FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w17 Jona p. 21
  • “Hotahina Anie ny Fahendrenao”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Hotahina Anie ny Fahendrenao”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Abigaila sy Davida
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Ilay Vehivavy Malina
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Vehivavy Malina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Nabala
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
w17 Jona p. 21
Abigaila

“Hotahina Anie ny Fahendrenao”

I DAVIDA, mpanompon’i Jehovah fahiny, no nilaza an’izany tamin’ny vehivavy iray nihaona taminy. Abigaila no anarany. Nahoana i Davida no nidera azy? Ahoana no azontsika anahafana an’i Abigaila?

Tamin’izy nandositra an’i Saoly Mpanjaka i Davida no nifankahita tamin’i Abigaila. Nabala no anaran’ny vadiny, ary nanankarena be izy. Nanana ondry sy osy be dia be izy, tany amin’ny faritra be tendrombohitra tany amin’ny faritra atsimon’i Joda. “Toy ny manda nanodidina” ny ondrin’i Nabala sy ny mpiandry ondriny i Davida sy ny namany. Naniraka olona tany amin’i Nabala i Davida, indray mandeha, mba hangataka sakafo. Izay foiny no nangatahany. (1 Sam. 25:8, 15, 16) Tsy tafahoatra izany satria i Davida sy ny namany aza niaro ny fananan’i Nabala.

Araka ny anarany mihitsy anefa ny toetran’i Nabala. “Adala” na “Vendrana” mantsy no dikan’ny hoe Nabala. Tsy nanome na inona na inona an’i Davida izy, sady nasiaka be sy nanambanimbany azy. Tsy rariny ny nataony ka niomana hanafay azy i Davida. Hizaka ny vokatry ny hadalany àry i Nabala sy ny fianakaviany.—1 Sam. 25:2-13, 21, 22.

Fantatr’i Abigaila fa ho loza ny vokany raha manao zavatra maimaika hoatr’izany i Davida. Nankany aminy àry izy dia niangavingavy azy mba tsy hamaly faty. Nanaja azy izy sady nanampy azy hieritreritra ny fifandraisany amin’i Jehovah. Nomeny sakafo be dia be koa i Davida sy ny namany, ary nilaza izy fa efa fantany hoe i Davida no ho lasa mpanjaka. Be herim-po tokoa i Abigaila! Niaiky i Davida hoe i Jehovah no naniraka an’i Abigaila hisakana azy tsy hanota amin’i Jehovah. Hoy izy tamin’i Abigaila: “Hotahina anie ny fahendrenao, ary hotahina anie ianao, izay nisakana ahy androany tsy ho meloka ho nandatsa-dra.”—1 Sam. 25:18, 19, 23-35.

Azo antoka hoe tsy te hanahaka an’i Nabala isika, ka tsy hankasitraka ny soa natao tamintsika. Rehefa misy zava-dratsy ahiahintsika hitranga koa, dia mila manao izay azontsika atao isika mba hisakanana an’ilay izy. Afaka milaza amin’Andriamanitra hoatran’ny nataon’ny mpanao salamo isika hoe: ‘Ampianaro fahendrena sy fahalalana aho.’—Sal. 119:66.

Mety hiaiky ny olona hoe hendry isika rehefa hitany ny zavatra tsara ataontsika. Na teneniny antsika izany na tsia, dia mety hitovy amin’ny zavatra nolazain’i Davida ny ao an-tsainy, hoe: “Hotahina anie ny fahendrenao.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara