Aoka isika handroso eo amin’ny fanompoana
1 Misy fitenenana anglisy tranainy momba ny fandrosoana iray manao hoe: “Manomboha eo amin’izay misy anao. Nefa aza mijanona eo amin’izay misy anao.” Tena azo ampiharina amin’ny fandrosoana eo amin’ny fanompoana tokoa io fitenenana io! Fony vao nanomboka ny fanompoana ianao dia nety ho tsy afaka nanao afa-tsy fampisehoana fohy ny hafatr’ilay Fanjakana. Nefa rehefa nandalo ny taona vitsivitsy ary tsy nihoatra io ambaratonga io ianao, fa nijanona teo amin’izay nisy anao, inona no azonao atao?
2 Ny dingana voalohany dia ny fangatahana amin’i Jehovah ny fahendrena ilaina mba hampianarana amim-pahakingana. (Ohab. 15:14; Jak. 1:5). Ny dingana faharoa dia ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’ny fivavahanao. Manokàna fotoana handinihana ireo fampisehoana ao amin’ny boky Comment raisonner. Mitadiava iray izay heverinao fa ho azonao ampiasaina amin’ny fomba mandaitra, ary averimbereno ilay fampisehoana mandra-panananao azy mazava ao an-tsaina. Ny dingana fahatelo dia ny fiarahana amin’ireo rahalahinao eo amin’ny fanompoana mba hahafahanao manao ilay fampisehoana efa nomaninao.
NAMANA HANAMPY ANAO
3 Mety hilaza ianao hoe: ‘Mora lazaina izany fa sarotra atao.’ Marina izany, nefa izany indrindra no antony anananao namana hanampy anao. Raha tanora ianao dia miresaha amin’ireo ray aman-dreninao na ireo mpitory manana fanandraman-javatra izay minisitra mahavokatra. Mangataha fanoloran-kevitra aminy ny amin’ny fahaiza-miresaka amin’ny olona eny am-baravarana. Mety hanolotra ny hanaovanareo fanazaran-tena izay hahafahanao manandrana ny fampisehoanao izy ireny. Afaka mitana ny toeran’ny tompon-trano izy, amin’ny fampitrangana fanoherana fandre eny am-baravarana. Arakaraka ny fampiasanao izay nianaranao, dia ho afaka ny hahay miresaka amim-pahakingana amin’ny olona ianao.
4 Manana namana hafa izay afaka manampy anao ianao. Izany dia ireo mpitory maharitra izay nianatra ny fomba fitory, tao anatin’ny fanandraman-javatra sy tamin’ny fanarahana ny Sekolin’ny fanompoan’ny mpitory maharitra. Ny mpitarika ny fianarana ny boky misy anao sy ny mpiandraikitra ny asa koa dia mety ho tsara toerana mba hiara-miasa aminao isam-baravarana sy hanolotra fampisehoana hafa koa ny amin’ny fomba firesaka sy fanjohian-kevitra amin’ny olona.
FANOLOKOLOANA NY FAHALIANANA NASEHO
5 Maniry ny hanome fanampiana ara-panahy fanampiny ho an’ny olona izay mandray ireo bokintsika isika. Midika izany fa tsy maintsy miverina any aminy isika mba hanairana fahalianana bebe kokoa. Alohan’ny hanaovana ilay fiverenana mitsidika, dia jereo indray izay nolazainao tamin’ny fitsidihana voalohany mba hahafahanao mamelabelatra amin’ny fomba mandaitra kokoa ilay foto-kevitra nahasarika ny fahalianany. Tadidio ao an-tsaina koa fa, na dia mamboly sy manondraka aza isika, dia i Jehovah no mampitombo. Mangataha àry ny fitarihany alohan’ny hanaovanao ilay fitsidihana. (1 Kor. 3:6, MN; 2 Kor. 9:10). Rehefa manampy olona hianatra isika dia mandroso koa ny tenantsika.
6 Ny dingana lehibe manaraka dia ny fanombohana sy ny fitarihana fampianarana Baiboly. Raha mbola tsy tratranao io ambaratonga io ao amin’ny fitomboanao amin’ny fanompoana dia manohiza manatona an’i Jehovah ao amin’ny vavaka ary mangataha azy hanampy anao hahita sy hamahana olona iray toy ny ondry. Mety ho hitanao fa manampy ny mandinika mpampianatra mahita vokatra tsara iray mampianatra Baiboly ary avy eo dia manahafa ny fomba fampianarany. Ankoatra izany, dia jereo indray ireo fanazavana ny amin’ny fomba fampianarana toy ny hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Febroary 1985, pejy faha-8-17. Amin’ny fanomanan-tena toy izany, dia ho vonona hitarika fampianarana ianao rehefa ho voavaly ireo vavakao.
MAMERA ARY MANATRATRARA ZAVA-KENDRENA
7 Mila fotoana ny fanatratrarana ireo zava-kendrena eo amin’ny fampianarana amin’ny fomba mandaitra kokoa sy fanaovana fiverenana mitsidika ary fitarihana fampianarana Baiboly. Afaka mametra zava-kendrena hafa ho an’ny tenanao ve ianao, toy ny fahatongavana ho mpitory maharitra mpanampy na mandavantaona? Raha manohy mandroso ianao eo amin’ny fanompoana, dia afaka ny ho loharanom-pampaherezana ho an’ny hafa. Fitahiana maro be avy amin’i Jehovah no mety ho azonao raha tsy mijanona eo amin’izay misy anao ianao fa mandroso hatrany.