FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/90 p. 3-4
  • Ampirisiho ny mpianatra baiboly mba handroso

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampirisiho ny mpianatra baiboly mba handroso
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampitodiho ho amin’ny fandaminana ny fahalianany
  • Ampirisiho ny fitomboany ara-panahy
  • Ny Fomba Fanaovana Mpianatra Amin’ny Alalan’ny Boky Fahalalana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 2)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 1)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Andao Hifarimbona Hanampy ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
km 7/90 p. 3-4

Ampirisiho ny mpianatra baiboly mba handroso

1 Izao tontolo izao dia mitsara ny fandrosoana voalohany indrindra araka ny fiheverana ara-teknolojia sy ara-nofo. Nefa, tsy mba toy izany ny vahoakan’i Jehovah. Mikely aina kosa isika mba handroso amin’ny ara-panahy. Faly isika nandray ny fampirisihana izay nitarika antsika ho tonga mpianatr’i Kristy marisika sy mahavokatra.—Jaona 15:8; 2 Pet. 1:5-8.

2 Ao amin’ireo filazantsara, ny teny hoe “mpianatra” dia manondro voalohany indrindra ireo izay tsy hoe nino ny fampianaran’i Kristy fotsiny fa manaraka izany akaiky koa. (Matio 28:19, 20) Moa ve ireo mpianatra Baiboly mahatakatra izany zava-misy izany? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo mba handroso ka ho tonga mpianatra?

Ampitodiho ho amin’ny fandaminana ny fahalianany

3 Tsy isalasalana fa miankina amin’ny fankasitrahany ny fandaminan’i Jehovah ny fandrosoan’ilay mpianatra. Noho izany, dia anisan’ny andraikitsika amin’ny maha-mpampianatra antsika ny mampitodika ny fahalianan’ny mpianatra ho amin’ny fandaminan’Andriamanitra. Tao anatin’ny taona maromaro izay, dia nampirisihina isika mba hanokana dimy na folo minitra isaky ny fianarana ny Baiboly mba hanazavana zavatra mikasika ny fandaminana. Ny bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah tafaray mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra maneran-tany dia manolotra rafitra tsara azo ampiasaina amin’io lafiny io. Moa ve ny mpianatrao manana iray amin’izany? Raha tsia, dia ataovy izay hahazoany iray tsy misy hataka andro. Ampirisiho izy mba hamaky azy io, ary hazavao aminy fa handinika tapany fohy fotsiny aminy isaky ny fianarana ianareo.

4 Ny fanazavana ao amin’ny pejy faha-14 sy 15 amin’ny bokikely Hanao ny sitrapon’Andriamanitra dia natao mba hampitomboana ny fankamamiana ny tsirairay amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Nahoana raha mandinika fehintsoratra iray na roa monja isan-kerinandro? Asehoy hoe amin’ny ahoana ny fivoriana tsirairay no manome fiofanana sy fampianarana mifanaraka amin’ny zavatra ilaina manokana iray. Ampio ilay mpianatra hahatakatra fa ny fitomboana ara-panahy dia vokatry ny “fiarahantsika miangona”. (Heb. 10:24, 25) Ampirisiho amin-kafanam-po izy mba hiaraka amintsika any amin’ny Efitrano Fanjakana. Any dia ny tenany mihitsy no hahatsapa ny firaisan-tsaina sy ny fitiavana ananantsika amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah tafangona.—Sal. 133:1; Jaona 13:35.

Ampirisiho ny fitomboany ara-panahy

5 Ireo vaovao dia mila ny ho tonga tena mpianatra marina ny tenin’Andriamanitra, ka handroso amin’ny fahalalana sy ny fahatakarana ary ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiny. Noho izany antony izany isika dia hanohy ny fianarana ny boky Hiaina mandrakizay sy ny boky Tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana na Fiadanana sy filaminana na dia atao batisa alohan’ny hahavitany ireo boky ireo aza ilay mpianatra. Afaka ny hahazo ireo boky ireo ilay mpianatra na dia mbola tsy vonona ny hanomboka ny fianarana ny boky faharoa mandritra ny volana maromaro aza izy. Izany dia mety hampitombo ny fahazotoan-komany ara-panahy, ka hampirisika azy hanao famakian-teny fanampiny izay hanafaingana ny fandrosoany. Ambonin’izany, dia tokony hasehontsika ny hasarobidin’ny fanaovana famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! sy ny fananana bokin’ny Fikambanana hafa mba hahafahana manaraka hatrany ny “anjara hanina amin’ny fotoana”. (Lioka 12:42) Ireo izay manao izany dia hamaka tsara sy hiorina mafy, ary ho tafatoetra amin’ny finoana.—Kol. 2:7.

6 Amin’ny maha-olona mety ho tonga Vavolombelon’i Jehovah miaraka amintsika azy ireny, ireo mpianatra Baiboly dia mila ny fanampiantsika mba handroso ho amin’ny fahamasahana. (Heb. 5:14) Tokony hanome teny fiderana mifanentana isika mba hampirisika azy handroso (Fil. 3:16) Moa ve izy mizara amin’ny fianakaviany sy ny olom-pantany ireo zavatra nianarany? Raha mahafeno ny fepetra izy, moa ve izy nilatsaka mba handray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika? Maniry ny ho tonga mpitory ny vaovao tsara ve izy?

7 Raha manao ny anjarantsika isika amin’ny maha-mpampianatra, dia afaka manantena ny fitahiana manana amby ampy avy amin’i Jehovah. (2 Kor. 9:6) Na oviana na oviana isika dia tsy tokony hanadino ny herin’ny vavaka atao ho an’ny mpianatra Baiboly. Mangataka amin’i Jehovah mba hitarika azy hampihatra izay ianarany. (1 Kor. 3:6, 7) Enga anie izy ireny hanao dingana hampiseho ny fanapahan-keviny mba ho tonga mpikambana marisika ao amin’ny kongregasiona, ka amin’izany dia hanome dera sy laza fanampiny ho an’ny anaran’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara