FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w19 Jona p. 31
  • Voavaky Ihany Ilay Horonana Tranainy Be

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voavaky Ihany Ilay Horonana Tranainy Be
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Mitovitovy Aminy
  • Horonam-boky
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ahoana no Nahatonga ny Baiboly ho Boky?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Boky, I
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Horonam-boky Misy “Ilay Hira teo Amin’ny Ranomasina”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
w19 Jona p. 31
Ampahan’ilay horonana may hita tao En-jedy. Nisy teknolojia azo nitarafana an’ilay horonana, dia toy ny hoe novelarina ilay izy

Voavaky Ihany Ilay Horonana Tranainy Be

Tsy voavaky ny ampahan’ilay horonana may hita tao En-jedy, hatramin’ny nahitana azy tamin’ny 1970. Nisy teknolojia azo nitarafana azy anefa vao haingana, ary hita fa ampahany amin’ny bokin’ny Levitikosy izy io ary misy ny anaran’Andriamanitra

NAHITA horonam-boky iray main’ny afo ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany, tamin’ny 1970. Tao amin’ny toerana iray nisy synagoga izy io no hita, tany En-jedy, any Israely, eo akaikin’ny morontsiraka andrefan’ny Ranomasina Maty. Nodorana io synagoga io rehefa noravana ilay tanàna, angamba taoriana kelin’ny taona 500. May be ilay horonana ka tsy voavaky ny soratra tao aminy. Tsy afaka novelarina akory ilay izy sao ho simba. Soa ihany anefa fa nisy teknolojia azo nitarafana an’ilay izy vao haingana, ka toy ny hoe novelarina ilay horonana. Programa vaovao natao hikirakirana sary amin’ny ordinatera kosa no nahafahana namaky ny tao anatiny.

Hita tamin’izany hoe soratra avy ao amin’ny Baiboly no ao amin’ilay horonana. Andininy sasany avy amin’ny fiandohan’ny bokin’ny Levitikosy no hita ao amin’ny sisan’ilay izy, ary misy ny Litera Efatra mampiseho ny anaran’Andriamanitra. Toa teo anelanelan’ny taona 50 sy ny taona 400 izy io no nosoratana. Nilaza i Gil Zohar ao amin’ny Gazetin’i Jerosalema (anglisy) hoe tamin’ny mbola tsy voavaky ilay horonan’i En-jedy, dia arivo taona teo ho eo no elanelan’ireo Baiboly sora-tanana anankiroa tranainy indrindra, izany hoe ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty (taona 100 T.K. tany ho any) sy ny Kôdeksa Aleppo l(taona 930 A.K. tany ho any). Rehefa voavaky kosa ny horonan’i En-jedy, dia izy io indray no tranainy indrindra ao aorian’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, amin’ireo horonana rehetra misy ny Soratra Hebreo hita hatramin’izao. Resahin’ny manam-pahaizana fa porofoin’io horonan’i En-jedy io hoe “tsy niova ny soratra tao amin’ny Torah,a na dia an’arivony taona tatỳ aoriana aza. Tsy niova izy io na dia nanao diso aza ireo mpanao dika soratra.”

a Antsoin’ny Jiosy hoe Torah ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly (Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, ary Deoteronomia).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara