FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w16 Aogositra p. 20-24
  • Mila Mandroso Ara-panahy ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mila Mandroso Ara-panahy ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY DIKAN’NY HOE MANDROSO ARA-PANAHY
  • MIEZAHA MAFY MBA HANDROSO KOKOA
  • AZA KIVY MIHITSY
  • HATSARAO NY FANOMPOANAO
  • MIEZAHA HANDROSO DIA HAHAZO VONINAHITRA I JEHOVAH
  • Ry Tanora, Miezaha Handroso Foana na dia Aorian’ny Batisa Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Ny Fanaovana Dingana Hentitra mba Hitohizan’ny Fandrosoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Torohevitra Hanampy Anao Hifidy sy Hanatratra Tanjona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Aza Mitsahatra Manao Fandrosoana Ara-panahy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
w16 Aogositra p. 20-24
Anabavy telo miara-mitory an-telefaonina. Mihaino tsara ilay tovovavy iresahan’izy ireo

Mila Mandroso Ara-panahy ve Ianao?

“Miezaha mafy amin’ny vakiteny ampahibemaso sy amin’ny fananarana ary ny fampianarana.”​—1 TIM. 4:13.

HIRA: 45, 70

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona no azonao atao raha te handroso ara-panahy ianao?

  • Inona no hanampy anao tsy ho kivy fa hiezaka handroso ara-panahy foana?

  • Inona no azonao atao mba hahatonga anao hahita vokatra kokoa rehefa manompo?

1, 2. a) Inona no manaporofo fa tanteraka amin’izao andro farany izao ny Isaia 60:22? b) Inona no ilain’ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah?

HOY ny Isaia 60:22: “Ny vitsy ho lasa arivo, ary ny kely ho lasa firenena mahery.” Tanteraka amin’izao andro farany izao izany. Nisy 8 220 105 ny mpitory eran-tany nandritra ny taom-panompoana 2015. Tokony hisaintsaina ny tapany farany amin’io andininy io anefa ny Kristianina tsirairay. Milaza i Jehovah ao hoe: “Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoanany.” Tsapantsika hoe mandroso haingana be tokoa izao ny asa fitoriana sy fampianarana, ka hoatran’ny hoe ao anaty fiara mandeha haingana be isika. Inona no vokatr’izany eo amintsika? Mazoto mitory ny vaovao tsara ve isika? Be dia be ny rahalahy sy anabavy manao mpisava lalana maharitra na mpanampy. Maro koa no manitatra na manampy amin’ny asa hafa ataon’ny fandaminana. Tsy mahafaly antsika ve izany?

2 Mbola mila mpiasa maro kokoa anefa isika. Misy fiangonana vaovao 2 000 eo ho eo mantsy isan-taona. Raha hasiana anti-panahy 5 ny fiangonana vaovao tsirairay, dia tokony ho 10 000 isan-taona ny mpanampy amin’ny fanompoana miezaka hahafeno fepetra ho mpiandraikitra. Midika izany hoe rahalahy maro be no mila mahafeno fepetra ho mpanampy amin’ny fanompoana. “Be atao foana amin’ny asan’ny Tompo” koa isika rehetra, na rahalahy isika na anabavy.​—1 Kor. 15:58.

NY DIKAN’NY HOE MANDROSO ARA-PANAHY

3, 4. Inona no tanjona azonao tratrarina eo amin’ny fanompoana?

3 Vakio ny 1 Timoty 3:1. Avy amin’ny teny grika midika hoe manakatra, ilay hoe “miezaka.” Zavatra lavidavitra fa tsy akaiky no takarina. Nampiasa an’io teny io ny apostoly Paoly, satria te hanasongadina hoe mila miezaka ny olona iray te handroso ara-panahy. Aoka hatao hoe mieritreritra ny andraikitra azony atao eo anivon’ny fiangonana ny rahalahy iray. Mbola tsy mpanampy amin’ny fanompoana angamba izy. Tsapany hoe mila miezaka ho tsara toetra kokoa izy. Miezaka hahafeno fepetra ho mpanampy amin’ny fanompoana àry izy aloha. Manantena izy fa mbola hahafeno fepetra ho anti-panahy. Na te ho lasa mpanampy amin’ny fanompoana izy na te ho lasa anti-panahy, dia miezaka mafy foana mba hahafeno fepetra hikarakara ny fiangonana.

4 Mila miezaka mafy koa izay te ho lasa mpisava lalana, na mpianakavin’ny Betela, na mpiasa an-tsitrapo manorina Efitrano Fanjakana. Ho hitantsika ato fa mampirisika antsika rehetra mba hiezaka handroso ny Tenin’Andriamanitra.

MIEZAHA MAFY MBA HANDROSO KOKOA

5. Ahoana no azon’ny tanora ampiasana ny tanjany eo amin’ny fanompoana?

5 Mbola matanjaka ny tanora ka afaka manompo bebe kokoa an’i Jehovah. (Vakio ny Ohabolana 20:29.) Misy, ohatra, manorina sy mikojakoja Efitrano Fanjakana. Manompo ao amin’ny Betela koa ny tanora sasany, ka manao pirinty sy manakambana Baiboly na boky ara-baiboly. Misy koa manampy tra-boina miaraka amin’ny Vavolombelona efa za-draharaha. Be dia be koa ny tanora mpisava lalana mianatra tenim-paritra na teny vahiny, mba hitoriana ny vaovao tsara.

6-8. a) Inona no nanampy ny tanora iray hankafy ny fanompoana, ary inona no vokatr’izany? b) Hazavao ilay hoe: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.”

6 Azo antoka fa fantatrao hoe tena tokony hanompo an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo ianao. Mety hahatsapa toa an’i Aaron anefa ianao. Hoy izy: “Nankaleo be an’ahy ny mitory sy mivory.” Notezaina tao amin’ny fahamarinana izy, ary tiany raha mba mahafinaritra azy ny manompo an’i Jehovah. Gaga anefa izy hoe tsy nahatsapa an’izany. Inona no nataony?

7 Niezaka namaky Baiboly tsy tapaka i Aaron, nanomana tsara an’ireo fivoriana, ary nandray anjara rehefa tonga tany. Nivavaka matetika koa izy. Lasa tia kokoa an’i Jehovah izy avy eo, dia nandroso ara-panahy. Lasa nahafinaritra azy ny nanao mpisava lalana, nandray anjara tamin’ny fanampiana tra-boina, ary nitory tany an-tany hafa. Manompo ao amin’ny Betela izy izao ary anti-panahy. Inona no tsapany? Hoy izy: “Nanandrana aho dia nahita hoe ‘tsara i Jehovah.’ Notahiny aho dia lasa te hanompo bebe kokoa satria te hamaly fitia azy. Dia vao mainka aho notahiny.”

8 Nihira toy izao ny mpanao salamo: ‘Izay mitady an’i Jehovah tsy mba ho ory zava-tsoa.’ (Vakio ny Salamo 34:8-10.) Tsy mba mandiso fanantenana an’izay mazoto manompo azy tokoa i Jehovah. Raha manao izay azontsika atao isika mba hanompoana azy, dia toy ny hoe ‘manandrana’ ka hahita fa ‘tsara izy.’ Tena ho sambatra isika raha manompo azy amin’ny fo manontolo.

AZA KIVY MIHITSY

9, 10. Nahoana isika no tokony ho “vonona hiandry”?

9 Tokony ho “vonona hiandry” isika rehefa miezaka manatratra tanjona. (Mika 7:7) Mety havelan’i Jehovah hiandry elaela mantsy isika vao hahazo tombontsoam-panompoana na hiova ny zavatra iainantsika. Manohana antsika foana anefa izy raha tsy mivadika isika. Nampanantena an’i Abrahama, ohatra, i Jehovah hoe hiteraka lahy izy. Nila naneho finoana sy niandry anefa i Abrahama. (Heb. 6:12-15) Tsy kivy izy na dia niandry nandritra ny taona maro aza vao nanan-janaka. Tsy nandiso fanantenana azy i Jehovah.​—Gen. 15:3, 4; 21:5.

10 Tsy mora ny miandry. (Ohab. 13:12) Ho kivy tanteraka anefa ianao raha mieritreritra foana an’izay zavatra nandiso fanantenana anao. Tsy aleo ve miezaka manatsara ny toetranao, amin’izay ianao hahafeno fepetra ka hahazo andraikitra? Inona avy no hanampy anao hanao izany?

11. Inona no tokony hiezahantsika, ary nahoana izany no tena ilaina?

11 Hatsarao ny toetranao. Rehefa mamaky Baiboly sy misaintsaina an’izay vakinao ianao, dia hanana fahendrena, ho lalin-tsaina, hanao ny rariny, hanam-pahalalana sy fahaiza-misaina. Tena mila an’ireo ny rahalahy mikarakara fiangonana. (Ohab. 1:1-4; Tit. 1:7-9) Lasa haintsika koa ny hevitr’i Jehovah momba ny zavatra maro rehefa mamaky an’ireo boky sy gazety ara-baiboly isika. Hampifaly an’i Jehovah isika avy eo rehefa ampiharintsika izay nianarantsika. Mila manapa-kevitra mantsy isika isan’andro hoe inona no fialam-boly hataontsika sy ny akanjo hanaovantsika, ary ahoana no hampiasantsika ny volantsika sy hifandraisana tsara amin’ny hafa.

12. Inona no hataontsika raha mendri-pitokisana isika?

12 Miezaha ho mendri-pitokisana. Mila manao tsara an’izay ampanaovina antsika isika, na rahalahy isika na anabavy. Nitady olona hiantsoroka andraikitra teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, ohatra, i Nehemia Governora. Olona hoatran’ny ahoana no nofidiny? Mendri-pitokisana sy natahotra an’Andriamanitra. (Neh. 7:2; 13:12, 13) Hoatr’izany koa ankehitriny. “Olona mendri-pitokisana” no omena andraikitra bebe kokoa. (1 Kor. 4:2) Mila manao zavatra tsara foana àry isika, fa tsy maintsy hisy hahamarika izany.​—Vakio ny 1 Timoty 5:25.

13. Ahoana no azonao anahafana an’i Josefa raha nisy nanao ny tsy rariny taminao?

13 Avelao i Jehovah hamolavola anao. Nisy nanao ny tsy rariny taminao ve? Mety ho azonao alamina avy hatrany ilay izy. Indraindray anefa vao mainka mitatra ilay olana raha miaro tena be ianao. Eritrereto i Josefa. Tsy nitana lolompo izy na dia nampijaly azy aza ny rahalahiny. Nendrikendrehina izy tatỳ aoriana ka nigadra. Niantehitra tamin’i Jehovah foana anefa izy na dia niaritra ny mafy aza. Nisaintsaina ny fampanantenany izy ka tsy nivadika. (Sal. 105:19) Lasa nahafeno fepetra hanao andraikitra manokana i Josefa taorian’ireo fitsapana ireo. (Gen. 41:37-44; 45:4-8) Raha niharan’ny tsy rariny àry ianao, dia miezaha mba ho tony sy halemy fanahy rehefa miresaka amin’ilay olona. Mangataha fahendrena sy hery amin’i Jehovah, fa hanampy anao izy.​—Vakio ny 1 Petera 5:10.

HATSARAO NY FANOMPOANAO

14, 15. a) Nahoana isika no mila ‘mitandrina tsara foana’ ny fomba fitorintsika? b) Milazà fomba fitory hafa azonao atao. (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra sy ny efajoro ao amin’ny pejy 22.)

14 Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Miezaha mafy amin’ny vakiteny ampahibemaso sy amin’ny fananarana ary ny fampianarana. Tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao.” (1 Tim. 4:13, 16) Mpitory za-draharaha i Timoty. Nila ‘nitandrina tsara foana’ anefa izy rehefa nampianatra, raha te hahita vokatra. Tsy tokony hieritreritra izy hoe handray foana ny olona na dia mitovy foana aza ny fomba fitoriny. Nila nataony nifanaraka tamin’izay nilain’ny olona ny fampianarany, raha te hanohina ny fon’izy ireo izy. Izany koa no tokony hataontsika.

15 Matetika isika no tsy mahita olona ao an-tranony rehefa mitory. Indraindray koa isika tsy afaka miditra ao amin’ireny tranobe misy mpanofa maromaro ireny, na ao amin’ireny trano maromaro ao anaty tamboho ireny. Maninona àry raha manandrana fomba fitory hafa?

16. Inona no azo atao raha te hahita vokatra tsara rehefa mitory eny amin’ny toerana be olona?

16 Tena mandaitra ny fitoriana eny amin’ny toerana be olona. Maro ny mpitory mahita vokatra sy faly be rehefa manao azy io. Misy, ohatra, mitory eny amin’ny gara na fiandrasana bisy, eny an-tsena, eny amin’ny zaridainam-panjakana, na toeran-kafa falehan’ny olona. Ahoana no azo anombohana ny resaka? Afaka milaza zavatra tamin’ny vaovao ianao, na zavatra tsara momba ny zanak’ilay olona, na manontany azy momba ny asany. Mitandrema anefa mba tsy hanafintohina azy. Rehefa hitanao hoe miresaka tsara izy, dia miresaha hevitra avy ao amin’ny Baiboly ary anontanio ny heviny. Matetika ny zavatra lazain’ilay olona no hahatonga anao ho afaka hitory bebe kokoa aminy.

17, 18. a) Inona no hanampy anao tsy hatahotahotra rehefa mitory eny amin’ny toerana be olona? b) Inona no toe-tsain’i Davida, ary inona no ho vokany raha manahaka azy ianao?

17 Aza kivy raha sarotra aminao ny mitory eny amin’ny toerana be olona. Tsy sahy nanombo-dresaka teny amin’ireny toerana ireny i Eddie, mpisava lalana any New York. Tsy natahotahotra intsony anefa izy tatỳ aoriana. Nahoana? Hoy izy: “Misy fotoana izahay mivady rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, dia mikaroka hoe inona no azo lazaina rehefa misy olona manohitra na milaza ny zavatra inoany. Mangataka soso-kevitra amin’ny mpiara-manompo koa izahay.” Lasa tsy andrin’i Eddie izao izay hitoriana eny amin’ny toerana be olona.

18 Ho hitan’ny hafa hoe mandroso tsara ianao, rehefa mihamahay mitory sy tsy matahotahotra intsony. (Vakio ny 1 Timoty 4:15.) Azo antoka koa fa hidera an’i Jehovah ianao, toa an’i Davida. Nihira izy hoe: “Hisaotra an’i Jehovah mandrakariva aho, ho eo am-bavako foana ny fiderana azy. I Jehovah no ho reharehako. Handre izany ny mpandefitra ka ho faly.” (Sal. 34:1, 2) Mety ho lasa mpanompon’i Jehovah mihitsy aza ny olona nitorianao, ka ho faly hanompo azy.

MIEZAHA HANDROSO DIA HAHAZO VONINAHITRA I JEHOVAH

19. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika no faly foana, na dia voafetra aza ny fanompoana vitany?

19 Nihira koa i Davida hoe: “Hidera anao ny asanao rehetra, Jehovah ô! Ary hankalaza anao ireo tsy mivadika aminao. Ny voninahitry ny fanjakanao no horesahin’izy ireo, ary ny herinao no holazainy, mba hampahafantarana amin’ny zanak’olombelona ny asanao lehibe sy ny famirapiratan’ny voninahitry ny fanjakanao.” (Sal. 145:10-12) Azo inoana fa hoatr’izany koa no tsapan’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika rehetra. Ahoana anefa raha marary ianao na efa be taona ka tsy afaka manompo firy? Tadidio foana hoe manome voninahitra an’i Jehovah ianao rehefa mitory amin’izay mikarakara anao sy ny olon-kafa. Ary ahoana raha migadra ianao? Azo inoana fa mbola miresaka ny fahamarinana ianao rehefa afaka manao izany. Mampifaly ny fon’i Jehovah izany. (Ohab. 27:11) Faly koa izy rehefa manompo azy foana ianao, na dia tsy manao an’izany aza ny fianakavianao. (1 Pet. 3:1-4) Afaka midera an’i Jehovah sy mandroso ara-panahy foana àry ianao, na misy olana aza.

20, 21. Inona no ho vokany raha miezaka hanompo bebe kokoa sy handroso ara-panahy isika?

20 Azo antoka fa hotahin’i Jehovah ianao raha miezaka handroso foana. Maninona àry raha hovana kely ny fandaharam-potoananao na ny fomba fiainanao, amin’izay ianao afaka mitory bebe kokoa? Ho afaka hanampy olona maro kokoa mba hanana fanantenana ianao amin’izay. Mety handray soa be dia be koa ny mpiara-manompo aminao, rehefa mandroso ara-panahy sy mahafoy tena ianao. Hankasitraka anao sy ho tia anao ary hanohana anao koa izy ireo, rehefa mahita anao manetry tena sady miezaka be.

21 Afaka mandroso ara-panahy daholo isika, na vao volana vitsivitsy no nanompo an’i Jehovah na efa an-taonany maro. Inona anefa no azontsika atao mba hanampiana an’ireo vaovao handroso ara-panahy? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

MBA MANANDRAMA FOMBA FITORY VAOVAO E!

HOY i VENECIA, any Venezoelà: “Tsy izaho mihitsy no hitory an-telefaonina izany!” Nitelefaonina vehivavy iray fantany anefa izy, ary nitory vetivety taminy. Nazoto hiresaka Baiboly izy io, ka nampianarin’i Venecia, ary natao batisa tatỳ aoriana. Hoy i Venecia: “Hay mety be mihitsy ilay mitory an-telefaonina!”

Zatra nitondra taratasy mivalona sy boky hafa i Peter, any Liberia, rehefa nandeha nianatra. Nisy mpiara-mianatra taminy nahita an’ilay taratasy mivalona hoe Ry Tanora—Inona no Tanjonareo eo Amin’ny Fiainana?, dia nangataka. Noresahin’i Peter tamin-dry zareo ny zavatra resahin’ilay taratasy mivalona sady nanontany izy hoe: “Inona no hataonareo rehefa lehibe?” Nilaza ny anankiray hoe: “Izaho hanompo an’Andriamanitra.” Nampianatra Baiboly azy i Peter taorian’izay.

Nitory an-taratasy ny mpivady iray any Polonina, satria tsy salama ka tsy afaka nivoaka ny trano. Nisy lehilahy iray nanoratra tamin’izy ireo hoe: “Tena misaotra anareo fa mampahery ilay taratasy. Maty mantsy ny vadiko telo taona lasa izay, dia maty tamin’ny lozam-piarakodia ny zanako lahy tamin’ny herintaona.” Nisy vehivavy nanoratra koa hoe: “Ilay taratasinareo tamin’ny roa taona lasa no nahalalako ny marina. Efa anabavinareo aho izao.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara