Valin’ny Fanontanianareo
◼ Rahoviana no azo anaovana tatitra ny fampianarana Baiboly vaovao, ary iza no azo isaina ho mpianatra?
Azo anaovana tatitra ny fampianarana Baiboly vaovao, raha efa nianatra indroa ilay olona taorian’ny nampisehoana azy ny fomba fianarana, ary azo antoka ny hanohizany hianatra. Raha nianatra intelo, ohatra, ilay olona nandritra ny volana, dia fitsidihana telo sy fampianarana iray no tokony hisaina. Tokony haverina isam-bolana ny Tatitra Momba ny Fampianarana.
Fitsidihana iray no isaina isaky ny mitarika fampianarana Baiboly, ary isaina koa ny ora nianarana. Raha misy mpitory miara-mampianatra amin’ilay mpitarika ny fampianarana, dia samy afaka manisa ora izy raha samy mandray anjara amin’ilay fampianarana. Ilay mpitarika ihany anefa no hanao tatitra ny fitsidihana sy fampianarana Baiboly. Amin’ny ankapobeny, dia tokony ho mpitory roa, fara fahabetsany, no ho any amin’ny fampianarana Baiboly any an-trano.
Tokony hampianarina foana ny vaovao, mandra-pahavitan’izay boky hampiorina azy amin’ny fahamarinana, toy ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, sy ny boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Isaina hatrany ny fitsidihana sy ny fampianarana ary ny ora nianarana, raha mbola tsy vita ny boky rehetra tokony hianarana. Hatao izany na dia efa miorina tsara amin’ny fahamarinana aza ilay mpianatra, ary na dia efa vita batisa koa aza.
Mety hanendry mpitory iray ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana, mba hampianatra olona efa vita batisa nefa tsy mitory intsony. Fandaharana nataon’ny fandaminana izany, hanatanjahana ireo mila fanampiana. Anaovana tatitra ilay fampianarana amin’izay, ary isaina koa ny fitsidihana sy ny ora nianarana.—Jereo ny boky Ny Fanompoantsika, p. 103, 104.
Tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah ny ray aman-dreny, raha ny amin’ny fampianarana sy ny fampiofanana ny zanany amin’ny fivavahana marina. (Deot. 4:9; Efes. 6:4) Afaka manao tatitra momba ny fianaram-pianakaviana ny ray na ny reny, raha toa ka misy tsy vita batisa ao amin’ny fianakaviana. Adiny iray sy fitsidihana iray isan-kerinandro ihany anefa no homarihina amin’ny tatitra.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Novambra 2003, p. 3.