Manome Voninahitra An’Andriamanitra ny Fahadiovana
1 Ny Lalàn’i Mosesy dia nirakitra fitakiana hentitra mba hahazoana antoka ny fahadiovana. Izy ireny dia nanokana ny Isiraely ho vahoaka nodidiana mba hihazona ny tenany ho madio hatrany ara-batana sy ara-panahy. (Lev. 11:35, 36; 15:1-11; Isaia 52:11). Izany toe-piainana nadio izany dia nanome voninahitra an’Andriamanitra sy nandray anjara tamin’ny fahasalaman’ilay firenena.
2 Amin’izao andro izao koa, ny fahadiovana dia marika iray amantarana ny vahoakan’i Jehovah. Nefa na dia mampahafantatra ny vahoakan’i Jehovah amin’ny maha-antokon’olona aza izy io, moa ve marina koa izany ny amin’ny tsirairay amintsika isam-batan’olona? Ny fetra anehoantsika fiahiana ny amin’ny filaminana sy ny fahadiovana manokana, dia manome taratry ny haben’ny fankasitrahantsika ireo zavatra takin’i Jehovah.
3 Ahoana ny amin’ny fisehoan’ny tranontsika? Moa ve izany mampihem-bidy ny hafatra momba ilay Fanjakana entintsika? Mety hitranga ve ny hoe mety hisalasala ny amin’ny fahatsorantsika ny olona sasany raha toa isika ka miresaka momba ny fanovana ny tany ho paradisa iray kanefa ny tranontsika aza misaritaka ary ny tokotany rakotry ny bozaka tsy mitapaka na ny ahidratsy? Raha toa ny tranontsika mampiseho tsy filaminana, na misy fofona ratsy noho ny fahazarana tsy mahasalama, moa ve azo lazaina fa namboly ny “oha-pahadiovana tsara mendrika ny fandaharan-javatra vaovao hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra” isika? — omMG p. 129-131.
4 Ahoana ny amin’ny akanjontsika, ny kitapontsika fasiana boky, sy ny fihaingoantsika? Moa ve izy ireny milamina sy azo ekena, ka tsy manome antony mahatonga fahatafintohinana? Ara-dalàna ny hihazonantsika ny tenantsika sy ny akanjontsika ho madio hatrany amin’ny fandroana sy ny fanasana lamba tsy tapaka. — wMG 1/9/89, p. 16-19.
5 Ahoana raha nanjary manao tandrevaka ny rahalahy iray, hany ka nanjary antony mahatonga fahafaham-baraka ho an’ny kongregasiona ny fahadiovany manokana na ny manodidina azy? Angamba mila fanampiana mampiseho fitiavana fotsiny izy noho ny taona na noho ny tsy fahasalamana. Raha izany no izy, dia ho fanehoana hatsaram-panahy ny hanampiana azy. Mety hanana ilay zava-manahirana ny olona iray nefa tsy mahafantatra ilay izy akory; ny fananarana mampiseho hatsaram-panahy dia mety hanosika azy hanitsy ilay toe-javatra. Ireo olona izay manome ohatra ratsy mandrakariva amin’io lafiny io, dia tsy hahafeno fepetra mba hahazoana tombontsoa miavaka ao amin’ny kongregasiona. Mazava ho azy fa ireo loholona dia tokony hitandrina mba tsy hanery ny hafa hanaiky ny fari-pitsipiky ny tenany manokana na izay zavatra tiany manokana.
6 Ireo olona liana vao haingana dia asaina hankafy ny fanasana ara-panahy ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Raha manintona sy milamina ny efitranontsika, dia afaka ny hanome fanasana tokoa isika. Izany ve no izy ny amin’ny efitranontsika? Jereo ny ao anatin’ny efitranonareo. Moa ve madio ny seza sy ny gorodona ary ny rindrina? Moa ve ireo trano fivoahana voadio tsy tapaka? Rehefa manjary zatra mijery gorodona vasoka na rindrina maloto isika, tsy ela dia hihevitra izany ho azo ekena. Ireo vahiny sambany vao mba mitsidika anefa dia mety ho navela hanana fihetseham-po tsy mahafinaritra, vokatr’izany. Tokony hanao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hitanana ny efitrano hahafinaritra sy hanintona, ka hanao ny anjarantsika rehefa tonga ny fotoana fanadiovana na fanamboarana.
7 Na dia tsy miloa-bava aza isika, dia afaka manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fisehoantsika ivelany manokana sy amin’ny filaminan’ny tranontsika sy ny Efitrano Fanjakana. Ny ohatra tsara omentsika dia tsy hanome antony mahatonga fahatafintohinana fa hitondra porofo kosa fa madio sy mahitsy ny fanompoam-pivavahana arahintsika. — 1 Kor. 10:31, 32; Jak. 1:27.