FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp17 No. 6 p. 16
  • Inona no Lazain’​ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Lazain’​ny Baiboly?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona moa ny Hara-magedona?
  • Hisy olona ho tafavoaka velona ve amin’io ady io?
  • Hara-Magedona hafa noho ireo hevitra voaray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Haramagedona — Rahoviana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Inona no Atao hoe Ady Aramagedona?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fiandohan’ny Fiadanana ny Hara-magedona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
wp17 No. 6 p. 16
“Vahoaka be” avy amin’​ny firenena rehetra tafavoaka velona amin’​ny Hara-magedona

Hisy “vahoaka be” tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona moa ny Hara-magedona?

Misy milaza fa...

fandripahana ny olona eran-tany izy io, vokatry ny ady niokleary na ny fahasimban’ny tontolo iainana. Ahoana ny hevitrao?

Izay lazain’ny Baiboly

“Adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” ny Hara-magedona. Ady ataon’Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy izy io.—Apokalypsy 16:14, 16.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • Tsy natao hanapotehana ny tany akory ny Hara-magedona, fa mba hiarovana azy io tsy ho simban’ny olona. —Apokalypsy 11:18.

  • Hamarana ny ady rehetra ny ady Hara-magedona.—Salamo 46:8, 9.

Hisy olona ho tafavoaka velona ve amin’io ady io?

Ahoana ny hevitrao?

  • Eny

  • Tsia

  • Angamba

Izay lazain’ny Baiboly

Hisy “vahoaka be” avy amin’ny firenena rehetra ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe”, izay hifarana amin’ny ady Hara-magedona.—Apokalypsy 7:9, 14.

Inona koa no lazain’ny Baiboly?

  • Tian’Andriamanitra ho faran’izay betsaka ny olona ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona. Rehefa tsy mety miova ny ratsy fanahy vao ringaniny.—Ezekiela 18:32.

  • Atoron’ny Baiboly antsika izay tokony hatao raha te ho tafavoaka velona isika. —Zefania 2:3.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny toko 8 amin’io boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io

Misy ao amin’ny www.pr2711.com/mg koa izy io

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara