Valin’ny Fanontanianareo
● Rehefa misy mpitory iray mifindra any amin’ny faritany hafa, inona no tokony hatao mba hanampiana amin’ny fifindrana any amin’ny kongregasiona vaovao iray?
Raha vao tonga ny mpitory iray avy any amin’ny kongregasiona hafa, ny mpitantsoratr’ilay kongregasiona dia tokony hahazo avy amin’ilay mpitory ny anaran’ny kongregasionany teo aloha ary ny anarana sy ny adiresin’ny mpitantsoratra ao amin’io kongregasiona io. Tokony hanoratra amin’izay any amin’ilay mpitantsoratr’ilay kongregasiona teo aloha izy, hangataka ny taratasy fitahiry momba ny asan’ny mpitory sy taratasy fampahafantarana iray. Ilay mpitantsoratra mandray io fangatahana io dia tokony hamaly tsy misy hataka andro. — Jereo Voalamina mba hanatanteraka tsara ny fanompoantsika, pejy faha-105-106.
Ilay mpitory mikasa hifindra dia afaka manampy amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa ananany ny anarana marin’ilay kongregasiona ialany sy ny anarana ary ny adiresin’ilay mpitantsoratra. Avy eo, amin’ny fahatongavany ao amin’ilay kongregasiona vaovao, io fanazavana io dia azo omena ilay mpitantsoratra ao mba hahafahany mamita ilay fifindrana haingana. Ireo filazana asa atolotra ilay kongregasiona vaovao dia azo tahirizina mandra-pandray ilay taratasy fitahiry momba ny asan’ny mpitory. Aorian’izay, ny asan’ilay mpitory dia ho azo apetaka eo amin’ny taratasy fitahiry momba ny asan’ny mpitory ary hampidirina ao amin’ny filazana asan’ny kongregasiona amin’ny volana manaraka.
Amin’ny toe-javatra sasany, ilay mpitory dia mety ho efa mahafantatra ny anarana sy ny adiresin’ilay mpitantsoratry ny kongregasiona hifindrany. Raha izany no izy, dia tsy hilain’ireo loholona intsony ny hiandry fangatahana. Ny taratasy fitahiry momba ny asan’ny mpitory ary ny taratasy fampahafantarana iray dia azo alefa amin’ny paositra avy hatrany any amin’ilay mpitantsoratry ny kongregasiona izay hiarahany.