Valin’ny Fanontanianareo
◼ Inona no azontsika atao mba hampihenana ny fotoana lany iandrasana ny hafa, rehefa eny am-pitoriana?
Ho mora kokoa amin’ny mpitarika ny hanome faritany ampy ho an’ny mpitory, raha vitsivitsy no miaraka aminy. Rehefa omena toromarika ny mpitory alohan’ny hankanesany eny amin’ny faritany, dia tsara raha lazaina aminy koa ny toerana hitoriany. Tsy voatery hovorina eo amin’ny toerana iray indray izy ireo amin’izay, mba homena toromarika fanampiny.
Tsara koa raha resahina mialoha izay azony atao, raha tapitra alohan’ny fotoana natokana hitoriana ny faritaniny. Amin’izay dia tsy voatery hiandry eo an-tsisin-dalana izy, mandra-pahazoany faritany fanampiny.
Hitan’ny mpitory sasany fa mety raha samy manomboka eo amin’ny toerana roa samy hafa izy ireo mandra-pifanenany. Mety ho azo atao izany na any an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. Tsy manahy intsony izy ireo amin’izay raha efa nitoriana ny trano sasany na tsia. Izany mantsy indraindray no mitranga, rehefa mitory amin’ny trano mifanarakaraka. Manohy mitory fotsiny kosa izy ireo mandra-pifanenany amin’ny namany. Raha tokony hifanakaiky anefa ny mpitory any amin’ny faritany sasany, dia mety ho afaka handingana trano iray hatrany ilay mpitory voalohany, mba hisy hataon’ilay mpitory faharoa.
Maro ny lafin-javatra tsy maintsy jerena mifandray amin’io fanontaniana io, ka sady tsy ilaina no tsy tsara ny mametraka fitsipika. Tsy voatery hety any amin’ny faritany sasany izay fomba fiasa mety any an-kafa. Mila jerena koa ny toetrandro sy ny toe-batan’ny mpitory. Tsara anefa ny hiezahana hampihena ny fotoana lany iandrasana ny hafa. Ho betsaka kokoa amin’izay ny fotoana hitoriana.