FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/01 p. 7
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • “Fanomezana An-tsitrapo ho An’i Jehovah”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Mamafaza Be dia Be Nefa Amim-pahaiza-manavaka
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Avy Aiza ny Vola Ampiasaintsika?
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Misaotra An’i Jehovah Izahay Noho ny Fitiavanareo
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 12/01 p. 7

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Voatery hanao fanomezana ho an’ny asa maneran-tanin’ny Fikambanana ve ny mpitory na mpisava lalana, isaky ny maka boky na gazety hoentina eny amin’ny fanompoana?

Tsia. Afaka manao ny fanomezany ho an’ny asa maneran-tany ny mpitory, arakaraka ny fahafahany sy ny faniriany, amin’izay fotoana fidiny hanaovana izany.—2 Kor. 8:10-15; 9:6-14.

Aleon’ny mpitory sasany anefa manao fanomezana isaky ny maka boky na gazety. Ny fakana boky mantsy dia mampahatsiahy azy ireo tsara ny tombontsoany sy ny andraikiny hanao fanomezana tsy tapaka ho an’ny asa maneran-tany. Ny sasany kosa mandrotsaka ny fanomezany miaraka amin’ny fanomezana an-tsitrapo voarainy, avy amin’ny olona liana hitany teny amin’ny fanompoana. Betsaka no nanapa-kevitra hanokana fanomezana arotsaka isan-kerinandro. Ny hafa kosa manokana vola isam-bolana ho an’ny asa maneran-tany, toy ny ataony ho an’ny Efitrano Fanjakana.

Na rahoviana na rahoviana no anaovana izany, dia ny tsirairay no tokony hamaritra izay azony atao ho fanampiana ho an’ny asa maneran-tany. Tokony hatao tsy tapaka sy mifanaraka amin’izay ananana ny fanomezana toy izany. (1 Kor. 16:2) Tokony hotadidintsika foana, rehefa manao fanomezana toy ireny, fa tsy ny lany amin’ny famokarana boky sy gazety ihany akory no anaovantsika fanomezana, fa ny zavatra rehetra atao amin’ilay asa maneran-tany mihitsy.

Ny fanomezana ataon’ny mpitory dia manampy amin’ny fikarakarana ny biraon’ny sampana, ny trano Betela, ny Sekolin’i Gileada sy ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ny misionera, ny mpiandraikitra mpitety faritany, ny toerana fanatobiana boky, ary ny sampan’asa maro hafa ilaina amin’ny fanatanterahana ny zava-drehetra nanendren’i Jesosy ny mpianany. Tapany kely amin’izany fotsiny ny famoahana boky sy gazety.

Koa rehefa manao fanomezana àry ny olona liana eny amin’ny saha, dia tsy tokony hilaza aminy isika hoe “ho an’ilay boky na gazety” ilay fanomezana. Hazavaintsika amin’ireny olona ireny fa omena an’ireo tena maniry hamaky ny boky sy gazetintsika. Hampiasaina hisahanana ny fandaniana rehetra atao ho an’ny asa maneran-tany ny fanomezana rehetra omen’ireny olona ireny. Toy izany koa ny fanomezana ataon’ny mpitory.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara