Aoka Ianao Hampandroso
1 Koa satria isika miaina amin’ny ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’, dia mila fampaherezana isika rehetra. (2 Tim. 3:1, NW). Nahatsapa tsara ny ilana izany i Paoly, na dia tamin’ny androny aza, ka naniry mafy ny hampiasa ny fifaneraserana tamin’ireo rahalahiny, ho fahafahana ho amin’ny “fifanakalozana fampaherezana”. Nampirisika mafy ireo rahalahiny mba “hiezaka hitady ny momba (...) ny fifampandrosoana”, izy. (Rom. 1:11, 12, NW; 14:19). Izany fiezahana izany dia nahomby tamin’ny ‘fanatanjahana ny fanahin’ny mpianatra, fampaherezana azy haharitra amin’ny finoana’. (Asa. 14:22, NW). Faran’izay mila izany karazana fampaherezana izany isika amin’izao andro izao.
2 Afaka mampandroso ny hafa amin’izay lazaintsika isika. Rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy ny tenintsika, dia afaka ny ho “poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra”. (Ohab. 25:11). Amin’ny fandraisana anjara amin’ireo fivoriana, dia ‘mifampahery’ isika. (Heb. 10:25, NW). Azo ampiasaina amin’ny fomba manorina ny lelantsika rehefa mitantara fanandraman-javatra, manome teny fiderana, na miresaka zavatra ara-panahy, isika. Ny fampiasana mahasoa toy izany ny lela dia ‘tsara ho fampandrosoana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana’. — Efes. 4:29.
3 Miresaha momba ireo zavatra mampandroso: Ao amin’ny Filipiana 4:8, i Paoly dia nanome toro lalana manampy amin’ny resaka ataontsika. Nilaza izy fa isika dia tokony hihevitra ny zavatra na inona na inona marina, manan-kaja, mahitsy, madio, mahate-ho tia, tsara laza, misy hatsaram-panahy, sy misy dera. Afaka mahazo antoka foana isika fa izay lazaintsika dia ho marina sy hahasoa ny hafa, raha miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Jaona 17:17). Ny fanoloran-tenantsika kristiana, izay ianarantsika any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona, ny fomba anatanterahantsika amin’ny fomba feno ny fanompoantsika, sy ny zavatra hafa toy izany dia manan-kaja. Azo antoka fa hanampy antsika hanjary ho ‘hendry ho amin’ny famonjena’ ireo resaka manorina momba ireo fari-pitsipika sy fotopoto-pitsipiky ny Tenin’Andriamanitra. (2 Tim. 3:15). Afaka milaza ny fankasitrahantsika noho ny fitondran-tena madio arahin’ireo izay ao amin’ny fandaminana madion’i Jehovah, isika. Afaka midera ireo asa mahate-ho tia mampiseho hatsaram-panahy ataon’ireo rahalahintsika isika. (Jaona 13:34, 35). Anisan’ny zavatra izay tsara laza ireo toetra kristiana mahasoa, dia ny finoana, ny fifaliana, ny fiadanana, sy ny fahari-po, izay hitantsika eo amin’ireo rahalahintsika. Ny resaka momba ireo zavatra misy hatsaram-panahy sy misy dera ireo dia “hahasoa sy hampandroso” ny hafa. — Rom. 15:2.
4 Isan’andro isika dia miatrika ireo tebiteby mahakivy eo amin’izao tontolo izao. Mamelombelona toy inona moa ny manilika ireo zavatra ireo sy ny mifanerasera amim-pitiavana amin’ireo rahalahintsika! Harena tokony hankamamina ny fotoana sarobidy azontsika lanina miaraka. Raha mampahery sy mampandroso foana isika, dia hilaza marina momba antsika toy izao ny hafa: “Namelombelona ny fanahiko (...) izy”. — 1 Kor. 16:18.