Aoka isika hijinja arakaraka ny fiezahantsika manokana
1 Nampiseho ny fitiavany ny taranak’olombelona tamin’ny fomba maro i Jehovah Andriamanitra. Nanasongadina ny fitiavana mitafotafon’Andriamanitra i Jesosy tamin’ny fanamarihana tamin’ny vahoaka tafangona fa “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina” Andriamanitra. (Matio 5:43-48). Tamin’ny fotoana hafa i Jesosy dia nampahafantatra ny fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra miavaka indrindra—ny soron’ny Zanany Lahitokana, izay nomen’Andriamanitra mba ho famonjena antsika. (Jaona 3:16). Nananatra ireo mpihaino azy mba hamaly amim-pankasitrahana ny fitiavan’i Jehovah i Jesosy. Manao izany ve isika?
2 Mba hanehoantsika fankasitrahana feno sy handraisantsika soa maharitra avy amin’ny fitiavan’i Jehovah, dia tsy maintsy tonga amin’ny fahafantarana azy isika. (Jaona 17:3). Mila torohevitra sy fitarihana isika ny amin’ny hoe ahoana no hahafahantsika manompo azy amin’ny fomba azo ekena. Nampiseho ny fiahiany feno fitiavana i Jehovah tamin’ny nanomezany antsika ny Teniny ara-tsindrimandry, ny Baiboly, sy tamin’ny nananganany ny fandaminany mahatalanjona, izay amin’ny alalany no andraisantsika torohevitra sy fampianarana. (Matio 24:45-57; 2 Tim. 3:16, 17). Amin’ny maha-vahoakan’i Jehovah nanolo-tena antsika, dia nampianarina ny lalany isika. Nefa, mampiseho amin’ny fiezahantsika manokana ve isika fa mankasitraka ny fitiavan’i Jehovah? Mihaino tsara ny toroheviny ve isika mba hahazoana sitraka aminy ary noho izany mba handraisan’ny tenantsika manokana soa? (Isaia 48:17; Jak. 1:22). Nanoratra toy izao ao amin’ny 1 Korintiana 3:8 ny apostoly Paoly: “Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.”
3 Eny, tsy maintsy miezaka mafy hanao izay irin’Andriamanitra hataontsika isika. Tsy mandroso ara-panahy amin’ny famindra mitovy ny olona rehetra. Misy lafin-javatra maro izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny fandrosoantsika, ary tsy ho fahendrena ny hanaovana fampitahana manakivy. Kanefa, zava-dehibe iankinan’ny aina ny fiezahana isam-batan’olona ataontsika. Inona no azontsika atao mba hanarahana akaiky kokoa ny fandaminana? Misy lafin-javatra izay azontsika hatsaraina ve amin’ny fanekena ireo andraikitsika manokana amin’ny maha-kristiana? Fiezahana inona no hotakin’ny fanohanana tsaratsara kokoa ireo asan’ny kongregasiona? Misy lafin-javatra izay ilntsika fampiharana mifanaraka amin’ireo toromarika omen’ny fandaminana antsika ve? — 1 Tim. 4:16.
Tahafo ireo olona mahatoky
4 Notorin’ireo rahalahy sy anabavy mahatoky nandritra ny am-polony taona maro ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Mendrika ny hotahafina ireny olona mahatoky, toa an’i Paoly ireny. (1 Kor. 11:1). Namaly ny fitiavan’Andriamanitra izy ireny ary nijinja soa betsaka noho ny asany mafy sy ny fiezahany manokana hanaraka ny torohevitry ny Baiboly. Ireo mpiasa marisika ireo dia mahaforona fototra mafy orina ao amin’ny kongregasiona ary tsy mandositra ny adidiny manokana. Afaka mahita ny vokatry ny asa mafin’ny tsirairay aminy isika. — Rom. 1:13; 2 Kor. 3:1-3.
5 Ankehitriny dia olona vaovao an’aliny maro no angonina ho ao amin’ny fandaminana isan-taona. (Isaia 60:8). Izy ireny koa dia mazoto amin’ny fiasana fatratra mba hahatongavana ho olona matotra ara-panahy, ary ny zotom-pony amin’ny asa fitoriana diamendri-piderana. Mandray soa izy ireo amin’ny fahitana ny fomba itahian’i Jehovah ireo izay miasa mafy eo amin’ny fanompoana azy. Manampy ireo vaovao hahafantatra fa tsy izao no fotoana tokony hampiraviravy tanana na hihemorana amin’ny fanompoantsika an’Andriamanitra, ny ohatr’ireo rahalahy sy anabavy matotra. Na vaovao isika na mpitory za-draharaha, moa ve isika manohy mandroso ara-panahy ka manaiky ireo andraikitsika kristiana manokana ary manararaotra ny fandaharana teokratika rehetra?
Aoka isika hampihatra izay ianarantsika
6 Ela be talohan’ny nanoratan’i Jakoba hoe tokony ho “mpanao ny asa” isika dia nilaza toy izao tamin’ireo Jiosy i Mosesy: “Tsy maintsy mampihatra ireo teny ireo ianareo.” (Jak. 1:25; Deot. 11:18, MN) Koa tsy ampy ry izany ny fahalalana fotsiny ihany. Nila nampihatra ireo teny tao amin’ny lalna ireo Jiosy ho fankatoavana an’i Jehovah. Tsy miova io fotopoto-pitsipika lehibe tokoa io. Nahafantatra marina ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra. (Jaona 8:28). Nilaza toy izao izy ao amin’ny Matio 7:24: “Koa amin’izany na zovy na zovy mandre izany teniko izany ka mankat azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy.”
7 Mampihatra izay ianarantsika any amin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany ve isika? Moa ve isika mahafantatra hoe nahoana no iankinan’ny aina amin’izao fotoana izao ny hifohazana hatrany sy hihazonana ny fahaizantsika mandinika sy mandanjalanja? Mailaka amin’ny fahitana ireo fanafihana an-kolaka sy fandrika apetraky ny Devoly ve isika? Ankasitrahantsika ve ny torohevitra sy fananarana nomen’ny fandaminana miverimberina antsika mikasika ny ilna ny fahadiovana ara-pitondrantena sy ara-panahy ao amin’ny kongregasiona? Hatraiza no ampiharantsika manokana izay rentsika? — Jak. 1:23-25.
8 Ny fandaharan’ny andron’ny fivoriambe manokana any aoriana dia hanasongadina ny ilntsika ho tonga masina, satria masina i Jehovah. (1 Pet. 1:14-16). Ny fahamasinana dia midika hoe fahadiovana, na tsy fananan-tsiny na loto, ara-pivavahana. Milaza toetran’izay natokana ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany. Nankinina tamintsika ny fanompoana momba ny vaovao tsara. Noho izany, dia tsy maintsy madio ara-panahy, ara-pitondrantena ary ara-batana isika mba ho mendrika hitondra ny Tenin’ny fahamarinana. Mitaky ny hitandremantsika ny tenantsika mafimafy kokoa noho ny mahazatra izany. (Heb. 2:1). Raha manao toy izany isika dia hijinja fitahiana maro arakaraka ny fiezahantsika manokana.
Soa avy amin’ny fianarana manokana
9 Manampy antsika hanorina finoana matanjaka ary mampitombo ny fankasitrahantsika ny fahamarinana ny fianarana manokana. Manome toky antsika izy io sy mahatonga antsika ho ampy fitaovana mba hitenenana amim-pahefana. Manome fahaiza-mamantatra sy fahaiza-manavaka antsika izany ary manampy antsika hitafy ny toetra vaovao. (Kol. 1:9-11). Kanefa, mila fotoana sy fiezahana ny fianarana mahavokatra, ary tsy vita vetivety ny fahazoana fahalalana marina sy hevi-dalina ara-panahy. Arakaraka izay lanintsika amin’ny fianarana no horaisintsika avy aminy. — 2 Kor. 9:6,7; Gal. 6:7.
10 Manokana fotoana ampy ve isika isan-kerinandro mba hanomanana ireo fivorian’ny kongregasiona? Fomba iray hahafahantsika mampiseho fankasitrahana ny sakafo ara-panahy omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy malina izany. Manampy antsika hifikitra amin’ny fandaharana famakiana sy fianarana ny Tenin’Andriamanitra ny fanomanana tsara ireo fivoriana. Manokana fotoana isan-kerinandro ve isika mba hanaovana ny famakiantsika ny Baiboly araka ny ambara amin’ny fandaharana ho amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika? Tsy maka afa-tsy minitra vitsivitsy isan’andro ny famakiana sy fisaintsainana izay natao hovakina. Manampy antsika ho mailaka hatrany eo amin’ny fanaovana izay hampandaitra ny fanompoantsika ampahibemaso ny Fivoriana momba ny asa. Miomana, amin’ny fiheverana manokana ny fomba hahafahantsik a mampiasa io zavatra nodinihina io eo amin’ny fanompoana ve isika? Ary moa ve isika manao fiezahana mba hampiasa izany tsy misy hataka andro? Tokony hatao ny fandaharana manokana mba hanomanana ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona. Manao izany ve isika?
Mandraisa anjara amin’ireo fivoriana
11 Afaka mandray soa betsaka kokoa avy amin’ireo fivoriana isika rehefa mandray anjara amin’izy ireny. Mihazona antsika ho liana mandritra ireo fivoriana sy manao izay hahamora kokoa ny fandraisantsika soa avy amin’ny valintenin’ny hafa ny fanomanana ireo fivoriana ary avy eo dia ny fanaovana fiezahana mba handraisana anjara. Maro no mbola mahatsiaro ny fiezahana mafy nataony mba hanomezana ny valinteniny voalohany tao amin’ny fivoriana na ny lahateniny voalohany tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Na dia tokony ho efa nihena be dia be aza ny fihenjanana, manohy miasa mafy ve isika amin’ny fanaovana izay hampiharihary ny fandrosoantsika ara-panahy eo imason’ny olona rehetra? (1 Tim. 4:15). Mandray soa sy ampaherezin’ny valinteny omentsika ny hafa. Raha niomana tsara isika, nianatra ny zavatra hodinihina any amin’ireo fivoriana, ny fandraisantsika anjara misy heviny amin’izy ireny dia hampirisika ny hafa ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara. — Heb. 10:23-25.
12 Tsy tokony ho lava sy saro-pantarina ireo valinteny omentsika. Amin’ny ankapobeny, ny tsara indrindra dia ny hanomezana valinteny fohy izay mamaly mivantana ireo fanontaniana na manampy hanazava ny fampiharana ny andinin-teny iray. Raha niomana tsara isika dia ho afaka hanome valinteny amin’ny fomba fitenintsika manokana. Rehefa manao izany isika, ny soa ho an’ny tenantsika manokana sy ho an’ny hafa dia ho betsaka kokoa. Nahoana? Satria mitaky ny hieritreretantsika izay lazaintsika sy ny hanazavantsika ilay hevitra araka ny fahatakarantsika azy izany. Mety hanjary ho moramora kokoa ho an’ny hafa ny hahatakatra tsara ilay zavatra dinihina. Ary koa, hanampy antsika hitadidy ilay fanazavana izany mba hampiasaintsika amin’ny fotoana hafa.
