FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w18 Aogositra p. 23-27
  • Miaraha Miasa Amin’i Jehovah Isan’andro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaraha Miasa Amin’i Jehovah Isan’andro
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AMPIO NY FIANAKAVIANAO SY NY MPIARA-MANOMPO
  • MIEZAHA HO TIA MANDRAY VAHINY
  • MANAOVA ASA AN-TSITRAPO
  • MIEZAHA HANOMPO BEBE KOKOA
  • Fomba Anitarana ny Fanompoana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Aza Hadinoina Ireo Manompo Manontolo Andro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Fiheverana Ireo Tombontsoam-panompoana Masina ho Sarobidy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • ‘Katsaho Aloha Ilay Fanjakana’
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
w18 Aogositra p. 23-27
Rahalahy sy anabavy mitsidika rahalahy be taona

Miaraha Miasa Amin’i Jehovah Isan’andro

‘Mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika.’—1 KOR. 3:9.

HIRA: 64, 111

RAHA TE HIARA-MIASA AMIN’I JEHOVAH IANAO, DIA...

  • inona no azonao atao ho an’ny fianakavianao sy ny mpiara-manompo aminao?

  • ahoana no azonao ampisehoana hoe tia mandray vahiny ianao?

  • inona no asa an-tsitrapo azonao andraisana anjara, ary ahoana no azonao ampitomboana ny fanompoanao?

1. Rehefa manao inona isika no miara-miasa amin’i Jehovah?

NAMORONA ny olombelona i Jehovah mba hanampy azy hanatanteraka ny fikasany. Lasa tsy lavorary anefa ny olona. Na izany aza, dia mbola afaka miara-miasa amin’i Jehovah isan’andro izay tsy mivadika aminy. ‘Miara-miasa aminy’, ohatra, isika rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy mampianatra. (1 Kor. 3:5-9) Voninahitra lehibe ny hoe nofidin’ilay Mpamorona mahery indrindra hanao asa iray tena zava-dehibe aminy. Tsy rehefa mitory sy mampianatra ihany anefa isika no miara-miasa aminy. Manao an’izany koa isika rehefa manampy ny fianakaviantsika sy ny mpiara-manompo, mandray vahiny, mandray anjara amin’ny tetikasa ataon’ny fandaminana, ary mampitombo ny fanompoana masina ataontsika. Izany no hodinihintsika ato.—Kol. 3:23.

2. Nahoana no tsy tokony hampitahainao amin’ny an’ny hafa ny zavatra azonao atao ho an’i Jehovah?

2 Aza ampitahaina amin’ny an’ny hafa ny zavatra azonao atao ho an’i Jehovah, rehefa mianatra an’ity lahatsoratra ity isika. Samy hafa mantsy ny olona. Tsy mitovy ny taonany, ny fahasalamany, ny toe-javatra iainany, ary ny fahaizany. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Aoka ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.’—Gal. 6:4.

AMPIO NY FIANAKAVIANAO SY NY MPIARA-MANOMPO

3. Nahoana isika no afaka milaza fa miara-miasa amin’i Jehovah izay mikarakara ny ankohonany?

3 Tian’i Jehovah hikarakara ny fianakaviantsika isika. Tsy maintsy miasa angamba, ohatra, ianao mba hahazoana vola hividianana an’izay ilain’ny fianakavianao. Renim-pianakaviana maro koa no mijanona ao an-trano mba hitaiza ny zanany. Misy indray tsy maintsy mikarakara ny ray aman-dreniny, satria efa be taona izy ireo dia mila fanampiana. Tsy maintsy atao daholo izany. Hoy mantsy ny Baiboly: “Raha misy tsy manome izay ilain’ny olona tokony ho adidiny, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” (1 Tim. 5:8) Raha manana andraikitra hoatr’izany ianao, dia azo antoka fa tsy afaka manokana fotoana betsaka ho an’i Jehovah na dia te hanao an’izany aza. Aza kivy anefa! Karakarao foana izay ilain’ny ankohonanao. Faly i Jehovah rehefa manao an’izany ianao.—1 Kor. 10:31.

4. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampisehoana hoe ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra aminy? Inona no ho vokany raha manao an’izany izy ireo?

4 Miara-miasa amin’i Jehovah ny ray aman-dreny rehefa manampy ny zanany hanana tanjona eo amin’ny fanompoana. Maro no nanao an’izany ka lasa nanompo manontolo andro ny zanany. Misy aza lasa any an-tany lavitra mihitsy. Ny sasany lasa misionera, na mpisava lalana any amin’ny toerana mila mpitory bebe kokoa, na manompo any amin’ny Betela. Mety tsy ho afaka hihaona matetika ny fianakaviana rehefa manompo any an-tany lavitra ny ankizy. Mampirisika ny zanany hanohy hanompo any amin’izay nanendrena azy anefa ny ray aman-dreny tsy tia tena. Nahoana? Satria faly be izy ireo mahafantatra hoe ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra amin’ny zanany. (3 Jaona 4) Tombontsoa be amin’izy ireo ny miara-miasa amin’i Jehovah hoatr’izany. Mitovy fihetseham-po amin’i Hana angamba ny ankamaroan’izy ireo. Nilaza i Hana hoe ‘ampindraminy’ an’i Jehovah i Samoela zanany lahy.—1 Sam. 1:28.

5. Inona no azonao atao mba hanampiana ny mpiara-manompo ao amin’ny fiangonana misy anao? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

5 Ary ahoana raha mbola tsy misy adidy tsy maintsy ataonao amin’ny fianakavianao? Afaka manampy mpiara-manompo ve ianao, ohatra hoe ireo manana fianakaviana mila karakaraina, na ireo kilemaina na be taona, na ireo manana olana hafa? Jereo hoe iza ao amin’ny fiangonanao no mila fanampiana. Angamba misy anabavy mikarakara ray na reny be taona ao. Maninona raha miaraka amin’ilay be taona, amin’izay afaka manao zavatra hafa ilay zanany? Mety ho azonao atao koa ny manampy olon-kafa hivory, miantsena ho azy, miaraka aminy mitsidika marary, na manao zavatra hafa ho azy. Mety ho nivavaka tamin’i Jehovah ireny olona ireny, ka rehefa manampy azy ianao dia miara-miasa amin’i Jehovah mba hamaly ny vavaka nataony.—Vakio ny 1 Korintianina 10:24.

MIEZAHA HO TIA MANDRAY VAHINY

6. Ahoana izany hoe tia mandray vahiny?

6 Malaza ho tia mandray vahiny ny olona miara-miasa amin’Andriamanitra. Midika hoe “hatsaram-panahy amin’ny olona tsy fantatra” ilay teny nadika hoe “fitiavana mandray vahiny”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (Heb. 13:2) Misy tantara ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe ahoana no anehoana an’izany fitiavana izany. (Gen. 18:1-5) Tokony hanampy ny hafa isika isaky ny afaka manao an’izany, na “mpiray finoana amintsika” izy na tsia. (Gal. 6:10) Vitantsika rahateo izany.

7. Inona no soa ho azonao raha mampiantrano mpanompo manontolo andro ianao?

7 Afaka mampiantrano mpanompo manontolo andro ve ianao? Miara-miasa amin’i Jehovah ianao raha manao an’izany. (Vakio ny 3 Jaona 5, 8.) Ho afaka hifampahery koa ianareo. (Rom. 1:11, 12) Eritrereto ny tantaran’i Olaf. Nisy mpiandraikitra ny faritra mpitovo nitsidika ny fiangonany tamin’izy mbola tanora. Tsy nisy afaka nampiantrano an’io mpiandraikitra io ny mpiara-manompo. Na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza ny ray aman-drenin’i Olaf, dia niera tamin-dry zareo izy raha afaka matory any amin-dry zareo ilay mpiandraikitra. Nanaiky ry zareo, saingy nilaza hoe eo amin’ny sezalava izany i Olaf no matory. Izany no nataon’i Olaf ary tsy nanenina mihitsy izy. Hoy izy: “Nahafinaritra be iny herinandro iny! Nifoha aloha be izaho sy ilay mpiandraikitra isa-maraina, dia niresaka zavatra maro mahaliana sady nisakafo. Tena nampahery ahy izy, dia lasa te hanompo manontolo andro aho.” Lasa misionera i Olaf, ary efa 40 taona izy izao no nanompo tany amin’ny tany samihafa.

8. Nahoana isika no tokony ho tsara fanahy na dia tsy mankasitraka an’izany aza ny olona amin’ny voalohany? Hazavao amin’ny ohatra.

8 Maro ny fomba azonao anehoana hatsaram-panahy amin’ny olona tsy fantatrao, na dia tsy mankasitraka an’izany aza izy amin’ny voalohany. Nampianatra Baiboly vehivavy iray avy any Ekoatera, ohatra, ny anabavy iray any Espaina. Yesica no anaran’ilay ramatoa. Nitomany be izy, indray andro, rehefa nianatra ry zareo. Nanontany azy àry ilay anabavy hoe fa maninona. Nitantara i Yesica hoe nahantra be izy talohan’ny nifindrany tany Espaina. Tsy nanana sakafo ry zareo indray andro, dia rano fotsiny no nomeny ny zanany vavikely. Nandrotsirotsy an’ilay zaza izy avy eo mba hampatoriana azy sady nivavaka mba hahazo fanampiana. Nisy anabavy roa tonga tao aminy tsy ela taorian’izay, dia nanome gazety azy. Nasiaka be tamin-dry zareo anefa izy. Norovitiny ilay gazety sady nilaza izy hoe: “Ity ve no tianareo homeko hohanin’ny zanako?” Niezaka nampahery azy izy roa fa tsy noraharahainy. Nitondran’izy ireo sakafo tao anaty harona izy taorian’izay, dia nataony teo am-baravarany. Tsara fanahy tamin’i Yesica ireo mpitory, ka nanohina ny fony izany. Menatra izy rehefa nahatsiaro ny zavatra nataony. Namaly ny vavaka nataony i Jehovah tamin’iny fa izy no tsy niraharaha, dia izay no nahatonga azy nitomany. Tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah àry izy. Nalala-tanana ireo mpitory ka nisy vokany tsara izany.—Mpito. 11:1, 6.

MANAOVA ASA AN-TSITRAPO

9, 10. a) Inona avy ny asa an-tsitrapo azon’ny Israelita natao? b) Inona no azon’ny rahalahy atao mba hanampiana ny fiangonana?

9 Afaka nandray anjara tamin’ny asa an-tsitrapo isan-karazany ny Israelita. (Eks. 36:2; 1 Tan. 29:5; Neh. 11:2) Be dia be koa ny zavatra azontsika atao amin’izao. Afaka manome vola na zavatra hafa, ohatra, ianao na mampiasa ny fotoananao sy ny fahaizanao hanampiana ny mpiara-manompo. Ho faly be ianao sady hahazo fitahiana maro raha manao an’izany.

10 Ampirisihin’ny Baiboly ny lehilahy eo anivon’ny fiangonana mba hiara-miasa amin’i Jehovah, ka hiezaka ho lasa mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy. (1 Tim. 3:1, 8, 9; 1 Pet. 5:2, 3) Matoa ny rahalahy iray miezaka hahazo andraikitra, dia te hikarakara ny hafa izy sady te hanampy azy ireo hifandray tsara amin’i Jehovah. (Asa. 6:1-4) Efa nanontany anao ve ny anti-panahy raha mazoto hikarakara mpanatrika ianao, na hanampy amin’ny fikojakojana efitrano? Sa ianao efa nanontanian’izy ireo raha afaka manampy mikarakara ny boky na ny faritanin’ny fiangonana? Mahafinaritra be ny manampy ny hafa hoatr’izany, ary izany mihitsy no tsapan’ny rahalahy manao an’ireo asa ireo.

Anabavy roa miara-mandray anjara amin’ny fanorenana, dia lasa mpinamana

Matetika no mahazo namana be dia be izay manao asa an-tsitrapo (Fehintsoratra 11)

11. Inona no soa noraisin’ny anabavy iray nandray anjara tamin’ny fanorenana?

11 Matetika no mahazo namana vaovao ianao rehefa manao fanorenana. Nandray anjara tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana nandritra ny 18 taona ny anabavy atao hoe Margie. Nanampy sy nampiofana anabavy tanora maro izy nandritra an’izany fotoana izany. Hitany hoe tena afaka mifampahery ny mpiara-manompo, rehefa mandray anjara amin’ireny tetikasa ireny. (Rom. 1:12) Lasa nahazo namana be dia be izy, ary tena nanampy azy izy ireo rehefa niatrika zava-tsarotra izy. Efa mba nanao fanorenana ve ianao? Tsy voatery hanana fahaizana manokana ianao vao ho afaka handray anjara amin’izany.

12. Ahoana no azonao anampiana ny hafa rehefa misy loza?

12 Miara-miasa amin’Andriamanitra koa isika rehefa manampy ny mpiray finoana amintsika tra-boina. Azo atao, ohatra, ny manome vola. (Jaona 13:34, 35; Asa. 11:27-30) Afaka manampy manadio na manamboatra ny simba koa isika. Simba be ny tranon’ny anabavy poloney antsoina hoe Gabriela, satria nisy tondra-drano tany amin-dry zareo. Nisy mpiara-manompo avy any amin’ny fiangonana manodidina anefa tonga nanampy azy, ary tena nampahery azy izany. Nilaza izy fa tsy nampaninona azy izay zavatra nafoiny. Ny zavatra azony kosa no ifantohany. Hoy izy: “Vao mainka aho izao matoky hoe tena tombontsoa ny hoe anisan’ny fiangonana sady mahafaly sy mahasambatra.” Izany koa no tsapan’ny rahalahy sy anabavy maro nahazo fanampiana rehefa nisy loza. Afa-po sady faly be koa izay nanampy azy ireny, satria niara-niasa tamin’i Jehovah.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:35; 2 Korintianina 9:6, 7.

13. Nahoana isika no lasa mifandray kokoa amin’i Jehovah rehefa manampy ny hafa? Manomeza ohatra.

13 Nifindra tany Etazonia ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro, satria nisy ady tany amin’ny firenena nisy an-dry zareo. Faly i Stephanie sy ny mpitory hafa fa niara-niasa tamin’i Jehovah ka nanampy azy ireo. Nitady trano sy fanaka ho an-dry zareo i Stephanie. Hoy izy: “Hitanay hoe faly ry zareo satria tia azy ireo ny rahalahy sy anabavy eran-tany. Tena mankasitraka an’izany izy ireo. Nanohina ny fonay izany! Ry zareo mieritreritra hoe nanampy azy izahay, nefa izahay aza no tena nampiany. Hitanay koa hoe manam-pinoana ry zareo, mifankatia, miray saina, ary miantehitra amin’i Jehovah, dia vao mainka izahay tia an’i Jehovah. Lasa mankasitraka kokoa ny zavatra omen’ny fandaminana koa izahay.”

MIEZAHA HANOMPO BEBE KOKOA

14, 15. a) Inona no toe-tsaina nananan’i Isaia mpaminany? b) Ahoana no azon’ny mpitory anahafana azy?

14 Te hiara-miasa bebe kokoa amin’i Jehovah ve ianao? Azonao atao, ohatra, ny mifindra any amin’ny toerana mila mpitory maro kokoa. Marina fa tsy voatery hifindra lavitra isika vao ho afaka hanompo an’i Jehovah. Mahavita an’izany anefa ny rahalahy sy anabavy sasany. Hoatran’ny an’i Isaia mpaminany ny toe-tsain’izy ireo. Rehefa nanontany azy i Jehovah hoe: “Iza no hirahiko? Iza no hisolo tena anay?”, dia namaly izy hoe: “Intỳ aho iraho!” (Isaia 6:8) Afaka manampy ny fandaminan’i Jehovah koa ve ianao sady vonona ny hanao an’izany? Inona avy no azonao atao?

15 Hoy i Jesosy: “Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” (Mat. 9:37, 38) Eritrereto àry hoe: ‘Afaka manao mpisava lalana any amin’izay ilana mpitory maro kokoa ve aho? Sa misy olona azoko ampiana hanao an’izany?’ Hitan’ny rahalahy sy anabavy maro fa ny manitatra no fomba tsara indrindra ampisehoana hoe tena tia an’i Jehovah sy ny olon-kafa izy. Misy zavatra hafa azonao atao ve mba hanompoana an’i Jehovah bebe kokoa? Ho faly be ianao raha manao an’izany.

16, 17. Inona koa no azonao atao raha te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa ianao?

16 Vonona hanompo ao amin’ny Betela na hanao fanorenana ve ianao? Azo atao ny mangataka mba hiasa an-tsitrapo iray na roa andro isan-kerinandro, na hiasa tontolo andro mandra-pahavitan’ny tetikasa iray. Mila olona foana ny fandaminan’i Jehovah. Olona vonona hanao izay hampanaovina azy sy manaiky handeha any amin’izay hanendrena azy no tena ilaina. Mety hasaina hanao asa mbola tsy nataonao mihitsy ianao any, na dia misy asa efa hainao sy anananao traikefa aza. Tena sarobidy amin’i Jehovah ny olona mahafoy tena sy vonona hanompo any amin’izay ilana azy.—Sal. 110:3.

17 Tianao ve raha ampiofanina ianao, amin’izay afaka manatsara ny fanompoana masina ataonao? Maninona raha mangataka hanao ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana? Rahalahy sy anabavy matotra sady manompo manontolo andro no antsoina hanao azy io. Ampiofanina izy ireo mba ho azon’ny fandaminana ampiasaina bebe kokoa eny amin’ny saha. Izay olona mangataka hanao an’io sekoly io dia tokony ho vonona hanaiky an’izay hanendrena azy, aorian’ny fizarana diplaoma. Mazoto hanao an’izany ve ianao, ka hanompo an’i Jehovah bebe kokoa?—1 Kor. 9:23.

18. Inona no soa ho azonao raha miara-miasa amin’i Jehovah ianao isan’andro?

18 Miezaka halala-tanana sy hanampy ny hafa isika isan’andro satria mpanompon’i Jehovah. Tsara toetra sy tsara fanahy ary be fitiavana isika raha manao an’izany. Mahatonga antsika ho faly sy ho sambatra ary hiadan-tsaina koa izany. (Gal. 5:22, 23) Na inona na inona zavatra iainanao, dia ho faly foana ianao raha malala-tanana hoatran’i Jehovah sy miara-miasa aminy.—Ohab. 3:9, 10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara