Aoka isika ho be zavatra hatao foana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah
1 Tena manana tombontsoa tokoa isika manompo an’i Jehovah. Noho isika nandray fahalalana marina momba azy sy i Jesosy, Zanany lahitokana, dia voatosiky ny fitiavana mba hikely aina amin’ny fomba feno amin’ny fanaovana ny sitrapony isika. (Jaona 17:3, MN). Mety ho vizana isika, nefa omen’i Jehovah hery isika mba hanana tanjaka be. — Isaia 40:29, MN.
2 Inona no fomba tsara indrindra hanehoantsika ny fankasitrahantsika noho ny fitiavana lehibe nasehon’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy tamintsika? (2 Kor. 5:14, 15). Ny fomba voalohany dia ny fanahafana an’i Jesosy, izay tsy nety reraka nanao fanambarana momba ny anaran’ny Rainy sy ny Fanjakany. (1 Pet. 2:21). Raha manana finoana matanjaka isika, dia hihodinkodina eo amin’ny asa fitoriana ny vaovao tsara nomen’Andriamanitra hatao ny fiainantsika. — Matio 24:14, MN.
3 Misy isan’ora vitsy indrindra tokony hatokantsika ho an’ny asa fanompoana ve? Samy hafa ny toe-javatra misy ny olona. Mety ho voafetra ny fahafahantsika noho ny fandrosoan’ny taona, ny tsy fahasalamana na ny andraikitra ara-pianakaviana. Na dia izany aza, dia takina amintsika rehetra ny hanao ny fanompoantsika an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra. Izany dia midika fa ny tenantsika manokana dia tokony haneho ny halalin’ny fifikirantsika sy ny fahatsoran’ny fanoloran-tenantsika amin’ny fanaovana izay rehetra azontsika atao eo amin’ny fanompoana. (2 Tim. 2:15, MN). Misy fahafahana maro misokatra eo anoloantsika rehetra arakaraka ny tarehin-javatra misy ny tenantsika manokana. Inona avy izany?
4 Ireo Fomba Hahafahana Hanitatra ny Fanompoantsika: Tokony hahintsika voalohany indrindra aloha ny hanatsara ny toetran’ny fanompoantsika. Izany dia azo atao amin’ny fambolena fahaizana tsara kokoa eo amin’ny maha-mpampianatra. Ny iray amin’ireo zava-kendren’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika dia ny hanampy antsika hahita vokatra tsara kokoa eo amin’ny asa fanompoana. Mieritreritra ny asa fanompoana ve isika rehefa manomana ireo anjarantsika? Mampihatra ireo torohevitra azontsika ve isika mba hanatsarana ny fanompoana ataon’ny tenantsika manokana? (sgMG p. 96-99). Toy izany koa fa misy fanoloran-kevitra maro ho amin’ny asa fanompoana omena mandritra ny Fivoriana momba ny asa. Aoka isika hampiasa azy ireny haingana araka izay azo atao.
5 Manaraka izany, dia diniho ny fahafahana hanao fanamboarana eo amin’ny toe-javatra misy antsika mba hanaovana ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy na mandavantaona. Ny fanaovana izany dia azo antoka fa hitana antsika ho be zavatra hatao foana eo amin’ny fanompoana ilay Raintsika, dia i Jehovah. (1 Kor. 15:58, MN). Ary raha tsy afaka ny ho mpitory maharitra ianao? Afaka maneho ny toe-tsain’ny mpitory maharitra ianao amin’ny fambolena fitiavana marina ny fanompoana sy fiheverana lalina ireo olona eo amin’ny faritaninao. Afaka manararaotra ny fahafahana rehetra koa ianao mba hanampiana ireo olona tso-po hahafantatra an’i Jehovah sy ireo fikasany mahatalanjona amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika sy amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly.
6 Ny fanekena ilay antso mba hanompo any amin’izay mila fanampiana betsaka kokoa dia mety ho anisan’ny fandrosoantsika. (Isaia 6:8). Ireo izay nifindra toerana ho any amin’ny kongregasiona nila fanampiana teo amin’ny fitambaran’ireo mpikarakara na nitady fanampiana mba hiasa ny faritaniny dia tena nijinja fitahiana betsaka tokoa.
7 Rehefa nianatra voalohany ny fahamarinana isika, dia nanosika antsika hanao fanamboarana lehibe teo amin’ny fiainantsika ny fitiavana an’i Jehovah sy i Kristy Jesosy. Ankehitriny, arakaraka ny itomboan’ny fankasitrahantsika ny fifandraisantsika amin’ilay Raintsika any an-danitra sy izay nataon’ny Zanany ho antsika, moa ve misy fanamboarana hafa azontsika atao mba hanitarana ny fanompoantsika? Aoka isika rehetra hikely aina amin’ny fananana zavatra betsaka hatao foana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. — Rom. 12:11.