FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w18 Mey p. 32
  • Tena Betsaka ny Vokatra!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Betsaka ny Vokatra!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Tontosainao Tsara ve ny Fanompoanao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Voasa Tsara ve ny Faritaninao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana — Mitondra Vokatra ny Fiasana any Amin’ire
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
w18 Mey p. 32
Fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Nyzhnya Apsha, any Ukraine, tamin’ny 2012

Fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Nyzhnya Apsha, any Ukraine, tamin’ny 2012

Tena Betsaka Ny Vokatra!

NILAZA i Jesosy fa hijinja vokatra be dia be ny mpanara-dia azy mandritra ny andro farany. (Mat. 9:37; 24:14) Izany mihitsy no mitranga any amin’ny faritr’i Transcarpathie, any Ukraine, ary tena miavaka ny zava-misy any. Misy tanàna telo mifanakaiky any, dia 50 be izao ny fiangonana ao amin’ireo tanàna ireo.a Misy mpitory 5 400 mahery ao amin’ireo fiangonana ireo, izany hoe Vavolombelon’i Jehovah ny 1 amin’ny olona 4!

Hoatran’ny ahoana ny olona ao amin’ilay faritany? Hoy i Vasile, rahalahy mipetraka any: “Manaja ny Baiboly ny olona atỳ, ary tia rariny sy miezaka mifanampy. Mifandray am-po be koa ny mpianakavy.” Hoy koa izy: “Tsy manaiky ny zavatra inoantsika ny olona indraindray. Mihaino tsara anefa ry zareo, rehefa resahinao an’izay lazain’ny Baiboly.”

Miatrika zava-tsarotra hafakely ny rahalahy sy anabavy any rehefa mitory any amin’ny faritany efa betsaka Vavolombelon’i Jehovah. Misy mpitory 134, ohatra, ao amin’ny fiangonana iray, nefa 50 monja ny trano ao amin’ny faritanin-dry zareo. Ahoana no ataon’izy ireo?

Manao ezaka be ny rahalahy sy anabavy maro mba hitoriana any amin’ny faritra mila mpitory bebe kokoa. Izao no nolazain’i Ionash, rahalahy 90 taona: “Raha atao ny salan’isa, dia trano 2 no anjaran’ny mpitory 1, ao amin’ny faritanin’ny fiangonanay. Ao amin’ny tanàna kely misy anay aho izao no mitory satria niharatsy ny fahasalamako. Fa talohaloha kely teo aho nandeha tany amin’ny 160 kilaometatra any ho any, dia nitory tamin’ny fiteny hongroà tany amin’ny faritany iray tsy misy tompony.” Tsy maintsy mahafoy tena sy zavatra maro hafa ny mpitory any, mba hahafahany mitory any amin’ny faritany hafa. Hoy ihany i Ionash: “Tsy maintsy nifoha tamin’ny efatra maraina aho vao nahatratra lamasinina nankany amin’ilay faritany. Nitory hatramin’ny enina hariva aho, satria tamin’izay ilay lamasinina vao niala tany. Indroa na intelo isan-kerinandro aho no nanao an’izany.” Nisy vokany ve ny ezaka nataon’i Ionash? Hoy izy: ‘Nahafinaritra be ilay nanitatra faritany. Faly aho fa afaka nanampy fianakaviana iray hahalala ny fahamarinana, tamin’izaho nanitatra tany amin’ny toerana iray tsy nisy fiangonana.’

Marina fa tsy ny mpitory rehetra any no afaka manao dia lavitra. Miezaka mamita tsara ny faritanin’ny fiangonany anefa izy rehetra, anisan’izany ny be taona. Inona no vokany? Raha atambatra ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tany amin’ireo tanàna telo ireo tamin’ny 2017, dia efa ho indroan’ny isan’ny mpitory, izany hoe ny antsasaky ny mponina any. Mbola be dia be tokoa ny asa mila atao, na aiza na aiza anompoantsika.—1 Kor. 15:58.

a Ireto ny anaran’ilay tanàna: Hlybokyy Potik, Serednye Vodyane, ary Nyzhnya Apsha.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara