FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/95 p. 6
  • Fanambarana ‘ny Tenin’ny Faminaniana’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanambarana ‘ny Tenin’ny Faminaniana’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Ambarao Ilay Hafatra Mampientam-po ao Amin’ny Apokalypsy
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Ampio ny Hafa ‘Hitandrina Izay Voasoratra’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Ampio Izy Ireo Hahazo Hevi-javatra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 3/95 p. 6

Fanambarana ‘ny Tenin’ny Faminaniana’

1 Miaina amin’ny fotoana izay ahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy isika. Maro no mitady izay hahazoana ny hevitr’ireo fisehoan-javatra mampikorontan-tsaina mitranga. Afaka mandray soa avy amin’ny ‘fihainoana ny teny’ ao amin’ny faminanian’ny Apokalypsy, izy ireo. (Apok. 1:3). Mandritra ny volana Martsa dia manana fahafahana hanampy azy ireny isika amin’ny fanasongadinana ny boky Fanambarana. Rehefa manolotra azy io isika dia tokony hitadidy ao an-tsaina fa ireo zava-manahirana atrehin’ny olombelona ankehitriny dia efa nambara mialoha ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Inona àry no azontsika lazaina?

2 Mety handaitra izao tari-dresaka izao:

◼ “Tototry ny ady sy ny mosary ary ny aretina ny olombelona tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ. Nahoana no izany no izy, araka ny hevitrao, kanefa ny olombelona nahavita fandrosoana maro be aoka izany momba ny haitao? [Avelao ilay olona hamaly.] Maro no gaga rehefa mahafantatra fa efa nambaran’ny Baiboly mialoha ireny toe-piainana ireny. Azo inoana fa mahafantatra tsara ilay fitenenana hoe ‘ireo mpitaingin-tsoavaly efatry ny Apokalypsy’ ianao. Izay lazain’ny Baiboly momba ireo mpitaingin-tsoavaly ireo, raha ny marina, dia faminaniana izay tanteraka amin’ireo fisehoan-javatra maneran-tany ankehitriny. [Sokafy eo amin’ny toko faha-16 ny boky Fanambarana, ary asehoy ireo sary eo amin’ny pejy 91-97.] Na dia maminany fotoam-pahoriana lehibe iray aza io faminaniana io, dia manome fanantenana koa. [Vakio ny Apokalypsy 6:2 ao amin’ny fehintsoratra faha-3.] Ilay Mpitaingina ilay soavaly fotsy dia i Jesosy Kristy. Nampanantena fa handresy ny faharatsiana izy ka hitondra tontolo iray feno fahasambarana sy fiadanana amin’ny alalan’ilay Fanjakana izay nampianariny antsika mba hangatahina amin’ny vavaka.” Avy eo dia atolory ilay boky.

3 Mety hahafahana hanomboka resaka misy heviny izao fanontaniana izao:

◼ “Inona no heverinao fa ilaina mba hanesorana ireo toe-piainana ratsy eo amin’izao tontolo izao? [Avelao ilay olona hamaly.] Manaiky ny ankamaroan’ny olona fa fiovana hatramin’ny fotony no ilaina raha tiana ny tsy haharava itỳ tontolo itỳ. Mampiseho ny Baiboly fa hain’Andriamanitra ny fomba handaminana ireo zava-manahirana antsika ary nampanantena koa izy fa hanampy antsika.” Avadiho ho eo amin’ny pejy 171 ny boky Fanambarana, ka vakio ny Apokalypsy 11:15 ao amin’ny fehintsoratra voalohany. Avadiho ho eo amin’ny sary eo amin’ny pejy 302 sy 308 ilay boky, ary asehoy ireo fitahiana ho tanteraka eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana tarihin’i Kristy. Avy eo dia hazavao ny fomba ahafahan’ny tenan’ilay tompon-trano mandray soa.

4 Mety hanavanana anao ny filazana zavatra tahaka izao:

◼ “Olona maro namaky ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly no nahita fa sarotra mahazo ny hevitr’izy io. Milazalaza fisehoan-javatra hafahafa sy misy heviny, maro samihafa, izy io. Itỳ boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! itỳ, dia mamakafaka, isaky ny andininy, ny bokin’ny Apokalypsy manontolo ary mampiseho fa misy fiantraikany eo amin’ny tenantsika manokana ny fahatanterahan’ireo faminaniany.” Sokafy eo amin’ny pejy faha-15, fehintsoratra faha-2 ilay boky, ka asehoy ny Apokalypsy 1:1 izay natao sora-matevina. Hazavao fa misy fanazavana voafaritra tsara karazan’io omena momba ny andininy tsirairay avy ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ary koa fa izany fanazavana izany dia hanampy azy ireo hahazo ny hevitr’ireo faminaniana miavaka ireo. Avy eo dia atolory ilay boky.

5 Raha sahirana ilay olona, dia ho azonao atao ny hametraka gazety na taratasy mivalona. Rehefa miverina mitsidika azy ianao dia ho azonao atolotra ilay boky.

6 Misy fiantraikany eo amin’ny olombelona rehetra ny hafatra raketin’ny Apokalypsy. Koa mila ny mandre ny tenin’ny faminaniana àry ny rehetra. Enga anie isika mba hanao izay rehetra azontsika atao mba hanambarana io hafatra iankinan’ny aina io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara