Mila ny Kongregasiona Isika
1 Indray mandeha dia naneho ny fankasitrahany ny kongregasionan’i Jehovah tamin’izao fomba izao ireo zanakalahin’i Kora: “Ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo”. (Sal. 84:10). Tamin’izy ireo, itỳ tontolo itỳ dia tsy nanana na inona na inona hatolotra, raha noharina tamin’izy io. Raha mitovy fihetseham-po amin’izany ianao, dia tokony hanao ny kongregasiona ho fototry ny fiainanao.
2 Hatrany am-piandohany, ny kongregasiona kristiana dia niharihary fa nanana ny fitahian’i Jehovah. (Asa. 16:4, 5). Na iza na iza amintsika dia tsy tokony hanamaivana ny kongregasiona na hihevitra fa fomba iray ihaonantsika fotsiny izy io. Ny kongregasiona no toerana hanovozan’ny Vavolombelon’i Jehovah fampaherezana sy tanjaka, any amin’ny fiaraha-monina rehetra misy azy ireo. Manome fiarahana amim-piraisan-tsaina izy io, mba hahatonga antsika hampianarin’i Jehovah sy ho voalamina ho amin’ny asan’ilay Fanjakana. — Isaia 2:2.
3 Ny kongregasiona kristiana dia fitaovana fototra hampianarana antsika ny fahamarinana. (1 Tim. 3:15). Ireo mpanara-dia an’i Jesosy dia tsy maintsy ho “iray ihany” — tafaray amin’Andriamanitra sy i Kristy ary eo amin’izy samy izy. (Jaona 17:20, 21; ampitahao amin’ny Isaia 54:13.) Na aiza na aiza mety halehantsika eto ambonin’ny tany, ireo rahalahintsika dia mino ireo fampianarana sy fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, ary mitondra tena mifanaraka amin’izany, izy ireo.
4 Ampiofanina sy ampiomanina mba hanatanteraka ny fanendrena antsika hanao mpianatra isika. Isam-bolana, Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ary Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana dia manolotra fanazavana mahasoa mba hanampiana antsika hanomboka resaka araka ny Soratra Masina. Ireo fivoriana dia kendrena mba hampisehoana amintsika ny fomba hahitana sy hanolokoloana fahalianana. Ny fitomboana hitantsika maneran-tany dia manaporofo fa mahazo fanohanana avy any an-danitra isika amin’io asa io. — Matio 28:18-20.
5 Amin’ny alalan’ny kongregasiona, dia mahazo fampaherezana izay ‘mampandroso antsika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara’ isika isan’andro. (Heb. 10:24, 25). Hatanjahina hiaritra fisedrana amim-pahatokiana isika. Ireo mpiandraikitra be fitiavana dia manampy antsika hiatrika ireo fanerena sy fanahiana. (Mpit. 4:9-12). Omena ny torohevitra ilaina isika rehefa tandindomin’ny faniasiavana. Fandaminana hafa inona no manome fiahiana feno fitiavana toy izany? — 1 Tes. 5:14.
6 Ny sitrapon’i Jehovah dia ny hitoerantsika ho akaiky ny fandaminany mba hitandroana ny firaisan-tsaintsika. (Jaona 10:16). Ny fomba iray anampian’ny kongregasiona antsika hihazona fifandraisana amin’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky, dia ny fanirahana mpiandraikitra mpitety faritany mba hampaherezana antsika. Ny fandraisantsika tsara ny fitarihan-dalana feno fitiavana dia mampifanatona antsika akaiky, ka manampy antsika hitoetra ho matanjaka ara-panahy.
7 Tena zava-dehibe ho an’ny fahatafitantsika velona amin’ny lafiny ara-panahy ny kongregasiona. Tsy ho azo atao ny hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba azo ekena, any ivelan’izy io. Aoka àry isika hitoetra ho akaiky an’izay nomen’i Jehovah. Enga anie isika mba hanao zavatra mifanaraka amin’ny tanjon’izy io ary hampihatra amim-pahatsorana ny torohevitra azontsika ao. Amin’izany fomba izany ihany no ahafahantsika mampiseho raha zava-dehibe amintsika ny kongregasiona. — Sal. 27:4.