Mamafaza amin-pahalalahan-tanana eny amin’ny saha fitoriana
13 Harem-panompoana iray ny asa kristiana ataontsika. (2 Kor. 4:7, MN) Mahita azy amin’izay fomba izay ve isika? Amin’ny alalan’ny fanompoana dia manana tombontsoa manambara ny finoantsika amin’ny hafa isika. Nilaza i Jesosy fa arakaraka ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava. (Lioka 6:45). Mamela antsika hijinja soa maro ny fiezahana manokana ataontsika mba handraisana anjara feno kokoa amin’ny fanompoana. Ranitana ny fahatakarantsika ny fahamarinana ary mampitombo fahaizana lehibe kokoa amin’ny fampiasana ny Baiboly isika. Manana ny fifaliana mitondra ny fahamarinana amin’ny hafa sy manampy azy ireny hianatra ny amin’ilay Mpamorona azy lehibe isika. Mijoro amin’ny maha-vavolombelon’ny fahitsian’ny fanapahan’Andriamanitra sy ny fiandrianany isika. Faly isika satria fantatsika fa manana ny fankasitrahan’i Jehovah, noho isika novana mba ho araka ny endriny sady manao ny sitrapony. — Matio 5:48.
14 Raha mandinika tsy tapaka ny fiezahantsika manokana isika, ny fanompoantsika an’i Jehovah dia tsy ho tonga fanompoana anarany fotsiny na oviana na oviana. Inona no dikan’izany? Midika izany fa tsy hanana fo voazarazara isika amin’ny fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra, ka tsy hanolotra ho azy fanompoana amin’ny endriny ivelany fotsiny na ny faran’izay kely vitantsika tsy misy fifikirana na fiezahana marina sy avy amin’ny fo. Tsy maintsy atao amin’ny fo manontolo ny fanompoantsika an’i Jehovah. Manana andraikitra araka ny Soratra masina hanome avy amin’ny tenantsika rehetra ho an’ny fanompoana azy isika. (Kol. 3:23, 24). Marina fa samy hafa ireo toe-javatra misy ny tsirairay ary tsy mitaky amintsika mihoatra noho izay mety ho vitantsika i Jehovah. Kanefa, izay azontsika atao, dia antenainy ny hanaovantsika azy! (Matio 22:37). Koa satria mirona hitsitsy aina ny olombelona mpanotra, dia tsara ny handinihantsika ny tenantsika indraindray ary ny hijerentsika hoe aiza no azontsika anaovana fanatsarana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Zatra manao izany ve isika?
15 Tsy maintsy maneho fitandremana tsara isika raha irintsika ny hisoroka ny famelana ny zava-kendrena sy ny faniriana manokana hanakana antsika tsy hanome ny tsara indrindra avy amintsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy maintsy apetraka eo amin’ny toerany ny fahafinaretana, ny fanalana andro tiana indrindra ary ny fialam-boly. Ary koa, tsy maintsy miaro tena amin’ny fironana ho tafiditra loatra amin’ireo raharaha ivelan’ny fivavahana isika. Amin’ny fihainoana tsara ny torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:22, 23, dia tsy isalasalana fa ho afaka hanao fiezahana bebe kokoa isika amin’ny fikatsahana ny tombontsoa ara-panahy ka hijinja araka izay.
16 Raha mbola manohy miezaka mafy amin’ny fitafiana ny toetra vaovao isika dia hanaiky ny andraikitry ny tenantsika hampihatra ny torohevitra sy ireo fanoloran-kevitra izay raisintsika any amin’ny fivorian’ny kongregasiona, ny fivoriamben’ny fizaran-tany, ny fivoriamben’ny distrika ary ao anatin’ireo zavatra vita an-tsoratra. Enga anie ny tsirairay avy amintsika hianatra amim-pitandremana tsara, handray anjara amim-paharisihana amin’ny fivoriana sy amin’io asa lehibe fanaovana mpianatra io arakaraka ny amelan’ny toe-javatra manokana misy antsika antsika. Amin’ny famaliana amim-pankasitrahana toy izany ny fitiavan’Andriamanitra dia afaka matoky ny hijinja valisoa ara-panahy sesehena isika ankehitriny ary hihazona ny fanantenana mafy ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah.