Fandaharana Vaovao ho An’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
1 Ny loha hevitra izay hovelabelarina amin’ny fandaharana vaovao ho an’ny fivoriamben’ny fizaran-tany hanomboka ny Septambra dia hoe “Miambena, Tomoera Tsara, Mahereza”. Miorina amin’ny teny fampaherezana nomen’ny apostoly Paoly an’ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany voarakitra an-tsoratra ao amin’ny 1 Korintiana 16:13, izy io.
2 Ilay fandaharana dia hanomboka amin’ny fampisongadinana ny ilantsika fandinihan-tena ara-panahy tsy tapaka. Ny fihazonana fifikirana mafy amin’izay mahitsy amin’izao “andro farany” izao dia mitaky fanombanana mijery ny zava-misy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny toerantsika eo anatrehan’ny fandaminany eto an-tany. (2 Tim. 3:1, NW). Hampahatsiahivina antsika ny fankasitrahan’Andriamanitra ireo asa mafy rehetra ataontsika. Mila ny hampianarina ireo fomba hanatsarana ireo toetrantsika kristiana sy hihazonana fitondran-tena fakan-tahaka, isika.
3 Hantitranterina koa ny ilana ny ho be zotom-po amin’ny asa fanaovana mpianatra sady miezaka manatratra fandrosoana sy andraikitra ara-panahy. Hasongadina amin’ireo lahateny sy fampisehoana ary fiaraha-midinika isan-karazany ireo soso-kevitra azo ampiharina ny amin’ny fomba hahafahan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mihazona fandaharam-pamahanan-tena ara-panahy tsy tapaka.
4 Ny asabotsy dia ho afaka ny hanao fanambarana ampahibemaso ny fanoloran-tenany amin’ny alalan’ny batisa ao anaty rano ireo mpilatsaka hatao batisa mahafeno fepetra. Avy eo, ny alahady isika rehetra dia haniry ny hanatrika ny lahateny ampahibemaso, mitondra ny lohateny hoe: “Inona no Toeranao eo Anatrehan’Andriamanitra?”
5 Ilay fandaharana dia hifarana amin’ny fampirisihana hitoetra tsara amin’ny finoana, ka hifampiraharaha mandrakariva amin’ny toe-tsaina mampiseho fitiavana sy fihavanana. Ny fivoriamben’ny fizaran-tany dia iray amin’ireo fahafahana manokana omen’i Jehovah antsika rehetra mba ‘hifampandroso amin’ny fitiavana sy ny asa tsara’. (Heb. 10:24, 25). Manaova planina hentitra ny hanatrika ilay fandaharana manontolo mandritra ireo andro roa ireo.