Valin’ny Fanontanianareo
◼ Inona no tokony hataontsika mba hiarovana ny Efitrano Fanjakana?
Mila mahafantatra izay tokony hatao isika amin’izao andro sarotra izao, mba hiarovana ny Efitrano Fanjakana. Mandray fepetra, ohatra, isika mba hiarovana ny tranontsika. Toy izany koa no tokony hatao amin’ny Efitrano Fanjakana. Andraikitry ny anti-panahy ny manao izay hahavoaro tsara ny Efitrano Fanjakana. Tena ilaina izany satria mihabetsaka ny Efitrano Fanjakana norobaina sy nosimbasimban’olona.
Ny fanidiana tsara amin’ny lakile ireo varavarana sy vavahady ary varavarankely rehetra, isaky ny avy mampiasa ny Efitrano Fanjakana, no fiarovana voalohany indrindra. Rahalahy mahay mandray andraikitra sy mahatoky no tokony hampiandraiketina izany. Toy izany koa no tokony hatao rehefa misy fandaharana hafa ankoatra ny fivorian’ny fiangonana, toy ny mariazy na fanadiovana.
Raha misy parking ny Efitrano Fanjakana, dia tsara raha asiana jiro manazava azy io amin’ny fotoana ilana izany. Hihena amin’izay, ny fanimbanimbana zavatra toy ny fiara, sy ny loza hafa mety hahazo ireo rahalahy sy anabavy rehefa mivoaka ny efitrano izy ireo. Hitan’ny fiangonana sasany fa tsara, mandritra ny fivoriana, raha misy rahalahy mifandimby mijery sao misy mangalatra, na manimbanimba ireo fiara ao an-tokotany.
Misy fiangonana hafa kosa mahita fa ilaina ny manidy lakile ny varavarana mandritra ny fivoriana. Mety haningana izany, nefa raha tena ilaina dia tokony hisy rahalahy mahatoky hijanona foana eo am-baravarana, mba hanara-maso izay olona miditra. Tokony hijery ireo anti-panahy hoe, inona no fepetra horaisina mifandray amin’ny lalàna eo an-toerana mahakasika ny toeram-pivoriana. Tokony hilazana mialoha àry ny fiangonana, raha tapaky ny anti-panahy fa hidiana ny varavaran’ny Efitrano Fanjakana mandritra ny fivoriana.
Tiantsika tsy hanana ahiahy ireo rahalahy sy ny olona liana rehefa mivory, ary tiantsika ho voaro amin’ny mpanimbanimba zavatra sy ny mpangalatra ny Efitrano Fanjakana. Tokony handinika tsara sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana àry ny anti-panahy mba hanatanterahana izany.