Ny asan’ny mpitory maharitra — Fanompoana izay mitondra valisoa tondraka
1 Tian’i Jehovah hifaly sy hahita soa amin’ny fisasarantsika rehetra isika. (Mpit. 5:18, MN). Ny asa lehibe indrindra azontsika ilofosana dia ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra. Nampirisika an’i Timoty toy izao i Paoly: “Ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho amin’ny fomba feno ny fanomponao.” (2 Tim. 4:5, MN). Nampirisika an’i Timoty izy, ary ny tenin’i Paoly dia mampirisika antsika rehetra amin’izao andro izao koa mba hanao ny fanompoantsika amin’ny fanahintsika rehetra. Ho an’ny sasany, ny fanaovana ny fanompoana amin’ny fanahiny rehetra dia mety ho ny fanompoana amin’ny maha-mpitory maharitra mandavantaona. Nahoana ianao raha mandinika amim-bavaka raha hamela anao hanomboka ny fanompoana manontolo andro ny toe-javatra misy anao?
2 Ilaina ny hanaovan-javatra amim-pahatapahan-kevitra: Mitaky fanaovana dingana hentitra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika ny fidirana hanao ny asan’ny mpitory maharitra. Mambole faniriana amim-pahatsorana ny hanao ny fanompoana an’i Jehovah, ary koa fitiavana ny olona. Ampitomboy ny asa fanompoana ataonao, ka manorena fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly. Miezaha hanorina fandaharam-potoana azo arahina; aoka ianao hihevitra ny zavatra tena misy. Mitadiava fanipazan-kevitra avy amin’ireo loholona sy mpitory maharitra. Mifikira amin’ny fahazarana handray anjara amin’ny asa fitoriana noeritreretina tsara. Tena ilaina ny hananana fahaizana mifehy ny tena, ny fanaovana dingana hanao zavatra ary ny fahatapahan-kevitra. (1 Kor. 9:23, 25, 27). Ireo dia anisan’ny dingana hentitra nataon’ny olona maherin’ny 10 000 nirotsaka hanao io asa io nandritra ireo volana faramparany.
3 Ny famerana zava-kendrena voafaritra tsara sy ny fiezahana amim-pahazotoana mba hanatratrarana izany dia hahatonga antsika handroso eo amin’ny fitoriana ataontsika arakaraka ny hanatsarantsika ireo fahaizantsika. Afaka manatsara ireo teny fampidiran-dresaka ataontsika eo am-baravarana na ny fomba hamaliantsika fanoherana ve isika? Ampiasaintsika amin’ny fomba feno ve ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra misy eo an-toerana? Mitarika fampianarana Baiboly mandroso ve isika? Afaka manomboka ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy ve isika izao amin’ny fisaintsainana ny hanao ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona any aoriana? Tsy maintsy ho azo ampiharina sy ferana araka izay azontsika tanterahina ireo zava-kendrena. Hanatsara ny fahitantsika vokatra tsara ary hitondra fahafaham-po lehibe ho antsika ny fanatratrarana izany zava-kendrena izany. — 1 Tim. 4:15, 16.
4 Fomba fiaina mitondra valisoa: Ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra noho ny antony tsara sy ny faniriana handroso eo amin’ny ara-panahy dia mitondra soa maro. Mampitombo fitokiana mafy kokoa an’i Jehovah isika. Hahazo fahaizana mampiasa ny Tenin’Andriamanitra kokoa isika avy amin’ny fampiasana tsy tapaka azy io eo amin’ny fanompoana. Hisy fiantraikany mahasoa eo amin’ny kongregasiona izany, ary mety ho voarisika handray anjara bebe kokoa amin’ny fanompoana ny hafa noho ny ohatra feno zotom-po asehontsika. Afaka manampy antsika hahazo fomba fijery ny fiainana araka ny fanahy kokoa ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra ary hiaro antsika amin’ny fanirian-daza, ny faniriana ary ny fifaneraserana hita eo amin’izao tontolo izao.
5 Hoy i Jesosy tamin’ireo mpanara-dia azy: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:37, 38). Mbola lehibe kokoa aza ankehitriny ny ilàna mpiasa noho ny tamin’ny andron’i Jesosy. Mamela antsika hanana fahafahana handray anjara feno amin’io asa famonjena aina tsy maintsy atao maika dia maika io ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra. Tsy misy na inona na inona afaka mifaninana amin’ny fahafaham-po sy ny fahatsiarovana ho nahavita zavatra azo avy amin’ny fampiasana ny fiainan’ny tena amin’ny fanompoana ilay Mpamorona antsika Lehibe manontolo andro. — Ohab. 10:22.