoly, dia mbola hiady hoatr’izany ihany ve izy ireo?

Ary ahoana no fahazoan’i Petera an’ilay tenin’i Jesosy? Israelita i Petera, ka azo inoana hoe fantany tsara ireo faminaniana isan-karazany ao amin’ny Soratra Hebreo momba ny “vato” na “vatolampy.” (Isaia 8:13, 14; 28:16; Zakaria 3:9) Niresaka iray tamin’ireo faminaniana ireo i Petera ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny mpiray finoana taminy. Nanazava izy fa i Jesosy Kristy Tompo, na ny Mesia, ilay “vatolampy” resahina ao amin’ilay faminaniana. Tamin’i Jesosy ihany i Petera no nampiasa an’ilay teny grika hoe petra (mitovy amin’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 16:18).—1 Petera 2:4-8.

Anisan’ny mpianatr’i Jesosy koa ny apostoly Paoly, ary tsy nivadika taminy izy. Nino ve izy fa nomen’i Jesosy fahefana ambony indrindra i Petera? Niaiky i Paoly tao amin’ny taratasy nosoratany fa anisan’ireo “natao ho andry fiankinana” i Petera. Nanaiky izy fa tsy iray ihany ny ‘andry niankinan’ny’ fiangonana fa nisy maromaro. (Galatianina 2:9) Ankoatra izany, raha notendren’i Jesosy ho lehiben’ny fiangonana i Petera, ny mpiray finoana aminy ve dia hieritreritra hoe andrin’ny fiangonana fotsiny izy?

Hitan’i Paoly hoe nisy fotoana i Petera nanavakavaka. Nanaja azy i Paoly nefa tsy nisalasala nanitsy azy. Hoy izy: ‘Notoheriko an-kitsirano izy, fa hita fa nanan-tsiny.’ (Galatianina 2:11-14) Tsy nieritreritra i Paoly hoe naorin’i Kristy teo ambonin’i Petera na lehilahy hafa tsy lavorary ny egliziny na ny fiangonany. Nino kosa izy fa i Jesosy Kristy no fototra iorenan’ny fiangonana. Nilaza i Paoly fa i Kristy ilay “vatolampy.”—1 Korintianina 3:9-11; 10:4.

“HIANAO NO PIERA”

Inona àry no dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Hianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko”? Raha tiantsika ho azo tsara ny andinin-teny iray, dia mila mijery ny teny manodidina isika. Inona no noresahin’i Jesosy sy Petera? Vao avy nanontany ny mpianany i Jesosy hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?” Tsy nisalasala i Petera namaly hoe: “Hianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona.” Nidera an’i Petera i Jesosy tamin’izay, ary nilaza fa haoriny eo ambonin’ny “vatolampy” mafy kokoa ny ‘Egliziny’ na ny fiangonany. I Jesosy izany “vatolampy” izany, ary izy ilay vao avy nolazain’i Petera hoe “Kristy zanak’Andriamanitra.”—Matio 16:15-18.

Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Hianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko”?

Maro tamin’ireo “Rain’ny Eglizy” no nino an’izany, ka nilaza fa i Kristy ilay vatolampy ao amin’ny Matio 16:18. Izao, ohatra, no nolazain’i Augustin, tamin’ny taona 450 tany ho any: “Hoy ny Tompo: ‘Eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko.’ Niteny taminy mantsy i Piera hoe: ‘Hianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona.’ Te hilaza àry i Jeso fa eo amin’io vatolampy nolazain’i Piera io no haoriny ny Egliziny.” Imbetsaka i Augustin no nilaza fa “i Kristy ilay Vatolampy (Petra).”

Noheverina ho mpivadi-pinoana i Augustin sy ny namany raha jerena ny fampianaran’ny Katolika amin’izao. Nilaza koa i Ulrich Luz, teolojianina avy any Soisa, fa raha ilay Konsilin’i Vatikana tamin’ny 1870 no jerena, dia toy ny hoe mpivadi-pinoana koa ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly amin’izao andro izao. Mitovy hevitra amin-dry Augustin mantsy izy ireo.

MPANDIMBY AN’I PETERA VE NY PAPA?

Tsy nahafantatra an’ilay anaram-boninahitra hoe “papa” ny apostoly Petera. Eveka maro no nampiasa an’io anarana io hatramin’ny taonjato fahasivy, ary tsy evekan’i Roma izy ireo. Tsy tena noheverina ho anaram-boninahitra ilay hoe papa tamin’izany. Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-11 ilay izy vao lasa natao anaram-boninahitra. Tsy nisy nieritreritra koa ny Kristianina voalohany hoe nomena toerana ambony indrindra i Petera, dia avy eo nomena an’izay nandimby azy ilay izy. Nilaza àry i Martin Hengel, manam-pahaizana alemà, fa tsy misy ‘porofo ara-tantara na ara-pivavahana mihitsy ahitana hoe nomena fahefana ambony indrindra ny papa.’

I Petera àry ve no papa voalohany? Nisy mpandimby ve izy? Mifanaraka amin’izay voalazan’ny Soratra Masina ve ny fampianaran’ny Katolika hoe ny papa no ambony indrindra? Mazava ho azy fa tsia daholo ny valin’ireo! Tena nanorina ny egliziny na ny fiangonany kosa i Jesosy, ary izy no “vato fehizoro” nanorenany an’ilay izy. (Efesianina 2:20) Eritrereto àry izao fa tena zava-dehibe: ‘Efa anisan’io fiangonana io ve aho?’

a Nalaina avy ao amin’ny Baiboly Fandikan-teny Katolika ny andinin-teny ato amin’ity lahatsoratra ity.

Ny Konsilin’i Vatikana Voalohany tamin’ny taona 1869 hatramin’ny 1870

Avy Aiza Ilay Anaram-boninahitra hoe Papa?

  • Taona 32: Nilaza i Jesosy fa izy no “vato fehizoro” hanorenany ny egliziny na ny fiangonany. Tsy nanome fahefana ambony indrindra ho an’ny apostoly Petera izy

  • Taona 55-64: Hazavain’ny apostoly Paoly sy Petera ao amin’ny taratasy nosoratan’izy ireo fa i Jesosy irery ihany no fototra iorenan’ny fiangonana kristianina

  • Taona 254-257: Nilaza i Étienne, evekan’i Roma, fa izy no lehibe indrindra tamin’ireo eveka, satria izy no mpandimby an’i Petera. Tsy nanaiky an’izany anefa ny eveka sasany, toa an’i Firmilien avy any Kaisaria sy Cyprien avy any Carthage

  • Taona 296-304: Tamin’izay no nahitana soratra voalohany niantsoana ny evekan’i Roma tamin’ilay anaram-boninahitra hoe “papa”

  • Taona 450 tany ho any: Nampiasa an’ilay Matio 16:18 i Léon I, anisan’ny evekan’i Roma, mba hilazana fa izy no manana fahefana ambony indrindra amin’ny eveka

  • Taona 550 tany ho any: Vao mainka nampiasaina hiantsoana ny evekan’i Roma ilay anaram-boninahitra hoe papa. Eveka maro no mbola nampiasa an’io anarana io hatramin’ny taonjato fahasivy, ary tsy evekan’i Roma izy ireo

  • 1075: Nilaza i Grégoire Faha-7 fa ny evekan’i Roma ihany no azo antsoina hoe “papa.” Nilaza ny mpahay tantara iray fa ny didy navoakan’i Grégoire momba ny papa no nahatonga ny papa “ho toy ny hoe solon’i Kristy”

  • 1870: Nilaza ny Konsilin’i Vatikana Voalohany fa “ny papa no mpandimby an’i Masindahy Piera, izay Filohan’ny Apostoly, sady Solontenan’i Kristy, ary Lohan’ny Eglizy rehetra”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara