FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/95 p. 5-6
  • Ampio ny Hafa ‘Hitandrina Izay Voasoratra’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio ny Hafa ‘Hitandrina Izay Voasoratra’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanambarana ‘ny Tenin’ny Faminaniana’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Ampio Izy Ireo Hahazo Hevi-javatra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Apokalypsy — Fanalahidy Iray ho Amin’ny Fahasambarana Marina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Inona no azoko lazaina mba hanairana fahalianana bebe kokoa?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 3/95 p. 5-6

Ampio ny Hafa ‘Hitandrina Izay Voasoratra’

1 Tsy ampy ny “mihaino” ny tenin’ny faminaniana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Mba handraisan-tsoa feno avy aminy, ny olona iray dia tsy maintsy “mitandrina” izay voasoratra. (Apok. 1:3). Ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra dia vao dingana voalohany ihany ho amin’ny fanaovana mpianatra. Raha vao mahita olona liana izay maniry hihaino isika, dia tokony hiverina haingana mba hanampiana azy ireo hianatra bebe kokoa. Inona no azontsika resahina amin’ny fiverenantsika mitsidika azy ireo?

2 Raha niresaka momba ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ara-panoharana ianao tamin’ny fitsidihanao voalohany, dia ho azonao atao ny hanomboka ny dinidinikao amin’izao fomba izao:

◼ “Teo aloha isika dia niresaka momba ny bokin’ny Apokalypsy sy ny fahatanterahan’ireo faminaniany amin’ireo fisehoan-javatra maneran-tany ankehitriny. Ny toko faha-6 amin’ny Apokalypsy dia nanambara mialoha ny fandehan’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ara-panoharana izay hiteraka herisetra sy fahoriana be dia be eto an-tany. Hitantsika miharihary ny fahatanterahan’izany. Maro no manontany tena hoe rahoviana no hifarana izao fahoriana izao mba hahafahantsika hankafy fiainana ao anatin’ny tontolo iray feno fiadanana. Ahoana ny hevitrao? [Avelao ilay olona hamaly.] Liana tamin’ny valin’io fanontaniana io ny mpianatr’i Jesosy.” Vakio ny Matio 24:3, izay ametrahana an’io fanontaniana io, ary avy eo ny andininy faha-34, izay nanomezan’i Jesosy ny valiny. Raha tsara fandray ilay olona, dia hazavao bebe kokoa ny momba ny andro farany.

3 Raha niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra ianao tamin’ny fitsidihana voalohany, dia mety hanapa-kevitra ny hanohy izany amin’ny fanaovana itỳ fanontaniana itỳ:

◼ “Araka ny hevitrao, karazana fitondram-panjakana manao ahoana no ilaina mba hanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’ny olombelona rehetra? [Avelao ilay olona hamaly. Vakio ny Jeremia 10:23.] Araka ny hitanao, Andriamanitra dia tsy nikasa na oviana na oviana ny hitarihan’ny olombelona ny raharahan’ny tenany manokana. Ny fanandramana manao izany tsy misy ny fanampian’Andriamanitra no anton’ny ankamaroan’ireo zava-manahirana antsika. Ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fitondram-panjakana afaka manome izay ilaintsika.” Avadiho ho eo amin’ny pejy 197 ny boky Fanjohian-kevitra, ka resaho ireo andinin-teny eo ambanin’ilay lohatenikely voalohany. Tohizo ny resaka amin’ny fanazavana hoe nahoana isika no afaka mametraka ny fitokiantsika tanteraka amin’i Jehovah.

4 Mety ho tianao ny hanandrana an’itỳ iray itỳ mba hanombohana resaka araka ny Soratra Masina:

◼ Asehoy ilay sary eo amin’ny pejy 302 amin’ny boky Fanambarana, ka hazavao hoe: “Hankafy an’ireo toe-piainana ireo ny olombelona rehefa hatao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra. Kanefa matahotra ny sasany fandrao hiverina indray ny toe-piainana ratsy. Tsy hety hisy izany satria efa ho nanjavona avokoa ny ratsy fanahy rehetra.” Vakio ny Salamo 37:10, 11. Asao ilay tompon-trano mba hanararaotra ny fandaharam-pampianarana Baiboly ataontsika mba hianarany bebe kokoa.

5 Raha nametraka ilay taratasy mivalona hoe “Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao”, ianao dia asehoy ilay sary eo anoloana ary avy eo dia vakio ny fehintsoratra voalohany eo ambanin’ilay lohateny hoe “Ny fiainana eo amin’izao tontolo izao vaovaon’Andriamanitra”. Avy eo dia lazao hoe:

◼ “Raha maniry hiaina ao amin’ny tontolo iray tahaka izao isika, dia misy zava-dehibe iray tsy maintsy ataontsika.” Vakio ny fehintsoratra farany, ary atolory ny boky Fanambarana.

6 Koa satria ny zava-kendrentsika dia ny hanomboka fampianarana Baiboly, dia ilaintsika ny hanao fiverenana mitsidika mandaitra. Mandamìna fotoana hanaovana azy ireny, ka miomàna tsara. Amin’izany fomba izany no ahafahantsika tena manampy marina ny olona tso-po. — Apok. 22:6, 7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara