Afaka Manao Bebe Kokoa ve Ianao mba Hanomezam-boninahitra an’i Jehovah?
1 Fanontaniana tena lehibe tokony hodinihintsika rehetra io. Amin’ny maha-mpanahaka mahatoky an’i Jesosy Kristy Tompontsika antsika, dia manome voninahitra an’Andriamanitsika isika amin’izao andro izao amin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso momba ny anarany. Izany dia andraikitra izay tsy maintsy iantsorohantsika raha tiantsika ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. (Marka 13:10; Lioka 4:18; Asa. 4:20; Heb. 13:15, NW). Tombontsoa — eny, voninahitra — tsy hay lazaina tokoa ny mitondra io vaovao tsara io any amin’ireo “ondry” miparitaka mbola tavela izay mbola mety ho tonga anisan’ny valan’ondrin’i Jehovah manerana izao rehetra izao! — Jaona 10:16.
2 Moa ve ianao sy ny zanakao afaka manao bebe kokoa mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah amin’ny fampitomboana ny asanareo eo amin’ny fanompoana? Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo rahalahinao sy anabavinao maneran-tany mirotsaka hanao ny asan’ny mpisava lalana. Nandritra ny volana Aprily 1992, dia nahatratra tampon’isa ireo 834 nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana, maharitra na mpanampy teto Madagasikara. Moa ve ny tenanao nihevitra tamim-pitandremana ny hanao ny asan’ny mpisava lalana? Moa ve ianao mampirisika ireo zanakao hikatsaka ny fanompoana manontolo andro ho ny asa hataony amin’ny fiainany?
3 Nahoana raha mamakafaka izay tsapan’ny tenanao manokana momba ny asan’ny mpisava lalana? Isaky ny voatonona io foto-kevitra io, moa ve ianao manatsoaka hevitra haingana fa tsy mamela anao hanompo amin’ny maha-mpisava lalana tsotra izao ny toerana misy anao? Marina fa tsy ho afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana ny rehetra. Ireo andraikitra araka ny Soratra Masina sy zavatra mametra hafa dia manakana ny maro tsy hanao ny fanompoana manontolo andro. (1 Tim. 5:8). Kanefa, moa ve ianao nandinika io raharaha io tamim-bavaka vao haingana? Efa niresaka momba io foto-kevitra io ve ny fianakavianao mba hijerena raha misy mpikambana iray fara faharatsiny afaka ny ho mpisava lalana? Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 May 1983 (p. 22) dia ahitana fanazavana mahatonga hieritreritra mitovy amin’izao manaraka izao: ‘Raha ny tena izy, ny minisitra kristiana rehetra dia tokony handinika amim-bavaka raha ho afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana ny tenany na tsia. Hoy ny mpivady iray atsy Afrika Atsimo, izay manao ny asan’ny mpisava lalana hatramin’ny dimy ambin’ny folo taona: “Nahoana isika no mpisava lalana? Ho afaka hanazava amin’i Jehovah ny antony ve isika raha tsy mpisava lalana?” Maro amin’ireo izay tsy mpisava lalana no tokony hanontany tena tahaka izany koa hoe: “Tena afaka manazava amin’i Jehovah ny antony tsy maha-mpisava lalana ahy ve aho?”’
4 Ny lahatsoratra iray tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana hafa iray momba io foto-kevitra io dia nanao izao teny mivantana tsara izao: “Ny tsirairay avy amintsika dia tokony hilaza ny marina amin’ny tenany. Moa ve ianao manao hoe: ‘Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery’? Tena mety tokoa ve anefa ny fanahy? Aoka isika tsy hampiasa ny tsy fananan’ny nofo hery ho fialan-tsiny ho an’ny tsy fetezan’ny fanahy.” — wF 15/11/78 p. 21.
5 Ray aman-dreny izay maniry ny hahombiazan’ny zanany: Manome izao toky izao antsika ny Ohabolana 15:20: “Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy”. Ireo ray aman-dreny tia an’Andriamanitra dia tsy iadian-kevitra fa mifaly rehefa manaraka fiainana voamariky ny fanompoana an’i Jehovah feno fahafoizan-tena ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Tsy handeha ho azy anefa ny hifidianan’ireo zanakareo ny lalana mampiseho fahendrena. Tena mahery ny hery misinton’ity tontolo ity. Ry ray aman-dreny, ireo fari-pitsipiky ny zanakareo dia volavolain’ny anareo be dia be. Raha miresaka amin’ny fomba manorina foana momba ireo soa entin’ny fanompoana manontolo andro ianareo, raha mampirisika ireo zanakareo kely mba hitady ny fifaneraseran’ireo mpisava lalana feno fandavan-tena ianareo, raha tena miaiky marina ianareo fa ny fanompoana manontolo andro no asa be voninahitra indrindra ho azon’ny zanakareo atao eo amin’ny fiainany, dia tsy isalasalana fa hisy heriny lehibe eo amin’ny zanakareo izany fihetsika manorina izany. Ampio izy ireo hahatakatra ny hasarobidin’ny fahazoana laza tsara eo anatrehan’i Jehovah fa tsy eo anatrehan’ny olona.
6 Ry tanora, manasongadina ny safidy tsy maintsy ataonao amin’izao teny izao ny Ohabolana 22:1: “Aleo ho tsara laza [“anarana”, NW] toy izay ho be harena, ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.” Karazana laza toy inona no homenao ny tenanao? Eritrereto ireo lehilahy sy vehivavy voatantara ao amin’ny Baiboly izay nahazo laza tsara tamin’Andriamanitra noho ny fanompoana feno fahafoizan-tena. Teo i Lioka, ilay dokotera nankamamina, sy i Enoka, izay niara-nandeha tamin’ilay Andriamanitra marina. I Samoela dia nahazo ny fampianarana tsara indrindra nety ho azo, tamin’ny fanombohana ny fanompoany tao amin’ny tempolin’i Jehovah raha mbola kely dia kely. Heverinao ve fa nanenina noho ny safidy nataony ireny mpanompo nahatoky ireny? Inona moa no antony hanenenany noho izany? Nanana fiainana sambatra sy namokatra ary nampientana izy rehetra ireo. Ary nahazo ny fankasitrahana maharitr’i Jehovah izy ireny! — Sal. 110:3; 148:12, 13; Ohab. 20:29a; 1 Tim. 4:8b.
7 Rehefa mahomby eo amin’ny fiainana ny zanany, dia mahatsapa fa manana antony azo ireharehana ny ray aman-dreny. Ny fandaniana rehetra nenti-nampiofana sy nifehy ary nampianatra io “lova avy amin’i Jehovah” io dia voaonitra imbetsaka. (Sal. 127:3). Zavatra inona no hahatonga ny ray aman-dreny ho afaka hirehareha kokoa noho ny zanakalahy na ny zanakavavy manao izay rehetra azony atao mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah? Tanora maro amin’izao andro maoderina izao no manaraka ny ohatr’i Lioka sy i Enoka ary i Samoela, araka ny asehon’ny taratasy iray toy izao: “Enina ambin’ny folo taona aho. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra aho (...) sivy volana lasa izay, taorian’ny batisako, ary dia nahazo fitahiana avy tamin’i Jehovah foana hatramin’izay. (...) Manampy anao any an-tsekoly koa ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana. Taloha, dia nohanihanin’ireo iray kilasy amiko aho noho izaho Vavolombelona. Izao kosa aho, satria voatery manao fianarana manokana be dia be, dia afaka ‘mamaly izay miteny ratsy ahy’.”
8 Fianarana izay hahatonga ny tena ho ampy fitaovana ho amin’ny fanompoana: Eto no azontsika andinihana ilay raharaha momba ny fianarana ivelan’ny fivavahana. Izy io dia lafin-javatra iray tena ilana indrindra ny hananana fomba fijery voalanjalanja. Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1992 dia nanasongadina ilay lahatsoratra hoe “Fianarana Misy Zava-kendrena”. Eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Fianarana ampy”, dia nisy izao hevitra izao: “Ny Kristiana dia tokony ho afaka hamelon-tena, na dia minisitra mpisava lalana manontolo andro aza izy. (2 Tesaloniana 3:10-12). (...) Fianarana toy inona no ilain’ny tanora kristiana iray mba hanajana ireo fotopoto-pitsipika ireo sy hamitana ireo adidiny kristiana? (...) Inona no azo lazaina hoe [karama] ‘ampy’ (...) ho an’ireo izay maniry ho tonga minisitra mpisava lalana ho an’ny vaovao tsara? Ny olona toy izany dia saiky mandrakariva mila asa tapa-potoana mba tsy ‘hahavaky tratra’ ny rahalahiny na ny fianakaviany. — 1 Tesaloniana 2:9.”
9 Raha heverina fa ilain’ilay mikasa ny ho mpisava lalana ny fianarana fanampiny mba hanampy azy hanao ny fanompoana manontolo andro, dia manoro hevitra toy izao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1992: “Tsara ho an’ny tanora Vavolombelona ny manao izany, raha azo atao, dieny mbola ao an-tranon-dray sy reniny izy, amin’izay izy dia afaka mitana ho ara-dalàna ny fahazarana mianatra sy ny fanatrehana ireo fivoriana ary ny asa fitoriana kristiana.”
10 Avy tatsy Afrika dia nahazoana fitantarana ny amin’ny tanora iray 22 taona izay voatery nankany amin’ny sekoly fianarana asa, na dia naniry hanao ny asan’ny mpisava lalana aza ny fony. Raha mbola tany amin’ilay sekoly fianarana asa izy, dia nirotsaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Nihomehy azy ireo nitovy taona taminy ary nilaza fa azo antoka fa tsy ho afaka amin’ny fanadinana izy. Hoy foana ny navaliny azy ireo: “Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinana.” Nampihatra fahaiza-mifehy tena izy ka nifoha aloha be isa-maraina mba hianarana ireo lesony mandritra ny adiny roa ary avy eo dia nandray anjara tamin’ny asa fanompoana ny tolakandro, rehefa nirava tany am-pianarana. Zendana ny tany an-tsekoly rehetra rehefa nahazo ny laharana fahatelo io tanora io tamin’ny fanadinana manokana iray natao hifidianana ireo mpianatra telo nahay indrindra ka mendrika ny hahazo vatsim-pianarana. Ilay mpianatra nahazo ny laharana faharoa dia olona liana iray izay niara-nianatra ny Baiboly tamin’io mpisava lalana io tany an-tsekoly. Ilay mpianatra nahazo ny laharana voalohany dia tanora Vavolombelona be zotom-po hafa iray tao amin’io sekoly io ihany.
11 Loholona manao ny anjara asany: Ireo loholona ao amin’ny kongregasiona, izay mirehareha noho ny asa ataon’ireo mpisava lalana, dia manome fampaherezana lehibe ho an’ireo mpitory be zotom-po ireo. Faly manao izany ireo loholona satria fantany fa ireo mpisava lalana miasa mafy sady mamokatra dia fitahiana ho an’ny kongregasiona. Rehefa avy nandany herintaona teo ho eo teo amin’ny asan’ny mpisava lalana maharitra izy ireo dia manjary mendrika ny hahazo fampiofanana fanampiny any amin’ny Sekolin’ny Mpisava Lalana. Io fianarana io dia hita fa fitaovana sarobidy mba hanatsarana ny fahaizan’ireo mpisava lalana hahita vokatra tsara. Na dia eo amin’ny laharana voalohany eo amin’ny fanaovana ilay asa aza ireo mpisava lalana, izy ireo koa dia mila fampaherezana amim-pitiavana, ary ireo loholona dia tokony ho mailaka hanome izany zavatra ilainy izany. — 1 Pet. 5:1-3.
12 Ahoana no ahafahan’ireo loholona manome fandrisihana ho amin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana? Ny dingana tsara voalohany dia ny fanombanana amin’ny fomba tsy tapaka hoe iza no mety ho afaka hanatratra io tombontsoa io. Azon’ireo loholona atao ny manatona ireo mpitory izay toa tsara toerana mba hanao ny asan’ny mpisava lalana, anisan’izany ireo mpitory maro manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tsy tapaka, ireo efa misotro ronono, ireo vehivavy mpikarakara tokantrano ary ireo mpianatra. Na dia tsy misy tokony hahatsiaro tena ho voatery hirotsaka hanao io asa io aza, ireo izay manana ny faniriana kanefa mbola misalasala, dia mety hahita fa azony tratrarina ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana, raha omena fampirisihana azo ampiharina kely fotsiny izy.
13 Rehefa manome fampirisihana an’ireo izay maniry hanao io asa io ireo loholona, dia tokony hitadidy ao an-tsaina fa tsy ilaina ny hanaovan’izany olona izany ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mandritra ny volana maromaro alohan’ny hirotsahany hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra. (kmMG 10/86 p. 5-6, § 24-26). Mazava ho azy fa haniry hahazo antoka amin’ny fomba antonony fa ho afaka hahavita ireo ora takina aminy ilay manao fangatahana.
14 Rehefa avy nodinihin’ny Komitin’Asan’ny Kongregasiona ilay fangatahana ka nohamarinin’ny mpitantsoratra tamim-pitandremana mba hahazoana antoka fa voavaly avokoa ny fanontaniana rehetra, dia tokony halefa avy hatrany any amin’ny Fikambanana.
15 Ny mpitantsoratra dia tokony hampahafantatra mandrakariva an’ireo loholona ny amin’izay zava-manahirana mety ho hitan’ireo mpisava lalana. Tena zava-dehibe indrindra ny hanaovana izany any amin’ireo kongregasiona misy mpisava lalana maro. Ho fanampin’ny fandinihana ny asan’ireo mpitory isaky ny faran’ny taom-piasana, araka ny angatahina ao amin’ny Tatitra Famakafakana ny Kongregasiona (S-10), ny mpitantsoratra dia tokony hanasa ny mpiandraikitra ny asa mba hiara-mihaona aminy any amin’ny fiandohan’ny volana Martsa mba hahitana hoe iza no mety ho tratra aoriana raha ny amin’ny famitana ireo ora takina aminy ka mety hila fanehoana fiheverana manokana. (Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, Febroary 1993, Fampandrenesana.) Raha omena fanampiana tsy misy hataka andro ilay mpisava lalana dia mety ho afaka hamita ny taom-piasana amim-pahombiazana.
16 Mpisava lalana vaovao maro be no tanora ary vaovao ihany ao amin’ny fahamarinana. Ny toe-tsaina feno fahavononan’izy ireo dia tena mahatonga antsika hifaly tokoa! Ireny vaovao ireny anefa dia mbola mila fampiofanana mba hanatsarana ny fahaizany eo amin’ny asa fitoriana isan-trano, fanaovana fiverenana mitsidika mandaitra ary fanaovana fampianarana Baiboly. Raha tsy mahazo izany fampiofanana izany ny vaovao iray, dia mety ho kivy rehefa afaka herintaona eo ho eo ka hampitsahatra ny asan’ny mpisava lalana satria tsy mahita vokatra tsara eo amin’ny fanompoany. Ireo loholona mailo dia mety ho afaka hahatsikaritra zava-manahirana madinika na fisian’ny fihenana eo amin’ny asa. Raha anehoana fiheverana avy hatrany ka ampiana amin’izay manahirana azy ilay mpisava lalana, dia mety ho afaka hanao fanompoana mamokatra mandritra ny taona maro.
17 Afaka manarato any amin’ny rano lavitra ve ianao? Mpanarato ny sasany tamin’ireo mpianatr’i Jesosy. Indraindray, rehefa avy nanarato nandritra ny alina manontolo izy ireo, dia mbola foana ihany ny haratony. (Jaona 21:3). Any amin’ny faritra sasany eto amintsika izay nanaovana ny ‘asa fanaratoana olona’ efa nandritra ny taona maro, dia mety hisy mpisava lalana hanatsoaka hevitra fa “hazandrano” vitsy sisa no tavela ao amin’ireo ‘ranon’ny’ kongregasionany. (Matio 4:19). Mifanohitra amin’izany kosa, dia misy faritany midadasika eto Madagasikara izay tsy misy mpitory na tsy misy afa-tsy mpitory vitsy monja. Noho izany, raha misy mpisava lalana miasa mafy afaka ny hifindra any amin’ny faritra iray eto Madagasikara izay mila fanampiana kokoa, dia tokony hiara-mandinika izany amin’ny biraon’ny sampana izy ireo alohan’ny hanaovana izany fifindra-monina izany.
18 Tany am-boalohany, ny sasany dia nety ho nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana satria fantany fa izany no zavatra tsara tokony hatao, kanefa nanontany tena raha ho afaka ny hahomby tamin’izany ny tenany. Nety ho nameno ilay fangatahana tamim-pisalasalana sy fihambahambana izy ireny. Teo am-piandohana, dia nety ho kely dia kely ny vokatra azony teo amin’ny fitoriana. Tatỳ aoriana anefa, dia nihatsara ny fahaizany, ary dia nahita ny porofon’ny fitahian’i Jehovah teo amin’ny asany izy ireny. Ho vokatr’izany, dia nitombo ny fifaliany sy ny fatokian-tenany. Ho an’ny sasany, ny asan’ny mpisava lalana aza dia nanjary dingana nitarika azy ho amin’ny fanompoana ao amin’ny Betela, ny fampiofanana tany Gileada sy ny asa misionera, ny Sekolin’ny Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana ary ny asan’ny mpitety faritany mihitsy aza.
19 Mety ho tsy afaka ny hifindra ho any an-tany hafa ianao na hanararaotra ny fampiofanana any Gileada. Kanefa mbola misy ihany fahafahana hanarato any amin’ireo rano hafa eto amintsika, raha tsy dia tena manome vokatra tsara ny faritaninao ankehitriny. Mety hitaky fanaovana fiovana eo amin’ny fomba fiainanao izany fifindra-monina izany, kanefa ireo valisoa ara-panahy dia tena ho lehibe tokoa. — Matio 6:19-21.
20 Na, raha mamela anao ny toerana misy anao, dia mety ho afaka hanampy kongregasiona iray eo akaiky ao amin’ny fizaran-tany misy anao ihany ianao. Raha mahafeno ireo fepetra ianao, ny mpiandraikitra ny fizaran-taninao dia ho faly hanome anao fanipazan-kevitra momba ireo kongregasiona ao amin’ny fizaran-tany izay handray soa amin’ny fahazoana mpisava lalana hafa iray koa.
21 Raha manao izay rehetra azonao atao mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah ianao amin’izao fotoana izao, dia mifalia noho ireo tombontsoam-panompoana anananao. Raha mihevitra ianao fa afaka manao bebe kokoa, dia ento amim-bavaka eo anatrehan’i Jehovah izany. Fakafakao amin’ny fijerena zavatra araka ny tena izy ireo fiovana azonao atao eo amin’ny toerana misy anao. Miresaha momba ny fikasanao amin’ny loholona iray izay manana ny toe-tsain’ny mpisava lalana na amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Rehefa avy nanao fanapahan-kevitra azo ampiharina tamim-bavaka ianao, dia ampiharo avy hatrany izany, amin’ny fametrahana fitokiana amin’ny fampanantenan’i Jehovah hanome voninahitra ireo izay manome voninahitra azy. — Heb. 13:5, 6; 1 Sam. 2:30.