Manehoa Fitandremana ny Teny Faminaniana
1 “Manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika”. (2 Pet. 1:19). Nahoana i Petera no nilaza izany? Ireo faminaniana momba ilay Fanjakana ao amin’ny Soratra Hebreo ary koa ireo izay avy tamin’i Jesosy Kristy mihitsy dia efa nohamarinina, na hoe ‘natao mafy orina kokoa’, tamin’ny alalan’izay hitan’i Petera sy ny mpianatra roa hafa sy reny nandritra ny fiovan-tarehy, 32 taona teo ho eo talohan’izay. Iny fahitana nampihetsi-po lalina iny dia nanome toky azy ireo indray fa ho avy tokoa i Jesosy Kristy, hanana ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana sy voninahitra mamirapiratra ary ny fanohanana fenon’ny Rainy. Ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia ‘nanao tsara tamin’ny [fanehoana fitandremana, NW] izany teny faminaniana izany toy ny jiro mahazava’, satria, raha tsy izany, dia ho maizina ny fon’izy ireo. Ny fanehoana fitandremana ilay teny faminaniana manome fahazavana dia hihazona azy ireo ho mailo sy feno fahazavana mandra-pahazavan’ny andro vaovao iray, rehefa hiposaka ilay “fitarik’andro”, dia i Kristy, ao amin’ny voninahitr’ilay Fanjakana. — 2 Pet. 1:16-19; Matio 17:1-9.
2 Tsy teo isika mba hahita ilay fiovan-tarehy be voninahitra niaraka tamin’i Petera. Kanefa, ny Kristiana amin’izao taranaka izao, izay maneho fitandremana ny teny faminaniana, dia nahazo tombontsoa lehibe aoka izany nahita, tsy fahitana mialoha ny Fanjakan’i Kristy akory, fa porofo tondraka fa tena manapaka marina ilay Mpanjaka be voninahitra! Isaky ny taona tsirairay mandalo nanomboka tamin’ny 1914, dia mihamafy orina kokoa ny teny faminaniana, arakaraka ny anatrehantsika maso ny fahatanterahan’ireo lafiny samihafa amin’ilay “famantarana” manaitra nomen’i Jesosy momba ny ‘fanatrehany’ amin’ny maha-mpanjaka azy. Ny tapany lehibe iray amin’ilay famantarana dia hoe ny fanambarana ny fitondram-panjakany, na Fanjakany, dia hatao any amin’ny firenena rehetra alohan’ny hamaranan’ilay Mpanjaka itỳ fandehan-javatra itỳ. Eo ambanin’ny fitarihan’i Kristy, ny asa fitoriana ilay Fanjakana dia atao ankehitriny any amin’ny tany 231 amin’ny ambaratonga mbola tsy azo nalaina sary an-tsaina mihitsy taloha. (Matio 24:3-14, NW). Ankoatra izany, arakaraka ny anakekezan’ny fotoan’ny “fahoriana lehibe”, ilay Mpanjaka nomena seza fiandrianana dia nanangona “olona betsaka” “avy amin’ny firenena rehetra” izay nanjary naneho finoana ny “ran’ny Zanak’ondry” nitondra fanavotana. — Apok. 7:9, 10, 14.
3 Koa satria efa niposaka ilay “fitarik’andro”, izany hoe efa nahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana i Kristy, moa ve mbola misy antony tokony hanehoana fitandremana ny teny faminaniana ihany? Eny! I Jesosy Kristy nomem-boninahitra dia nanome ho an’ny apostoly Jaona fitohitohizam-pahitana izay mahaforona ny bokin’ny Apokalypsy na Fanambarana. Na dia natao hitondra fampaherezana sy fampianarana ho an’ny Kristiana tany am-boalohany aza izy ireny, dia misy vidiny manokana ho an’ireo izay miaina amin’ny “Andron’ny Tompo”, izay misy ny tenantsika ankehitriny. (Apok. 1:10). Izany no antony ianaran’ireo kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah ny boky Fanambarana amin’izao fotoana izao.
4 “Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.” (Apok. 1:3). Raha maniry ho sambatra isika, dia tsy maintsy mahazo ny hevitra, eny, ny tena dikan’ireny fahitana ara-paminaniana ireny. Mitaky inona izany? Ilaina ny famerimberenana mba handentehana ao am-pontsika ny maha-zava-dehibe ny fitantarana ao amin’ny Apokalypsy. Ny apostoly Petera, mpikambana tao amin’ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany, dia nanaiky ny hasarobidin’ny famerimberenana fahamarinana fototra mba “hampifoha” ara-panahy ireo rahalahiny. (2 Pet. 1:12, 13). Ny “mpanompo mahatoky sy malina” amin’izao andro maoderina izao dia manampy antsika toy izany koa hihazona ny fankasitrahantsika ho velona, amin’ny fisarihana miverimberina ny saintsika ho amin’ny teny faminaniana. — Matio 24:45-47, NW.
5 Ny fomba hanehoana fitandremana: Karazana fitandremana inona no mendrika haseho amin’ny teny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy? Mampahatsiahy antsika ny apostoly Paoly fa tsy niteny tamin’ny Kristiana tamin’ny alalan’ny anjely na ny mpaminany, toy ny nataony tamin’ireo mpanompony talohan’ny andro kristiana, Andriamanitra. Nifampiresaka tamintsika tamin’ny alalan’ny Zanany malalany, izay notendreny ho “Mpandova ny zavatra rehetra”, kosa i Jehovah. (Heb. 1:1, 2). “Ary amin’izany dia tokony [haneho fitandremana bebe kokoa noho ny mahazatra, NW] izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.” (Heb. 2:1). Eny, tsy maintsy maneho fitandremana ny Tenin’Andriamanitra isika ary indrindra fa ny teny faminaniana nomena tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Ahoana no ahafahantsika maneho fitandremana manokana ny fianarantsika ny Apokalypsy?
6 Voalohany aloha, dia zava-dehibe aoka izany ny manatrika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona isan-kerinandro. Isaky ny taona tsirairay mandalo, dia mihamisy heviny kokoa sy mihara-potoana kokoa noho ny tamin’ny fotoana namoahana azy voalohany tamin’ny 1988, ny fanazavana ara-paminaniana ao amin’ny boky Fanambarana. Isika rehetra dia mila ny ho mailo hahita ireo fitrangan-javatra amin’ny andro ankehitriny izay mandroso haingana ho fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Apokalypsy. Amin’izay isika dia ho afaka hiomana hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah. Ataovy ho tanjon’ny tenanao manokana ny tsy hanapaka na dia fianarana ny boky iray monja aza, raha mbola azo atao koa, mandritra io fandinihana tena lehibe ny Apokalypsy io.
7 Faharoa, dia omano tsara ny fianaranao. Jereo ireo andinin-teny voalaza ary diniho ny fomba anohanany ilay fanazavana ireo andinin-teny ao amin’ny Apokalypsy ianarana. Amin’izany fomba izany, dia tsy ho fanontaniana sy valiny fotsiny no ho azonao. Miezaha mafy hahazo, tsy fahalalana fotsiny, fa fahendrena sy fahazoana hevi-javatra koa. (Ohab. 4:7, NW). Fahatelo, dia mandraisa anjara amim-paharisihana mba hamaliana indray mandeha fara fahakeliny ary tsara kokoa raha imbetsaka, amin’ny fianarana tsirairay. Ny fanaovanao izany dia hanampy anao hampifantoka hatrany ny sainao amin’ilay fianarana.
8 Ny fanehoana fitandremana bebe kokoa noho ny mahazatra ny teny faminaniana dia mahafaoka mihoatra noho ny fanomanana sy ny fanatrehana ary ny fandraisana anjara. Izany koa dia midika fa, na dia aorian’ilay fianarana aza, dia manohy ‘mihevitra izany zavatra izany sy mikely aina fatratra amin’izany’ isika. (1 Tim. 4:15). Raha tiantsika ho jiro manazava ny fontsika ny teny faminaniana, dia tsy maintsy mamela azy io hisy fiantraikany lalina eo amin’ny maha-isika antsika anaty isika — ny eritreritsika, ny faniriantsika, ny fihetseham-pontsika, ny antony manosika antsika ary ny tanjontsika. (2 Pet. 1:19). Araka izany, dia tokony hanontany tena toy izao isika: Midika ho inona ho an’ny tenako manokana io fanazavana io? Inona no nianarako momba an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy Zanany? Fotopoto-pitsipika inona avy no iorenan’ilay fanazavana? Moa ve aho mahazo ao am-poko ny hevitr’ilay fianarana? Ahoana no ahafahako mampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainako? Eo amin’ny fianakaviako? Ao amin’ny kongregasiona? Amin’ny fampiharana izay ianarantsika, dia afaka milaza, toy ny nolazain’ilay mpanao salamo, isika hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” — Sal. 119:105; Joba 29:3, 4.
9 Mifohaza hatrany mandritra izao fotoana sarotra izao: Tamin’ny taona 33 am.f.i., i Jesosy dia nampitandrina ireo mpianany ny amin’ny fandringanana an’i Jerosalema ho avy sy ny amin’ilay tarehin-javatra izay ho baiko famantarana ny amin’ny fotoana tokony handosiran’izy ireo ho any amin’ny toeram-piarovana. (Lioka 19:41-44; 21:7-21). Avy eo, dia 30 taona mahery no lasa. Toa nety ho tsy hisy fiovana firy tamin’ny hoavy tsy ho ela ho an’ny Kristiana sasany tao Jodia. Tonga tamin’ny fotoana nilana azy toy inona moa ilay fampirisihana avy tamin’ny apostoly Petera malala, mba ‘haneho fitandremana ny teny faminaniana’, hita tao amin’ny taratasiny faharoa, nosoratany tokony ho tamin’ny 64 am.f.i.! (2 Pet. 1:19, NW). Fotoana fohy taorian’izay, tamin’ny 66 am.f.i., dia voahodidin’ireo tafika romana i Jerosalema. Rehefa nihataka tampoka toa tsy tamin’ny antony ireo miaramila romana, dia nanaraka ny toromarik’i Jesosy ireo Kristiana tao Jodia izay nifoha ka nandositra. Avy eo, tamin’ny 70 am.f.i., dia niverina ireo tafika romana ka nandringana tanteraka an’i Jerosalema. Tsy maintsy ho faly toy inona moa ireny Kristiana ireny, satria nitandrina akaiky ny teny faminanian’i Jesosy!
10 Ny amin’inona kosa no iambenan’ny Kristiana amin’izao andro maoderina izao? Ao amin’ireo fahitana ao amin’ny Apokalypsy, i Jesosy dia nampitandrina ny Kristiana miaina ankehitriny, ny amin’ireo fisehoan-javatra maro izay hitranga mandritra ny andron’ny Tompo. Nandritra ireo 80 taona lasa, dia efa nitranga sahady ny sasantsasany tamin’ireny fisehoan-javatra ireny: ny fahaterahan’ilay Fanjakana; ny ady tany an-danitra sy ny faharesen’i Satana sy ireo demoniany vokatr’izany, narahin’ny fitanana azy ireo teto amin’ny manodidina ny tany; ny fianjeran’i Babylona Lehibe; ary ny fipoiran’ilay biby dia mivolon-jaky, dia ny herim-panjakana fahavalo. Ny fahatanterahan’ireo lafiny amin’ny teny faminanian’ny Apokalypsy ireo dia mahatonga ho mafy orina kokoa ny hoe tsy ho ela dia hahita ireto fisehoan-javatra mampihetsi-po lalina farany ireto isika: ny fanisiana tombo-kase ireo mpikambana farany amin’ny 144 000, ny famitana ny fanangonana ny olona betsaka, ny fandringanana an’i Babylona Lehibe, ny ady Haramagedona, ny fanipazana an’i Satana any amin’ny lavaka tsy hita noanoa ary ny Fanapahana Arivo Taonan’i Kristy. Zava-dehibe toy inona moa ny hanehoantsika fitandremana ilay fampitandreman’i Jesosy hoe: “Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany”! — Apok. 16:15.
11 Mifoha hatrany ve isika? Raisintsika ho zava-dehibe ve ny teny faminaniana? Na 5 taona na 50 taona izay no nanolorantsika ny fiainantsika ho an’i Jehovah, dia mihatra amintsika tsara ny tenin’i Paoly ho an’ny Kristiana tany Roma hoe: “Fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro”. Avy eo i Paoly dia nampirisika ny Kristiana mba ‘hanary ny asan’ny maizina’ sy “hitondra tena tsara”. (Rom. 13:11-13). Miaina ao amin’ny tontolo iray izay ao anatin’ny haizim-pito ara-pitondran-tena isika. Ny fitondran-tena nahatafintohina 30 na 40 taona lasa monja izay dia ara-dalàna ho an’ny olona maro eo amin’izao tontolo izao tao anatin’izao folo taona farany amin’ny taonjato faha-20 izao. Mitandrema, ry rahalahy, mba tsy hamela ny tenanareo hindaosina any amin’ny haizin’izao tontolo izao ka hanjary ho rendremana ara-pitondran-tena. Raha mamela ny tenanao ho tonga milefitra loatra sy mandefitra amin’ny fisainana sy ny fomba fiaina mietrin’itỳ tontolo itỳ ianao, dia hanjary tsy hahita intsony ireo raharaha lehibe atrehintsika amin’izao andro izao izay tsy ho ela dia ho voalamina mandrakizay: ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah sy ny fanamasinana ny anarany. Ny faharendremana ara-panahy dia hampidi-doza ny famonjena ny tena, izay efa akaiky aoka izany ankehitriny.
12 Ampitomboy ny fankasitrahana avy amin’ny fo ny teny faminaniana: Ireo mpaminany hebreo fahizay dia liana mafy tamin’ny fahatanterahan’ireo teny nataony momba ny Mesia izay nanomezan’ny fanahy tsindrimandry azy. ‘Notadiavin’izy ireo sy nokatsahiny fatratra’ izay ho fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. (1 Pet. 1:10, 11). Toy izany koa, rehefa maneho fitandremana ny teny faminaniana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ianao, dia hitombo ny fankasitrahanao zavatra ara-panahy. Hihamafy ny hanoananao ara-panahy, hany ka ho voarisika hikaroka “ny saina lalina izay an’Andriamanitra” ianao. (1 Kor. 2:10). Rehefa mameno ny fonao amin’ny fankasitrahana sy ny fitiavana ny teny faminaniana ianao, dia tsy hisy na iza na iza hila hampirisika anao hanatrika ireo fivoriana; ho voatosika hanatrika izany sy handray anjara amin’izany tsy tapaka ianao. (Lioka 6:45). Ary raha ‘ao am-ponao ny teny’, dia ho voatosika ‘hanao fanambarana ampahibemaso hahazoana famonjena’, ianao. — Rom. 10:8-10, NW.
13 Arakaraka ny hidirantsika lalina ao amin’ny fotoan’ny farany, no vao mainka hanarabian’ireo mpaniratsira antsika noho isika mifikitra amin’ny finoantsika ireo fanambarana ara-paminanian’Andriamanitra. (2 Pet. 3:3, 4). Kanefa dia hifoha hatrany isika raha ny amin’ny teny faminaniana. Ny fanilon’ny Tenin’Andriamanitra dia mampiseho amintsika hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fizotran’ny fotoana. Hazavain’izy io mazava tsara fa amin’ny andro faran’itỳ tontolo maizina itỳ no misy antsika. Niposaka ilay fitarik’andro! Nahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana i Kristy! Eny amin’ny faravodilanitra isika dia efa mahita sahady ny fahazavan’ny andro vaovao. Enga anie ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra ka hanohy ho zavatra tena izy ho antsika, toy ilay Fanjakana tamin’ireo apostoly telo izay nahazo tombontsoa hahita azy io mialoha tamin’ilay fahitana nahagaga ny amin’ny niovan’i Jesosy tarehy!