FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/93 p. 8
  • Mahaiza Manovaova eo Amin’ny Fanompoanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahaiza Manovaova eo Amin’ny Fanompoanao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampidiran-dresaka mandaitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Fampidiran-dresaka Izay Hanaitra Fahalianana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Omano Tsara ny Fampidiran-dresakao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Fampisehoana Tsotra Sady Mandaitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 3/93 p. 8

Mahaiza Manovaova eo Amin’ny Fanompoanao

1 Nisy nilaza fa ny fisian’ny tsy fitoviana no manome tsirony ny fiainana. Matetika ny fampidirana foto-kevitra iray ihany amin’ny fomba hafa dia mety hahatonga azy io hahaliana. Tena marina koa izany raha ny amin’ny fanompoantsika. Raha tsy mitandrina isika, ny fomba fampiseho ampiasaintsika isan-trano dia afaka ny hanjary hanaraka fomba iray mitovy foana. Ny famerenana fampidiran-dresaka mitovy hatrany hatrany dia tsy handreraka antsika ihany, fa ireo tompon-trano koa. Noho izany, dia mahaiza manovaova eo amin’ny fanompoanao. Ahoana anefa no ahafahanao manatanteraka izany?

2 Aza milaza fotsiny hoe: ‘Manao ahoana, Tompoko. Mitsidika ny mpiara-belona aminay izahay mba hiresaka momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana’, fa nahoana kosa raha mitady fomba hanovaovana ireo teny fampidirana ampiasainao? Misy fampidiran-dresaka maro be ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Eo amin’ny pejy faha-9 ka hatramin’ny faha-15, dia misy fampidiran-dresaka momba ny foto-kevitra 18 samy hafa. Ary ny ankamaroan’ireo foto-kevitra dia misy fanoloran-kevitra roa, na telo, na mahery avy.

3 Raha mampiasa ny bokikely “Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?” ianao, dia mety hanampy izao fampidiran-dresaka hita eo ambanin’ny hoe “Fiainana/Fahasambarana” ao amin’ny pejy faha-12 izao:

◼ “Miresaka amin’ny olona izay tena miahy marina ny amin’ny toetran’ny fiainana amin’izao andro izao izahay. Maro no manontany tena hoe: Mety hisy ve izany hoe fiainana tena sambatra izany? Ity bokikely ity dia manome fomba fijery mampahery sady mahatonga hieritreritra.” Sokafy eo amin’ny pejy faha-25 ilay bokikely, ary mamakia hevi-dehibe iray na roa avy ao amin’ny fehintsoratra faha-15 sy faha-16.

4 Misy mpitory ilay Fanjakana — ireo tanora sy vaovao indrindra indrindra, kanefa koa ireo efa lehibe kokoa — nahita fa azo atao ny mampiasa fampidiran-dresaka mahaliana eo am-baravarana amin’ny fampiasana taratasy mivalona.

Ho azon’ny mpitory tanora iray atao ny hampiasa ilay taratasy mivalona hoe “Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana” ka hanao hoe:

◼ “Manana hafatra fohy ho anao aho, momba ny fomba ahaizan’Andriamanitra mampiray fianakaviana mba ho sambatra. Maniry hanome anao ity taratasy mivalona hoe Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana ity aho.” Avy eo ilay mpitory lehibe kokoa miara-miasa amin’ilay tanora dia afaka manapa-kevitra raha hanampy hevitra na teny fanampiny ny tenany na tsia, arakaraka ny fihetsik’ilay tompon-trano.

5 Raha maneho fahalianana ilay tompon-trano, dia mety hiteny toy izao ilay mpitory lehibe kokoa:

◼ “Ny Baiboly dia manome toromarika momba ny anjara asa araka ny tokony ho izy tanan’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy ao amin’ny fianakaviana. Koa satria Andriamanitra no Loharanon’ny fianakaviana, moa ve tsy hanaiky ianao fa izy no tsara toerana indrindra mba hilaza amintsika ny fomba tokony hiasan’ny fianakaviana? Maniry handre ny hevitrao momba izao torohevitra mivantana omen’ny Baiboly ho an’ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana izao aho.” Avy eo dia vakio ny Efesiana 5:22, 23, 28-31.

6 Raha mampiseho ny boky Fanambarana ianao, nahoana raha manasongadina ilay fomba fihevitra manorina momba ny hoavy voasoritra ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 4? Avy eo dia vakio ny fehintsoratra faha-7 eo amin’ny pejy faha-303 ao amin’ilay boky. Anontanio ilay tompon-trano raha fijerena ny zavatra araka ny tena izy ny finoana fa hanatanteraka ireo fampanantenana ireo Andriamanitra. Mandiniha vetivety faminaniana ao amin’ny Baiboly izay efa tanteraka, mba hanamafisana ny fatokian’ilay tompon-trano ny fahaizan’Andriamanitra hitahy ny taranak’olombelona.

7 Ny mpitory ilay Fanjakana rehetra dia maniry handray anjara amin’ny fampandrosoana ireo tombontsoa teokratika, ka hamafy ireo voan’ny fahamarinana any amin’izay rehetra hetezan’izany ary hanolokolo izay fahalianana hita. Rehefa avy nanao ny anjarantsika isika, dia afaka mametraka amim-pifaliana ny fitomboan’izany amin’ny hoavy ho eo am-pelatanan’i Jehovah. Manana ny vaovao tsara indrindra hozaraina amin’ireo mpiara-belona amintsika isika. Rehefa miomana foana isika, dia afaka ny hahay hanovaova rehefa mampiseho ny hafatra momba ilay Fanjakana ary hahay hanavaka rehefa manolotra ireo zavatra vita an-tsoratra ananantsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara