Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Inona avy no fitaovana tokony hoentintsika any amin’ireo fivoriana?
Isan-kerinandro dia mandray fampianarana sy fampaherezana ahitan-tsoa isika any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. (Isaia 48:17; Heb. 10:24, 25). Ny halehiben’ny soa hitantsika anefa dia miankina be dia be amin’ny hoe niomana tsara isika na tsia rehefa tonga any.
Ho tsara ny hananan’ny mpianakavy tsirairay avy ny azy manokana amin’ilay zavatra ianarana sy ireo fitaovana hafa ilaina amin’ireo fivoriana. Tafiditra amin’izany ny Baiboly, fihirana, zavatra vita an-tsoratra, fandraisana an-tsoratra, stylo na pensilihazo.
Ny amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, dia ilaina ny Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Ireo fitaovana ireo dia manampy antsika mba hitadidy ao an-tsaina ny loha hevitr’ireo lahateny ataon’ireo mpianatra sy hanaraka tsara ny mpiandraikitra ny sekoly rehefa manome torohevitra izy. Afaka mampihatra manokana ny torohevitra sy ny fanipazan-kevitra omena isika mba hanatsarana ny lahateny sy ny fomba fampiseho eny amin’ny saha fanompoana, ataon’ny tenantsika.
Ny amin’ny Fivoriana Momba ny Asa, dia mila ny manana Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana farany sy ny boky Fanjohian-kevitra isika. Ento izay zavatra vita an-tsoratra rehetra asiana firesahana mandritra ilay fivoriana, toy ireo hampiasaina amin’ny fomba fampiseho izay hanaovana fampisehoana. Ireo loholona dia tokony hanana iray amin’ny Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika.
Ireo ray aman-dreny dia tokony hiezaka ny hihazona ireo zanany hipetraka tsara sy haneho fitandremana any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona. Ny fanomezana azy ireo ny azy manokana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny zavatra vita an-tsoratra hafa, na dia alohan’ny hahaizany mamaky teny aza, dia hampirisika azy ireo haneho fahalianana. Rehefa ampianarina mba hanaja ireo zavatra vita an-tsoratra teokratika sy hampiasa azy ireny ny ankizy, dia miforona ny fahazarana ara-panahy maharitra ho amin’ny fiainany manontolo sy mahasoa.
Ny fifaliana sy ny fahafaham-po azontsika avy amin’ireo fivorian’ny kongregasiona dia mitombo be dia be rehefa ampy fitaovana tsara isika tonga any. (2 Tim. 3:17, NW ). Izany no fomba tsara indrindra hahazoana antoka fa isika dia “feno fahalalana araka ny marina ny sitrapo[n’Andriamanitra], amin’ny fahendrena sy ny fahatakaran-javatra ara-panahy, rehetra”. — Kol. 1:9, NW.